1 Mpanjaka 7:1-51

7  Telo ambin’ny folo taona no nanaovan’i Solomona ny tranony,+ dia vitany tanteraka ilay izy.+  Dia nanao ny Trano Alan’i Libanona+ izy, ka nataony zato hakiho ny lavany, dimampolo hakiho ny sakany, ary telopolo hakiho ny haavony, teo ambonin’ny andry sedera nisy laharany efatra. Ary nisy vatan-kazo+ sedera teo ambonin’ireo andry.  Ary nopetahana takela-kazo sedera+ ilay trano, teo ambonin’ireo tsivalan-kazo izay teo ambonin’ny andry dimy amby efapolo. Nisy andry dimy ambin’ny folo ny laharana iray.  Natao telo andalana kosa ireo varavarankely nisy tolàna. Ary nisy lavaka maro fidiran’ny hazavana+ ilay trano, ary nifanandrify ireny sady nisy ambaratonga telo.  Ary nasiana sisiny efajoro ny fidirana sy ny tolàm-baravarana+ rehetra. Natao toy izany koa ny anoloan’ireo lavaka fidiran’ny hazavana, izay nifanandrify sady nisy ambaratonga telo.  Ary ny Lala-mitafo Maro Andry dia nataony dimampolo hakiho ny lavany ary telopolo hakiho ny sakany. Nisy lala-mitafo iray koa teo anoloan’ireo andry ireo, ary andry maro no nanohana azy. Ary nisy tafokely somary mivoaka koa teo anoloan’ireo andry.  Ary ny Lala-mitafon’ny Seza Fiandrianana,+ izay toerana hitsaran’i Solomona, dia nataony lala-mitafo fitsarana.+ Norakofana hazo sedera ilay izy, nanomboka teo amin’ny gorodona ka hatreny amin’ireo hazo mitondra ny tafo.+  Lavidavitra an’ilay trano anisan’ny Lala-mitafo kosa ny trano hipetrahan’i Solomona, izay nataony teo amin’ilay tokotany+ iray. Nitovy tamin’io trano io ihany ny nanaovana azy. Ary nisy trano sahala amin’io Lala-mitafo io naorin’i Solomona ho an’ny zanakavavin’i Farao,+ izay nalainy ho vady.  Ireo rehetra ireo dia natao tamin’ny vato lafo vidy,+ izay manara-drefy sy voapaika ary voatsofa tamin’ny tsofam-bato, na ny atiny na ny ivelany. Vato toy izany no nampiasaina, manomboka amin’ny fototra ka hatramin’ny tampon’ny rindrina, ary toy izany koa ny ivelany, hatramin’ilay tokotany lehibe.+ 10  Vato lehibe mirefy folo hakiho sy valo hakiho ireo vato lafo vidy natao fototra ireo. 11  Ary teo amboniny dia nisy vato lafo vidy sy manara-drefy ary voapaika, ary koa hazo sedera. 12  Ary manodidina an’ilay tokotany lehibe dia nasiany tamboho natao tamin’ny vato voapaika telo andalana+ sy vatan-kazo sedera iray andalana. Toy izany koa ilay tokotany anatiny,+ izay misy ny tranon’i+ Jehovah sy ny tilikambo fidirana mankao amin’io+ trano io. 13  Ary naniraka olona haka an’i Hirama+ avy any Tyro i Solomona Mpanjaka. 14  Zanaky ny vehivavy mpitondratena avy amin’ny fokon’i Naftaly i Hirama, fa avy any Tyro kosa ny rainy,+ izay mpanao asa varahina.+ Feno fahendrena sy fahiratan-tsaina+ ary fahalalana hoenti-manao asa varahina isan-karazany izy. Dia tonga tany amin’i Solomona Mpanjaka izy ka nanao ny asa rehetra nampanaoviny. 15  Dia nandrendrika varahina izy hanaovana ny andry roa:+ Valo ambin’ny folo hakiho avy ny haavony, ary tady roa ambin’ny folo hakiho vao nahodidina ny andry tsirairay.+ 16  Ary nanao loha andry roa tamin’ny varahina+ narendrika izy, mba hatao teo amin’ny tampon’ny andry: Dimy hakiho ny haavon’ny loha andry iray, ary dimy hakiho koa ny haavon’ny iray. 17  Ary nisy harato nifampidipiditra teo amin’ireo loha andry teo an-tampon’ny andry,+ sady nisy haingony niolanolana natao toy ny rojo.