1 Mpanjaka 9:1-28

9  Raha vao vitan’i Solomona ny tranon’i+ Jehovah, sy ny tranon’ny mpanjaka,+ ary ny zavatra tsara rehetra niriny ka nahafinaritra azy ny nanao azy,+  dia niseho fanindroany taminy i Jehovah, sahala amin’ilay nisehoany taminy tao Gibeona.+  Ary hoy i Jehovah: “Efa reko ny vavakao+ sy ny fitalahoanao famindram-po teo anatrehako. Ary efa nohamasiniko+ ity trano nataonao ity ka nataoko ao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anarako,+ ary ho ao foana koa ny masoko+ sy ny foko.+  Fa ianao kosa, raha manompo+ ahy amin’ny fo manontolo+ sy amim-pahitsiana,+ toy ny nanompoan’i Davida+ rainao, ka manao izay rehetra nandidiako anao+ ary mitandrina ny fitsipiko+ sy ny didim-pitsarako,+  dia hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’ny fanjakanao eo amin’ny Israely, araka izay nampanantenaiko an’i Davida rainao hoe: ‘Hisy olona avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely.’+  Fa raha tsy manaraka ahy+ intsony ianareo sy ny zanakareo, ka tsy mitandrina ny didy sy ny lalàna nomeko anareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa+ sy miankohoka eo anatrehan’ireny,  dia haringako tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho eo anatrehako,+ ary ny Israely hatao teny fanarabiana+ sy teny fanesoana eo amin’ny firenena rehetra.  Ary ho lasa korontam-bato miavosa ity trano ity,+ ka hidanàka izay rehetra mandalo eo,+ ary hisioka sy hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany sy trano ity?’+  Dia hisy hilaza hoe: ‘Satria ry zareo nahafoy an’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra ny razany nivoaka avy tany Ejipta,+ ary nifikitra tamin’andriamani-kafa+ ka niankohoka teo anatrehan’ireny sady nanompo azy. Izany no nahatonga an’i Jehovah hamely azy ireo tamin’izao loza rehetra izao.’”+ 10  Rehefa tapitra ny roapolo taona nanorenan’i Solomona ny trano roa, izany hoe ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny mpanjaka,+ 11  dia nomen’i Solomona Mpanjaka tanàna roapolo tany Galilia+ i Hirama+ mpanjakan’i Tyro. Izy mantsy no nanampy an’i Solomona+ ka nanome azy hazo sedera sy hazo zenevrie ary volamena betsaka araka izay tiany.+ 12  Koa niainga avy any Tyro i Hirama mba hijery an’ireo tanàna nomen’i Solomona azy. Tsy tiany anefa ireny,+ 13  ka hoy izy: “Mba inona koa ireto tanàna nomenao ahy ireto, ry rahalahiko?” Ary nantsoina hoe Tany Kabola* ireny mandraka androany. 14  Efa nampanatitra talenta volamena+ roapolo amby zato tany amin’ny mpanjaka i Hirama, tamin’izay. 15  Ary nampanantsoin’i Solomona Mpanjaka ireo voantso hanao fanompoana,+ mba hanao ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranony ary ny Dongon-tany+ sy ny mandan’i+ Jerosalema, sy Hazora+ sy Megido+ ary Gazera.+ 16  I Farao mpanjakan’i Ejipta no niakatra namabo ny tanànan’i Gazera ary nandoro azy. Dia novonoiny ny Kananita+ nonina tao, ary nomeny an-janany vavy,+ vadin’i Solomona, ilay tanàna ho fanomezana fanaovam-beloma azy. 17  Ary naorin’i Solomona i Gazera, sy Beti-horona Ambany,+ 18  sy Baleta,+ sy Tamara tany an-tany efitra tao amin’ilay tany, 19  sy ny tanàna rehetra fitehirizana entana sy vokatra+ izay lasan’i Solomona, sy ny tanàna fanatobiana kalesy+ sy ny tanànan’ny mpitaingin-tsoavaly ary ireo zavatra tsara nirin’i Solomona+ haorina tao Jerosalema sy Libanona ary nanerana ny tany nanjakany. 20  Ary mbola nisy sisa tavela ny Amorita+ sy ny Hetita+ sy ny Perizita+ sy ny Hivita+ ary ny Jebosita,+ izay samy tsy anisan’ny zanak’Israely,+ 21  ka ny taranak’ireny, izay tsy voaringan’ny+ zanak’Israely fa mbola tavela teo amin’ilay tany, no nampanantsoin’i Solomona hanao asa an-terivozona, mandraka androany.+ 22  Tsy nisy tamin’ny zanak’Israely anefa nataon’i Solomona andevo.+ Fa izy ireo kosa dia miaramila mpiady sy mpanompon’i Solomona sy andrianany sy manamboninahitra lefitra sy lehiben’ny mpitondra kalesiny ary lehiben’ny mpitaingin-tsoavaliny.+ 23  Dimampolo sy dimanjato lahy ny mpiadidy ny lehibem-paritra, izay niandraikitra ny asan’i Solomona. Lehiben’ny mpiasa am-perinasa+ izy ireo. 24  Fa niakatra avy tao amin’ny Tanànan’i Davida+ kosa ny zanakavavin’i Farao,+ ka nankany amin’ilay trano naorin’i Solomona ho azy. Tamin’izay i Solomona no nanorina ny Dongon-tany.+ 25  Intelo+ isan-taona i Solomona no nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana, teo amin’ilay alitara naoriny ho an’i Jehovah.+ Ary nanolotra setroka ho sorona teo amin’ilay alitara+ teo anatrehan’i Jehovah izy. Dia namita ilay trano i Solomona.+ 26  Ary i Solomona Mpanjaka nanao sambo maromaro tao Eziona-gebera,+ izay teo akaikin’i Elota,+ teo amoron’ny Ranomasina Mena, tany Edoma.+ 27  Nalefan’i Hirama tamin’izany andian-tsambo izany ny mpanompony,+ izay tantsambo nahay ranomasina, mba hiaraka tamin’ny mpanompon’i Solomona. 28  Ary nankany Ofira+ ireo, ka naka talenta volamena+ roapolo sy efajato, ary nitondra izany tany amin’i Solomona Mpanjaka.

Fanamarihana

Na: “ilay Tany toy ny Tsinontsinona”, angamba “ilay Tany Nogejaina.”