1 Mpanjaka 5:1-18

5  Ary naniraka ny mpanompony+ ho any amin’i Solomona i Hirama,+ mpanjakan’i Tyro,+ satria henony fa i Solomona no voahosotra ho mpanjaka handimby an-drainy. Efa hatramin’izay mantsy i Hirama no tia an’i Davida.+  Dia nandefa iraka tany amin’i Hirama koa i Solomona, nanao hoe:+  “Fantatrao tsara fa tsy afaka nanao trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamaniny i Davida raiko noho ny ady+ nataon’ny fahavalony taminy. Niady taminy foana mantsy ireny mandra-panaon’i Jehovah an’ireny ho eo ambany faladiany.  Nataon’i Jehovah Andriamanitro mandry feizay eo anivon’ny fahavaloko rehetra manodidina anefa aho ankehitriny,+ ka sady tsy misy mpanohitra no tsy misy loza mitranga.+  Ary mieritreritra ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitro+ aho, araka izay nampanantenain’i Jehovah an’i Davida raiko hoe: ‘Ny zanakao izay hapetrako eo amin’ny seza fiandriananao handimby anao no hanorina ilay trano ho an’ny anarako.’+  Koa aoka ianao hanome baiko mba hisy hikapa hazo ho ahy, dia hazo sedera avy any Libanona.+ Hiaraka amin’ny mpanomponao ny mpanompoko, ary homeko anao araka izay holazainao ny karaman’ny mpanomponao, satria fantatrao tsara fa tsy misy mahay mikapa hazo tahaka ny Sidonianina+ eto aminay.”  Raha vao ren’i Hirama+ ny tenin’i Solomona, dia faly be izy ka nanao hoe: “Isaorana+ i Jehovah ankehitriny, satria nanome zanaka hendry+ ho an’i Davida izy mba hitondra an’izany vahoaka maro be izany!”+  Koa nandefa iraka tany amin’i Solomona i Hirama, nanao hoe: “Efa reko izay nambaran’ny iraka nalefanao tatỳ amiko. Koa hataoko izay rehetra mahafinaritra anao ka homeko anao ny hazo sedera sy zenevrie+ tadiavinao.  Ny mpanompoko mihitsy no hampidina izany avy any Libanona+ ho any an-dranomasina. Ary hatambatro ho zahatra ny hazo ka halefako eny an-dranomasina hatrany amin’izay toerana holazainao amiko.+ Any no hasaiko hoborahina izany, ary ianao no hitatitra izany. Ary ianao kosa hanao izay mahafinaritra ahy, ka hanome sakafo ho an’ny ankohonako.”+ 10  I Hirama àry no lasa mpamatsy hazo sedera sy zenevrie ho an’i Solomona, araka izay rehetra nahafinaritra azy. 11  Ary i Solomona kosa nanome an’i Hirama varimbazaha roa alina kora ho sakafon’ny ankohonany, ary menaka roapolo kora+ avy amin’ny oliva voatoto.+ Izany no nomen’i Solomona an’i Hirama isan-taona.+ 12  Ary i Jehovah nanome fahendrena an’i Solomona, araka izay nampanantenainy azy.+ Ary tsara fihavanana i Hirama sy Solomona, ka nanao fifanekena izy roa lahy. 13  Ary tsy nitsahatra nampiantso olona avy tamin’ny Israely rehetra i Solomona Mpanjaka mba hanao fanompoana.+ Telo alina ny isan’ireo voantso hanao fanompoana. 14  Nalefan’i Solomona tany Libanona ireny, ka iray alina isam-bolana no niara-nalefany. Koa nijanona iray volana tany Libanona ireo, ary roa volana kosa tany an-tranony avy.+ I Adonirama+ no niandraikitra an’ireo voantso+ hanao fanompoana.+ 15  Ary i Solomona dia lasa nanana+ mpitondra entana+ fito alina sy mpipai-bato+ valo alina eny an-tendrombohitra,+ 16  ankoatra an’ireo andriana lehibem-paritra+ nampiasain’i Solomona mba hanara-maso ny asa, izany hoe ireo telonjato sy telo arivo lahy lehiben’ireo mpiasa+ am-perinasa. 17  Koa nasain’ny mpanjaka namaky vato izy ireo, mba hahazoana vato lehibe sady lafo vidy.+ Amin’izay dia ho vato voapaika+ no hatao fototr’ilay+ trano. 18  Koa nipai-bato ny mpanao tranon’i Solomona sy ny mpanao tranon’i Hirama ary ny Gebalita,+ sady nanomana ny hazo sy ny vato hanaovana ilay trano.

Fanamarihana