+ Harato fito no teo amin’ny loha andry iray, ary fito koa no teo amin’ny iray. 18  Ary nanao ampongabendanitra izy, ka nataony roa andalana manodidina, teo ambonin’ireo harato ireny, mba handrakotra ny loha andry teo an-tampon’ny andry. Ary nataony toy izany koa ny loha andry iray.+ 19  Ary ny loha andry teo an-tampon’ny andry, izay teo akaikin’ny tilikambo fidirana, dia nataony miendrika voninkazo lisy:+ Efatra hakiho ny refiny. 20  Ary teo an-tampon’ny andry roa ireo loha andry, sady teo akaikin’ilay kibony, izay voahodidin’ireo harato. Ampongabendanitra+ roanjato natao roa andalana no nanodidina ny loha andry tsirairay. 21  Ary natsangany ireo andrin’ny+ tilikambo fidirana mankao amin’ny+ tempoly. Natsangany ny andry ankavanana ary nantsoiny hoe Jakina. Avy eo dia natsangany ny andry ankavia ary nantsoiny hoe Boaza. 22  Nisy toy ny lisy teo an-tampon’ireo andry. Ary novitaina tsikelikely ny fanamboarana an’ireo andry. 23  Ary nanao fitoeran-drano lehibe, nantsoina hoe ranomasina varahina+ izy, ka folo hakiho ny savaivony. Boribory ilay izy, ary dimy hakiho ny haavony. Ary tady telopolo hakiho vao nahodidina azy.+ 24  Ary nisy haingony+ niendrika voatango+ teo ambany molony manodidina azy, ka voatango folo isaky ny iray hakiho no nanodidina an’ilay ranomasina.+ Roa andalana ilay haingony niendrika voatango sady niara-narendrika tamin’ilay ranomasina. 25  Nipetraka teo ambonin’ny omby+ roa ambin’ny folo ilay izy, ka omby telo nitodika nianavaratra, telo niankandrefana, telo nianatsimo, ary telo niantsinanana. Ilay ranomasina dia teo ambonin’ireo omby ireo, ary nifampiamboho izy rehetra.+ 26  Toy ny sakan’ny felatanana*+ ny hatevin’ilay ranomasina, ary natao sahala amin’ny molotry ny kaopy ny molony, tahaka ny felana+ lisy. Rano roa arivo bata*+ no natao tao anatiny.+ 27  Ary nanao kalesy+ varahina folo izy: Efatra hakiho ny lavan’ny kalesy tsirairay, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny haavony. 28  Toy izao no nanaovana an’ireo kalesy ireo: Nisy takela-barahina maromaro teo amin’izy ireo, ary teo anelanelan’ireo sisiny nifanapaka no nisy ireo takela-barahina ireo. 29  Nisy sarina liona+ sy omby+ ary kerobima+ teo amin’ireo takela-barahina izay teny anelanelan’ireo sisiny nifanapaka, ary nisy toy izany koa teo amin’ireo sisiny nifanapaka. Ary nisy sarim-boninkazo natohitohy+ natao haingony teo ambony sy teo ambanin’ny liona sy ny omby. 30  Nisy kodiarana varahina efatra ny kalesy tsirairay, ary varahina lavalava no ihodinan’ireo kodiarana. Ary ny zorony efatra tamin’ny kalesy no tohana nihazona an’ireo. Teo ambanin’ny koveta no nisy an’ireo tohana vita tamin’ny metaly narendrika, ary nisy sarim-boninkazo teo amin’ny tohana iray nankamin’ny tohana iray. 31  Ny refin’ny vavan’ilay koveta, manomboka ao anatiny ka hatramin’ireo tohany no ho miakatra dia ...* hakiho. Boribory ny vavany, ary iray hakiho sy sasany ny fipetrahany. Ary nisy sary sokitra koa teo amin’io vavany io. Efajoro ireo takela-barahina teo aminy, fa tsy boribory. 32  Teo ambanin’ireo takela-barahina no nisy ny kodiarana efatra, ary teo ambanin’ilay kalesy ny fitaovana nihazona an’ireo kodiarana. Iray hakiho sy sasany ny haavon’ny kodiarana tsirairay. 33  Sahala amin’ny kodiaran-tsarety+ no nanaovana ny kodiarany. Natao tamin’ny metaly narendrika daholo na ireo fitaovana nihazona azy na ny tena kodiarana na ny rantsany na ny ivon-kodiarana. 