1 Petera 1:1-25

1  Petera, apostolin’i+ Jesosy Kristy. Ho an’ny mpivahiny+ miely+ any Ponto, Galatia, Kapadokia,+ Azia, ary Bitynia, dia ianareo voafidy+  araka ny efa fantatr’Andriamanitra Ray mialoha,+ sy noho ny fanamasinan’ny fanahy,+ eny, voafidy mba hankatò sy hofafazana+ ny ran’i Jesosy Kristy.+ Hampitomboina anie ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy ny fiadanana ho azonareo!+  Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika,+ satria araka ny haben’ny famindram-pony, dia naterany indray+ ho amin’ny fanantenana velona+ isika, tamin’ny nananganana+ an’i Jesosy Kristy tamin’ny maty,  eny, naterany indray ho amin’ny lova tsy mety simba sy tsy misy loto ary maharitra,+ izay voatahiry any an-danitra ho anareo.+  Arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana ianareo,+ ho amin’ny famonjena+ izay efa vonona haharihary+ amin’ny fotoana farany.+  Izany no iravoravoanareo fatratra, na dia tsy maintsy ampalahelovina vetivety amin’ny fitsapana+ maro samihafa aza ianareo ankehitriny.  Amin’izay ny finoanareo vita sedra,+ dia ho hita fa hitondra fiderana sy voninahitra ary haja, rehefa haharihary+ i Jesosy Kristy. Ny finoana vita sedra tokoa mantsy dia sarobidy lavitra noho ny volamena, izay mety simba na dia voasedra tamin’ny afo+ aza.  Na mbola tsy hitanareo mihitsy aza i Kristy, dia tia azy ianareo.+ Ary na tsy hitanareo aza izy ankehitriny, dia mino azy ianareo, sady miravoravo fatratra amin’ny fifaliam-be tsy hay lazaina,  satria azonareo ilay vokatry ny finoanareo, dia ny famonjena anareo.+ 10  Momba izany famonjena izany indrindra no nanaovan’ny mpaminany famotopotorana tsara sy fikarohana lalina.+ Naminany+ momba ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa voatokana ho anareo+ izy ireny. 11  Nanadihady hatrany izy ireny hoe rahoviana+ na hanao ahoana ny fotoana voatondro momba an’i Kristy,+ araka izay notondroin’ny fanahy masina+ tao amin’izy ireny, rehefa nambaran’io fanahy io mialoha ny fijalian’i Kristy+ sy ny voninahitra+ aorian’izany. 12  Naharihary tamin’izy ireny fa tsy ho an’ny tenany+ ny fanompoana nataony, fa ho anareo kosa, ka nomeny anareo ireo zavatra ambara ankehitriny, izay nambaran’ireo+ nitory ny vaovao tsara taminareo tamin’ny alalan’ny fanahy masina+ nalefa avy any an-danitra. Ireny zavatra ireny indrindra no tena tian’ny anjely hodinihina tsara.+ 13  Koa hatanjaho hiatrika asa ny sainareo,+ ary aoka ianareo hisaina tsara foana.+ Aoka koa ianareo hanantena ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa+ izay hoentina ho anareo rehefa haharihary+ i Jesosy Kristy. 14  Zanaka mankatò ianareo, ka aza manaiky intsony hotarihin’ny+ fanirianareo taloha tamin’ny tsy fahalalanareo. 15  Masina ilay niantso anareo, ka aoka ho masina koa ianareo amin’ny fitondran-tena rehetra,+ 16  fa voasoratra hoe: “Aoka ho masina ianareo, satria masina aho.”+ 17  Mpitsara tsy miangatra+ ny Ray ary mitsara ny tsirairay araka ny asany avy. Koa raha izy no antsoinareo, dia aoka ianareo hitondra tena amin-tahotra+ mandritra ny andro fivahinianareo.+ 18  Fantatrareo mantsy fa tsy tamin’ny zavatra mety simba,+ na tamin’ny volafotsy na ny volamena, no nanafahana+ anareo tamin’ny fitondran-tena tsy mitera-boka-tsoa izay azonareo tamin’ny fampianarana nentin-drazana, 19  fa tamin’ny ra+ sarobidy kosa, tahaka ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsiny sy tsy misy pentina,+ dia ny ran’i Kristy mihitsy.+ 20  Marina fa efa fantatra mialoha i Kristy, talohan’ny nanorenana+ izao tontolo izao. Naseho anefa izy tamin’izao fotoana farany izao, noho ianareo.+ 21  Tamin’ny alalany no nahatongavanareo ho mpino an’Andriamanitra,+ dia ilay nanangana azy tamin’ny maty+ sy nanome voninahitra+ azy, mba hinoanareo sy hanantenanareo an’Andriamanitra.+ 22  Nanadio+ ny fiainanareo* ianareo rehefa nankatò ny fahamarinana, ka ny vokatr’izany, dia fitiavan-drahalahy tsy misy fihatsarambelatsihy,+ ary koa fifankatiavana fatratra amin’ny fo.+ 23  Nateraka indray+ mantsy ianareo, tsy tamin’ny voa+ mety lo,+ fa tamin’ny tsy mety lo,+ dia tamin’ny alalan’ny tenin’ilay+ Andriamanitra velona sady maharitra.+ 24  Fa “tahaka ny ahitra ny nofo rehetra, ary tahaka ny vonin’ny ahitra ny voninahiny rehetra.+ Malazo ny ahitra, ary mihintsana ny voniny,+ 25  fa ny tenin’i Jehovah kosa maharitra mandrakizay.”+ Izany ilay “teny”+ nambara+ ho vaovao tsara taminareo.

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.