1 Mpanjaka 8:1-66

8  Tamin’izany fotoana izany, dia novorin’i+ Solomona+ ny anti-panahin’ny+ Israely, sy ny lehibem-poko+ rehetra ary ny mpiadidy teo amin’ireo fianakaviambe,+ teo amin’ny zanak’Israely. Novorina tany amin’i Solomona Mpanjaka tany Jerosalema ireo, mba hampiakatra ny Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah, avy tany amin’ny Tanànan’i Davida,+ izany hoe Ziona.+  Koa nivory teo amin’i Solomona Mpanjaka ny olona rehetra teo amin’ny Israely tamin’ny fotoanan’ny fety,+ tamin’ny volana Etanima, izany hoe ny volana fahafito.+  Dia tonga daholo ny anti-panahin’ny Israely, ary ireo mpisorona kosa nilanja+ ilay Vata.+  Nentin’izy ireo niakatra ilay Vata masin’i Jehovah, sy ny tranolay+ fihaonana,+ ary ny fitaovana masina rehetra tao amin’ny tranolay. Ny mpisorona sy ny Levita+ no nitondra izany niakatra.+  Ary teo anoloan’ilay Vata i Solomona Mpanjaka sy ny vahoakan’Israely manontolo, izay tonga tamin’ilay fotoana nifanaovany taminy. Nanao sorona+ ondry sy omby be dia be tsy tambo isaina izy ireo.+  Dia nentin’ny mpisorona ilay Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, ka nataony teo amin’ny toerany,+ tao amin’ny efitra anatiny indrindra amin’ilay trano, tao amin’ny Masina Indrindra, teo ambany elatr’ireo kerobima.+  Nivelatra teo ambonin’ny toerana nisy an’ilay Vata ny elatr’ireo kerobima. Ary nanakona an’ilay Vata sy ireo bao filanjana azy ny kerobima, eny, nanakona azy avy eo ambony.+  Lava anefa ireo bao+ ka tazana ny tendrony raha avy teo amin’ny Masina, teo anoloan’ny efitra anatiny indrindra, fa tsy tazana kosa avy tany ivelany. Ary mbola ao ireo mandraka androany.+  Tsy nisy na inona na inona tao anatin’ilay Vata, afa-tsy ireo takela-bato+ roa napetrak’i+ Mosesy tao, tany Horeba, rehefa nanao fifanekena+ tamin’ny zanak’Israely i Jehovah, tamin’izy ireo nivoaka avy tany Ejipta.+ 10  Nameno ny tranon’i Jehovah ny rahona+ rehefa nivoaka avy tao amin’ny toerana masina ireo mpisorona. 11  Koa tsy nahajanona hanao ny fanompoany+ izy ireo+ noho ny rahona, fa feno ny voninahitr’i+ Jehovah ny tranon’i Jehovah.+ 12  Dia hoy i Solomona: “I Jehovah no efa nilaza fa honina ao amin’ny haizim-pito Izy.+ 13  Efa nahavita trano fonenana be voninahitra ho anao aho,+ dia toerana+ onenanao mandritra ny fotoana tsy voafetra.”+ 14  Dia nitodika ny mpanjaka, ka notsofiny rano+ ny fiangonan’Israely manontolo, raha mbola nitsangana izy ireo. 15  Ary hoy i Solomona: “Isaorana i Jehovah+ Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany no efa nilaza tamin’i Davida+ raiko, ary ny tanany no efa nanatanteraka izany!+ Hoy mantsy Izy: 16  ‘Hatramin’ny andro nitondrako ny Israely oloko nivoaka avy tany Ejipta, dia mbola tsy nisy tanàna nofidiko+ teo amin’ny foko rehetran’ny Israely, mba hanaovana trano+ hitoeran’ny anarako.+ Koa hifidy an’i Davida aho ho mpitarika ny Israely oloko.’+ 17  Ary mba nirin’ny fon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 18  Hoy anefa i Jehovah tamin’i Davida raiko: ‘Satria nirin’ny fonao ny hanorina trano ho an’ny anarako, dia tsara izany fanirian’ny fonao+ izany. 19  Tsy ianao anefa no hanorina ilay trano, fa ny zanaka haterakao* no hanorina ilay trano ho an’ny anarako.’+ 20  Ary nanatanteraka ny teniny i Jehovah+ mba hitsanganako handimby an’i Davida raiko sy hipetrahako eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely,+ araka izay efa nolazain’i Jehovah, sy mba hanaovako trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ 21  ary mba hisy hasiako an’ilay Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah tamin’ny razantsika, tamin’izy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.” 22  Ary nitsangana teo anoloan’ny alitaran’i+ Jehovah i Solomona, teo anatrehan’ny fiangonan’Israely manontolo, ka namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra,+ 23  ary hoy izy: “Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely+ ô, tsy misy Andriamanitra tahaka anao+ any amin’ny lanitra ambony na etỳ amin’ny tany ambany, fa manaja fifanekena ianao, ary maneho hatsaram-panahy feno fitiavana+ amin’izay manompo anao+ amin’ny fony manontolo.+ 24  Efa notanterahinao tamin’i Davida raiko mpanomponao ny fampanantenana nataonao taminy, ka izay nolazain’ny vavanao dia notanterahin’ny tananao, toy ny amin’izao anio izao.+ 25  Koa ankehitriny, ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho amin’i Davida raiko mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy hoe: ‘Hisy olona avy amin’ny taranakao foana eo anatrehako, dia olona hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely,+ raha mitandrina ny ataony ny taranakao ka mandeha eo anatrehako, tahaka ny nandehananao teo anatrehako.’ 26  Koa ankehitriny, ry Andriamanitry ny Israely ô, aoka re mba ho tanteraka ny fampanantenana+ nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao e! 27  “Andriamanitra anefa ve dia honina etỳ an-tany tokoa?+ Ny lanitra,+ eny, ny lanitry ny lanitra+ aza tsy omby anao,+ koa mainka fa ity trano+ naoriko ity! 28  Mitodiha ka henoy ny vavak’ity+ mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po,+ ry Jehovah Andriamanitro ô, mba handrenesanao ny fitalahoana sy ny vavaky ny mpanomponao eto anatrehanao androany.+ 29  Ary aoka ianao hijery+ an’ity trano ity andro aman’alina, eny, hijery an’ilay toerana nolazainao hoe: ‘Ho ao ny anarako’,+ ka hihaino ny vavaka ataon’ny mpanomponao manandrify an’ity toerana ity.+ 30  Henoy ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mitalaho famindram-po+ aminao, ka mivavaka manandrify an’ity toerana ity. Ary enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao,+ eny, mihainoa ka mamelà heloka!+ 31  “Raha misy olona manota amin’ny namany,+ ary asain’ilay namany miozona izy ka mety hihatra aminy tokoa ilay ozona+ nolazainy, nefa mbola tonga eo anoloan’ny alitaranao ato amin’ity trano ity ihany izy, 32  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any! Koa manaova zavatra ary tsarao ny mpanomponao, ka ambarao ho ratsy fanahy izay ratsy fanahy, ary atsingereno eo an-dohany ny nataony.+ Ambarao ho marina kosa izay marina+ ka valio araka ny fahamarinany izy.+ 33  “Raha resin’ny fahavalo ny Israely olonao+ satria nanota taminao,+ nefa miverina aminao tokoa izy,+ ary midera ny anaranao+ sy mivavaka+ ary mitalaho famindram-po aminao, ato amin’ity trano ity,+ 34  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka mamelà ny fahotan’ny Israely olonao,+ ary ampodio+ any amin’ny tany nomenao ny razany+ izy! 35  “Raha mihidy ny lanitra ka tsy misy orana+ satria nanota taminao izy ireo,+ nefa mivavaka manandrify an’ity toerana ity izy,+ ary midera ny anaranao sady miala amin’ny fahotany, satria tsy nitsahatra nampahory azy ianao,+ 36  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra any, ka mamelà ny fahotan’ny mpanomponao, eny, ny fahotan’ny Israely olonao, satria mampianatra+ azy ny lalana tsara tokony halehany ianao!+ Ary andatsaho orana+ ny taninao izay nomenao ho lovan’ny olonao. 37  “Raha misy mosary+ eo amin’ilay tany, na areti-mandringana,+ na mainan’ny rivotra mahamay sy tratran’ny aretin-javamaniry+ ny voly, na misy andiam-balala,+ na kalalao,+ na misy fahavalo manao fahirano ny olonao ao amin’ny tany misy ny vavahadiny, eny, rehefa mety ho loza na aretina, 38  ka mivavaka+ na mitalaho famindram-po+ ny olona na ny Israely olonao rehetra,+ satria samy mahalala ny fahorian’ny fony avy ny tsirairay,+ ka mamelatra ny tanany ho amin’ity trano ity+ izy, 39  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra+ fonenanao,+ ka mamelà heloka+ ary manaova zavatra,+ dia valio araka ny lalany avy ny tsirairay,+ satria ianao mahalala ny ao am-pony,+ fa ianao irery ihany no mahalala tsara ny ao am-pon’ny zanak’olombelona rehetra,+ 40  mba hatahorany+ anao amin’ny andro rehetra iainany eto amin’ity tany nomenao ny razanay ity!+ 41  “Raha misy koa vahiny,+ izay tsy anisan’ny Israely olonao, nefa tonga avy any an-tany lavitra noho ny amin’ny anaranao,+ 42  satria ho reny ny momba ny anaranao be voninahitra+ sy ny tananao mahery+ ary ny sandrinao nahinjitra, ka tonga mivavaka manandrify an’ity trano ity izy,+ 43  dia enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao,+ ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ny vahiny anao,+ mba hahafantaran’ny firenena rehetra eto an-tany ny anaranao,+ sy hatahorany anao toy ny atahoran’ny Israely olonao anao, ary hahafantarany fa ny anaranao no efa nantsoina teto amin’ity trano naoriko ity!+ 44  “Raha mivoaka hiady+ amin’ny fahavalony ny olonao, any amin’ny lalana andefasanao azy,+ ka mivavaka+ amin’i Jehovah manandrify ny tanàna nofidinao+ sy ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+ 45  dia henoy any an-danitra any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka omeo rariny izy.+ 46  “Raha manota aminao izy,+ fa tsy misy olombelona tsy manota,+ ka tezitra mafy aminy ianao ary avelanao ho azon’ny fahavalo izy, ka entin’ny mpamabo azy any amin’ny tanin’ny fahavalo, na lavitra na akaiky,+ 47  ary tonga saina izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo,+ ka miverina+ aminao sy mitalaho+ famindram-po aminao any amin’ny tanin’ny mpamabo azy,+ ka manao hoe: ‘Efa nanota+ sy diso+ izahay ary nanao ratsy’,+ 48  ary miverina aminao amin’ny fony manontolo+ sy ny heriny manontolo* izy, any amin’ny tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany, eny, ny tanàna nofidinao ary ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+ 49  dia henoy any an-danitra fonenanao+ ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po ka omeo rariny izy,+ 50  ary mamelà ny heloky+ ny olonao izay nanota+ taminao sy ny fahadisoana+ rehetra nataony taminao.+ Ataovy miantra+ azy ny mpamabo azy ka hangoraka azy, 51  fa olonao sy lovanao izy,+ izay nentinao nivoaka avy tany Ejipta,+ avy tao amin’ny fatana fandrendreham-by.