34  Ary nisy tohany efatra ny zorony efatra tamin’ny kalesy tsirairay. Tenany iray tamin’ny kalesy ireo tohany ireo. 35  Ary teo an-tampon’ny kalesy dia nisy boribory fipetrahan-javatra, antsasaky ny hakiho ny haavony. Ary teo an-tampon’ny kalesy no nisy ny tendany sy ireo takela-barahina, ary tenany iray tamin’ilay kalesy ireo. 36  Nisy zavatra manify napetaka teo amin’ny tendany sy teo amin’ireo takela-barahina. Samy nasiany sary sokitra+ ireo, dia sarina kerobima sy liona ary hazo palmie, arakaraka izay nisy nalalaka teo amin’ny tsirairay. Ary nasiana sarim-boninkazo natohitohy ny manodidina azy.+ 37  Toy izany no nanaovany ny kalesy folo:+ Nitovy daholo ny fomba nandrendrehana azy,+ sady nitovy refy sy bika. 38  Ary nanao koveta+ varahina folo izy: Rano efapolo bata no natao tao anaty koveta tsirairay. Efatra hakiho ny koveta tsirairay, ary nisy koveta iray avy teo ambonin’ny kalesy folo. 39  Kalesy dimy no napetrany teo ankavanan’ny trano, ary dimy teo ankavia.+ Ilay ranomasina kosa nataony teo ankavanan’ny trano, teo atsimoatsinanana.+ 40  Ary nataon’i Hirama+ tsikelikely ireo koveta+ sy lapelina+ ary vilia baolina.+ Farany, dia vitan’i+ Hirama ny asa rehetra nataony ho an’i Solomona Mpanjaka, momba ny tranon’i Jehovah: 41  Ny andry roa+ sy ny loha andry niendrika vilia baolina+ izay teo an-tampon’ny andry roa, sy ny harato+ roa nandrakotra ny loha andry boribory roa izay teo an-tampon’ireo andry, 42  sy ny ampongabendanitra+ efajato ho an’ny harato roa, ka ampongabendanitra roa andalana ho an’ny harato tsirairay mba handrakotra ny loha andry roa niendrika vilia baolina, izay teo ambonin’ny andry roa, 43  sy ny kalesy folo+ sy ny koveta folo+ teo amboniny, 44  sy ny ranomasina+ iray sy ny omby roa ambin’ny folo teo ambaniny,+ 45  sy ny fitoeran-davenona sy ny lapelina sy ny vilia baolina ary ny fitaovana rehetra,+ izay nataon’i Hirama tamin’ny varahina nokosehina hangirana. Nataony ho an’i Solomona Mpanjaka izany, ho an’ny tranon’i Jehovah. 46  Teo amin’ny Faritr’i Jordana+ no nandrendrehan’ny mpanjaka azy ireo, tao anaty lasitra tanimanga, teo anelanelan’i Sokota+ sy Zaretana.+ 47  Ary tsy nolanjain’i Solomona ny fitaovana rehetra,+ satria be dia be loatra.+ Tsy fantatra intsony izay lanjan’ny varahina.+ 48  Ary nataon’i Solomona tsikelikely ny fitaovana rehetra momba ny tranon’i Jehovah: Ny alitara+ volamena sy ny latabatra+ volamena fitoeran’ny mofo aseho, 49  sy ny fitoeran-jiro+ volamena tsy misy fangarony,+ dimy teo ankavanana ary dimy teo ankavia, teo anoloan’ny efitra anatiny indrindra, sy ny felan’ny+ fitoeran-jiro sy ny jiro+ sy ny fihazonana lahin-jiro,+ izay samy volamena, 50  sy ny koveta sy ny famonoan-jiro+ sy ny vilia baolina+ sy ny kaopy+ sy ny fitondrana afo,+ izay samy volamena tsy misy fangarony, ary ny vavin-tsavily ho an’ny varavaran’ny+ trano anatiny, izany hoe ny Masina Indrindra, sy ho an’ny varavaran’ny+ tempoly,+ izay samy volamena. 51  Farany, dia vita+ ny asa rehetra nataon’i Solomona Mpanjaka momba ny tranon’i Jehovah, ka nampidiriny tao ireo zavatra efa nohamasinin’i Davida rainy.+ Ary nataony tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah ny volafotsy sy ny volamena ary ny fitaovana hafa.+

Fanamarihana

Sakan’ny felatanana = 7,4 sm eo ho eo.
44 000 litatra eo ho eo.
Tsy nahitana tarehimarika teto tao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany.