1 Petera 2:1-25

2  Araka izany, dia esory ny faharatsiana rehetra,+ ny fitaka rehetra, ny fihatsarambelatsihy, ny fialonana, ary ny karazana fanaratsiana rehetra.+  Toy ny zaza+ menavava, dia ataovy izay haniriana fatratra ny ronono+ tsy misy fangarony, dia ny ronono ao amin’ny tenin’Andriamanitra, mba hampitomboan’izy io anareo ho amin’ny famonjena,+  raha efa nandramanareo fa tsara fanahy ny Tompo.+  Rehefa manatona azy ianareo, toy ny manatona vato+ velona izay nolavin’ny+ olona+ nefa voafidy sy sarobidy amin’Andriamanitra,+  dia aorina ho trano ara-panahy+ ianareo, izay vato velona koa, mba ho mpisorona masina, ka hanolotra sorona ara-panahy+ ankasitrahan’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.+  Fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: “Mametraka vato ao Ziona aho, dia vato voafidy, vato fehizoro sarobidy. Tsy hisy ho diso fanantenana mihitsy izay mino azy io.”+  Aminareo àry no sarobidy izy, satria mpino ianareo, fa amin’ny tsy mpino kosa, dia “ny vato nolavin’ny mpanao trano+ ihany no tonga vato fehizoro”,+  sy nanjary “vato mahatafintohina sy vatolampy mahalavo.”+ Mahatafintohina ny sasany izy ireny noho ny tsy nankatoavany ny teny. Efa voatendry ho amin’izany indrindra koa izy ireny.+  Ianareo kosa dia “firazanana voafidy, sady mpisorona no mpanjaka, firenena masina,+ olona nataon’Andriamanitra ho fananany manokana,+ mba hanambaranareo hatraiza hatraiza ny hatsaran-toetran’ilay”+ niantso anareo hiala tamin’ny maizina ho amin’ny fahazavany mahagaga.+ 10  Tsy firenena ianareo taloha, fa firenen’Andriamanitra kosa ankehitriny.+ Tsy namindrana fo ianareo, fa amindrana fo kosa ankehitriny.+ 11  Ry malala, mananatra anareo vahiny sy mpivahiny+ aho mba hifadianareo hatrany ny fanirian’ny nofo.+ Izany faniriana izany indrindra no misakana anareo tsy hahazo ny fiainana.*+ 12  Aoka ho tsara foana ny fitondran-tenanareo eo amin’izao tontolo izao,+ mba hanomezany voninahitra an’Andriamanitra amin’ny andro fanaraha-maso.+ Hanome voninahitra Azy tokoa izy ireo rehefa mahita ny asa tsara ataonareo,+ na dia nanendrikendrika anareo ho mpanao ratsy aza. 13  Noho ny Tompo, dia ekeo+ izay fahefana rehetra najoron’olombelona:+ Na mpanjaka+ izany, satria ambony izy, 14  na governora, satria nirahiny hanasazy ny mpanao ratsy ireny, fa hidera an’izay manao ny tsara kosa.+ 15  Fa ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanaovanareo izay tsara mba hampanginanareo ny vavan’ny* olona tsy misaina,+ izay miteny zavatra tsy fantany. 16  Aoka ho olona afaka+ ianareo, nefa aoka tsy ho fanaronana ny ratsy izany fahafahanareo izany,+ fa hanompoana an’Andriamanitra kosa.+ 17  Hajao ny karazan’olona rehetra,+ tiavo ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana,+ matahora an’Andriamanitra,+ hajao ny mpanjaka.+ 18  Aoka ny mpiasa an-trano hanaiky+ ny tompony amin’ny fahatahorana mendrika azy,+ tsy ny tompo tsara fanahy sy be fandeferana ihany fa ny sarotiny koa. 19  Fa raha misy olona mizaka fahoriana sy mijaly tsy ara-drariny, noho ny feon’ny fieritreretana eo anatrehan’Andriamanitra, dia ankasitrahana izany.+ 20  Fa inona moa no fahamendrehanareo raha manota ianareo ka mahazo tehamaina, ary miaritra an’izany?+ Fa raha manao ny tsara kosa ianareo ka mijaly noho izany,+ nefa miaritra, dia izany no ankasitrahan’Andriamanitra.+ 21  Ho amin’izany lalana izany tokoa mantsy no niantsoana anareo, satria na i Kristy aza nijaly ho anareo,+ ka nanome modely ho anareo mba hanarahanareo akaiky ny diany.+ 22  Tsy nanota izy,+ ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany.+ 23  Tsy mba nanevateva izy+ rehefa nisy nanevateva,+ ary tsy mba nandrahona rehefa nijaly,+ fa nanankina foana ny fiainany kosa tamin’ilay+ mitsara araka ny hitsiny. 24  Izy no nitondra ny fahotantsika+ tao amin’ny vatany, teo amin’ny tsato-kazo,+ mba ho afaka amin’ny ota isika+ ka hanao ny marina foana eo amin’ny fiainantsika. “Ny ratra taminy no nahasitrana anareo.”+ 25  Tahaka ny ondry nania+ mantsy ianareo taloha, nefa ankehitriny niverina tamin’ilay mpiandry+ sy mpiandraikitra anareo.*

Fanamarihana

Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.
A.b.t.: “hanisianareo fehivava.”
Na: “ny ainareo.” Gr.: psykè. Jereo F.F. 3A.