Mpanjaka Voalohany 6:1-38

  • Nanorina ny tempoly i Solomona (1-38)

    • Efitra anatiny indrindra (19-22)

    • Kerobima (23-28)

    • Sary sokitra, varavarana, tokotany anatiny (29-36)

    • Vita ny tempoly rehefa afaka fito taona teo ho eo (37, 38)

6  Nanomboka nanorina trano ho an’i Jehovah*+ i Solomona tamin’ny taona faha-480 taorian’ny nivoahan’ny Israelita* avy tany Ejipta,+ izany hoe tamin’ny taona fahefatra nanjakany teo amin’ny Israely, tamin’ny volana Ziva,*+ volana faharoa. 2  Toy izao ny refin’ilay trano naorin’i Solomona Mpanjaka ho an’i Jehovah: 60 hakiho* ny lavany, 20 hakiho ny sakany, ary 30 hakiho ny haavony.+ 3  Nisy tilikambo fidirana+ teo anoloan’ny tempoly.* Nirefy 20 hakiho mitovy amin’ny sakan’ilay trano ny lavany.* Folo hakiho ny sakany avy eo anoloan’ilay trano. 4  Nasiany varavarankely maromaro mihatery+ ilay trano. 5  Ary nanorina trano hafa manodidina an’ilay trano izy, ka nataony niankina tamin’ny rindrina manodidina ny tempoly* sy ny efitra anatiny indrindra+ izany. Ary nasiany efitrefitra ilay trano manodidina.+ 6  Dimy hakiho ny sakan’ilay efitrefitra farany ambany, enina hakiho ny sakan’ilay teo antenatenany, ary fito hakiho ny sakan’ilay fahatelo. Nanesorana kely mantsy ny rindrina manodidina an’ilay trano, mba tsy hisy zavatra hatsofoka ao anaty rindrina.+ 7  Vato efa voapaika no nanaovana an’ilay trano+ ka tsy nandrenesana feona marotoa, na famaky, na fitaovana vy, tao amin’ilay trano nandritra ny fanorenana. 8  Teo amin’ny lafiny atsimo amin’ilay* trano ny fidirana mankao amin’ny efitrefitra farany ambany.+ Ary tohatohatra miolakolaka no iakarana mankao amin’ny rihana eo antenatenany, sy avy eo antenatenany mankao amin’ny rihana faharoa. 9  Notohiziny ny fananganana an’ilay trano ka vita ilay izy.+ Notafoany vatan-kazo sedera sy hazo fisaka sedera milahadahatra ilay trano.+ 10  Nataony manodidina an’ilay trano ireo efitrefitra,+ ary dimy hakiho avy ny haavony. Hazo sedera no nanakambanana azy ireo tamin’ilay trano. 11  Tamin’izany fotoana izany, dia niteny tamin’i Solomona i Jehovah hoe: 12  “Raha manaraka ny lalàko sy manatanteraka ny didim-pitsarako ianao, ary mitandrina ny didiko rehetra ka manaraka an’izany,+ dia hotanterahiko aminao koa izay nampanantenaiko an’i Davida rainao+ momba an’io trano ataonao io. 13  Ary honina eo anivon’ny Israelita aho,+ ka tsy hahafoy ny Israely vahoakako.”+ 14  Notohizin’i Solomona ny fanorenana an’ilay trano mandra-pahavitany azy. 15  Hazo fisaka sedera no nandrakofany* ny rindrina anatiny tamin’ilay trano, nanomboka teo amin’ny gorodon’ilay trano ka hatreny amin’ireo hazo mitondra ny tafo. Ary hazo fisaka zenevrie no nataony gorodon’ilay trano.+ 16  Ary nanamboatra efitra mirefy 20 hakiho teny amin’ny faran’ilay trano izy. Hazo fisaka sedera no nanaovany azy, nanomboka teo amin’ny gorodona ka hatreny amin’ny hazo mitondra ny tafo. Ary tao anatin’izy io* no nataony ny efitra anatiny indrindra,+ izany hoe ny Masina Indrindra.+ 17  Nirefy 40 hakiho ilay tempoly,*+ izany hoe ny ampahany amin’ilay trano teo anoloany. 18  Noravahana sary sokitra voatango+ sy voninkazo mamelana+ ireo hazo sedera tao anatin’ilay trano. Hazo sedera daholo izy manontolo, ary tsy nisy vato tazana. 19  Nanomana an’ilay efitra anatiny indrindra+ tao amin’ilay trano izy, mba hametrahany an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah.+ 20  Nirefy 20 hakiho ny lavan’ilay efitra anatiny indrindra, 20 hakiho ny sakany, ary 20 hakiho ny haavony.