+ 52  Koa aoka ny masonao hijery ny mpanomponao sy ny Israely olonao rehefa mitalaho famindram-po izy ireo,+ ary henoy izy amin’izay rehetra iantsoany anao.+ 53  Fa ianao, ry Jehovah Tompo Fara Tampony ô, no nanasaraka azy tamin’ny firenena rehetra eto an-tany mba ho lovanao,+ araka izay nolazainao tamin’ny alalan’i Mosesy+ mpanomponao rehefa nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta ianao.” 54  Raha vao vitan’i Solomona izany vavaka rehetra izany, eny, ny vavaka sy ny fitalahoany famindram-po tamin’i Jehovah, dia tsy nandohalika+ sy tsy namelatra ny tanany ho amin’ny lanitra+ intsony izy, fa nitsangana niala teo anoloan’ny alitaran’i Jehovah. 55  Nitso-drano+ ny fiangonan’Israely manontolo tamin’ny feo mafy i Solomona rehefa nitsangana,+ ka hoy izy: 56  “Hisaorana anie i Jehovah,+ izay nanome fiadanana ho an’ny Israely olony, araka izay rehetra nampanantenainy!+ Tsy nisy teny tsy tanteraka na dia iray aza+ tamin’ny zava-tsoa rehetra nampanantenainy tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony.+ 57  Homba antsika anie i Jehovah Andriamanitsika,+ tahaka ny nombany ny razantsika!+ Tsy handao antsika na hahafoy antsika anie izy,+ 58  mba hahatonga ny fontsika+ ho voasintona ho aminy, ka handehanantsika amin’ny lalany+ rehetra sy hitandremantsika ny didiny+ sy ny fitsipiny+ ary ny didim-pitsarany,+ izay nandidiany ny razantsika! 59  Hotsaroan’i+ Jehovah Andriamanitsika andro aman’alina anie ny teniko, tamin’izaho nitalaho famindram-po teo anatrehan’i Jehovah, mba homeny rariny izaho mpanompony sy ny Israely olony, araka izay hilana izany isan’andro,+ 60  mba ho fantatry+ ny firenena rehetra eto an-tany fa i Jehovah no tena Andriamanitra,+ ary tsy misy hafa!+ 61  Ary aoka ho amin’ny fo manontolo+ no hanompoanareo an’i Jehovah Andriamanitsika, ka mandehana araka ny fitsipiny ary tandremo ny didiny, toy ny amin’izao andro izao.” 62  Ary nanolotra sorona be dia be teo anatrehan’i Jehovah+ ny mpanjaka sy ny Israely rehetra niaraka taminy. 63  Nanolotra an’ireo sorona iombonana+ izay tokony hatolony ho an’i Jehovah i Solomona, dia omby roa arivo sy roa alina ary ondry roa alina sy iray hetsy,+ mba hitokanan’ny+ mpanjaka sy ny zanak’Israely rehetra ny tranon’i Jehovah. 64  Tamin’izay andro izay dia voatery nohamasinin’ny mpanjaka ny afovoan’ny tokotany teo anoloan’ny tranon’i Jehovah,+ satria teo no voatery nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ny sorona iombonana. Kely loatra mantsy ilay alitara varahina,+ izay teo anatrehan’i Jehovah, ka tsy antonona teo ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ireo+ sorona iombonana. 65  Ary nanao fety+ i Solomona tamin’izay, dia izy sy ny Israely rehetra, izay fiangonana lehibe+ avy any amin’ny sisin’ny faritr’i Hamata+ ka hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Ejipta.+ Nanao fety teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro, niampy fito andro,+ izany hoe efatra ambin’ny folo andro. 66  Ary tamin’ny andro fahavalo, dia nalefany ny vahoaka.+ Dia nitso-drano ny mpanjaka ny vahoaka, ary samy nandeha nody. Koa faly+ sy ravoravo erỳ ny fon’izy ireo,+ noho ny soa+ rehetra nataon’i Jehovah tamin’i Davida mpanompony sy ny Israely olony.

Fanamarihana

A.b.t.: “avy amin’ny andilanao.”
Na: “tenany manontolo.”