+ Dia nopetahany takela-bolamena tsy misy fangarony ilay izy, ary nopetahany hazo sedera ny alitara.+ 21  Nopetahan’i Solomona takela-bolamena tsy misy fangarony ny aty trano.+ Dia nasiany rojo volamena teo anoloan’ilay efitra anatiny indrindra,+ izay nopetahany takela-bolamena. 22  Nopetahany takela-bolamena ilay trano manontolo, mandra-pahavitan’ilay trano. Nopetahany takela-bolamena koa ilay alitara+ manontolo teo akaikin’ny efitra anatiny indrindra. 23  Nanamboatra kerobima+ roa hatao ao amin’ny efitra anatiny indrindra izy. Hazo kesika* no nanaovany azy ireo, ary folo hakiho ny haavon’ny kerobima tsirairay.+ 24  Dimy hakiho ny elatra iray amin’ilay kerobima, ary dimy hakiho koa ny elatra ilany. Folo hakiho ny avy eo amin’ny tendron’ny elany iray ka hatreo amin’ny tendron’ny elany iray. 25  Folo hakiho koa ilay kerobima faharoa. Nitovy ny haben’ireo kerobima roa sy ny bikany. 26  Folo hakiho ny haavon’ny kerobima iray, ary hoatr’izany koa ilay kerobima iray. 27  Dia nataony tao amin’ilay trano anatiny* ireo kerobima.+ Nivelatra ny elatr’izy ireo, ka tonga hatrany amin’ny rindrina iray ny elatry ny kerobima iray, ary hatrany amin’ilay rindrina anankiray ny elatry ny kerobima iray. Nivelatra koa ireo elatra roa hafa ka nifampikasika teo afovoan-trano. 28  Ary nopetahany takela-bolamena ireo kerobima. 29  Nasiana sary sokitra kerobima+ sy hazo palmie+ ary voninkazo mamelana+ ny rindrin’ilay trano manontolo, dia ilay efitra anatiny sy ilay efitra ivelany. 30  Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodon’ireo efitra roa ireo. 31  Ary teo amin’ny fidirana mankao amin’ny efitra anatiny indrindra, dia nasiany varavarana roa vita tamin’ny hazo kesika, sy andry teo amin’ny andaniny roa, ary tolàna. Io no ampahadiminy.* 32  Hazo kesika no nanaovana an’ireo varavarana roa, ary nasiany sary sokitra kerobima sy hazo palmie ary voninkazo mamelana teo amin’izy ireo. Ary nopetahany takela-bolamena ireo varavarana, ka nokapokapohiny teo ambonin’ireo sarina kerobima sy sarina hazo palmie ilay takela-bolamena mba hametahana an’ilay izy. 33  Toy izany koa no nanaovany ny fidirana mankao amin’ny tempoly.* Nasiany tolàna vita tamin’ny hazo kesika ilay izy, ka ireo ny ampahefany.* 34  Ary nanamboatra varavarana roa vita tamin’ny hazo zenevrie izy. Misy lelavaravarana roa ny varavarana tsirairay, ary samy mihodina amin’ny savily ireo lelavaravarana ireo.+ 35  Nasiany sary sokitra kerobima sy hazo palmie ary voninkazo mamelana izany. Dia nopetahany takela-bolamena ireo sary ireo. 36  Nanao ny tambohon’ny tokotany anatiny+ izy, ka vato voapaika telo andalana sy vatan-kazo sedera iray andalana no nanamboarany azy.+ 37  Tamin’ny taona fahefatra, tamin’ny volana Ziva,* no napetraka ny fototry ny tranon’i Jehovah.+ 38  Ary vita ilay trano tamin’ny taona faha-11, tamin’ny volana Bola,* volana fahavalo. Vita tsara an-tsakany sy an-davany sy nifanaraka tamin’ny planina+ ilay izy. Fito taona no nanorenany an’ilay trano.

Fanamarihana

Na: “zanak’Israely.”
1 hakiho = 44,5 sm. Jereo F.F. B14.
Abt: “tempolin’ilay trano.”
Na: “sakany.”
Ny Masina no tiana holazaina eto.
Abt: “ankavanan’ilay.”
Abt: “nanorenany.”
Izany hoe tao anatin’ilay trano.
Izany hoe ny Masina, izay teo anoloan’ny Masina Indrindra.
Abt: “hazo menaka.”
Izany hoe ny Masina Indrindra.
Ny nanamboarana ny tolàm-baravarana angamba no tiana horesahina, na ny haben’ireo varavarana.
Ny Masina no tiana holazaina eto.
Ny nanamboarana ny tolàm-baravarana angamba no tiana horesahina, na ny haben’ireo varavarana.