1 Petera 4:1-19

4  Koa satria nijaly tao amin’ny nofo i Kristy,+ dia ataovy koa izay hanananareo toe-tsaina toy izany.+ Efa nitsahatra tamin’ny ota+ mantsy ny olona nijaly tao amin’ny nofo,  mba tsy ho velona ho an’ny fanirian’olombelona intsony, fa ho velona hanao ny sitrapon’Andriamanitra+ kosa, amin’ny andro sisa hiainany ao amin’ny nofo.+  Ampy izay ny fotoana+ lasa nanaovanareo ny sitrapon’izao tontolo izao,+ fony ianareo niaina tao anatin’ny fitondran-tena baranahiny,+ sy ny filan-dratsin’ny nofo, sy ny fibobohana divay,+ sy ny lanonana feno filibana, sy ny fifaninanana misotro, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy araka ny lalàna.+  Koa satria tsy miara-mihazakazaka aminy intsony ho amin’izany honahonan’ny filibana izany ianareo,+ dia very hevitra izy ka manevateva anareo+ tsy misy farany.  Mbola hampamoahin’ilay+ vonona hitsara ny velona sy ny maty+ anefa ireny olona ireny.  Noho izao indrindra no nitoriana ny vaovao tsara tamin’ireo maty:+ Mba hotsaraina amin’ny nofo izy ireo, araka ny fomba fihevitr’olombelona,+ fa ho velona kosa amin’ny fanahy,+ araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra.  Efa manakaiky+ anefa ny faran’ny zava-drehetra. Aoka àry ianareo hisaina tsara,+ ary aoka ho mailo ka tsy hanao tsirambina ny vavaka.+  Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mifankatiava fatratra,+ satria manarona fahotana maro be ny fitiavana.+  Aoka ianareo ho tia mandray vahiny ka hifaneho izany toetra izany, tsy misy fimenomenonana.+ 10  Ampiasao mba hifanompoana izay rehetra nomena anareo, arakaraka izay noraisinareo tsirairay avy. Ianareo mantsy no mpanompo tsara miandraikitra ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Ary niseho tamin’ny fomba maro samihafa izany hatsaram-panahiny izany.+ 11  Raha misy miteny, dia aoka izy ho toy ny milaza fanambarana masin’Andriamanitra.+ Raha misy manompo,+ dia aoka izy hanompo sady hiantehitra amin’ny hery omen’Andriamanitra,+ mba homem-boninahitra amin’ny zava-drehetra Andriamanitra,+ amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Azy mandrakizay mandrakizay ny voninahitra+ sy ny hery! Amena. 12  Ry malala, aoka tsy hahavery hevitra anareo ilay afo mandoro eo aminareo, toy ny hoe zavatra hafahafa no manjo anareo. Natao hitsapana anareo mantsy izany afo izany.+ 13  Mifalia hatrany kosa aza,+ satria miombom-pijaliana amin’i Kristy+ ianareo, mba hifalianareo sy hiravoravoanareo mandritra ny fampiharihariana+ ny voninahiny. 14  Sambatra+ ianareo raha tevatevaina noho ny anaran’i Kristy,+ satria mitoetra aminareo ny fanahin’ny voninahitra, dia ny fanahin’Andriamanitra.+ 15  Aoka anefa tsy hisy aminareo hijaly+ satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka+ amin’ny raharahan’olona. 16  Fa raha misy mijaly+ satria Kristianina, dia aoka tsy ho menatra+ izy, fa aoka kosa hankalaza hatrany an’Andriamanitra amin’izany anarana izany. 17  Izao mantsy no fotoana voatondro hanombohan’ny fitsarana eo amin’ny ankohonan’Andriamanitra.+ Koa raha manomboka amintsika+ izany, hanao ahoana no hiafaran’ireo tsy mankatò ny vaovao tsaran’Andriamanitra?+ 18  “Raha ny olo-marina aza sarotra ny hahavoavonjy azy,+ hanao ahoana kosa ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra sy ny mpanota?”+ 19  Koa aoka àry ireo mijaly noho ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra hanankina foana ny fiainany amin’ilay Mpamorona mendri-pitokisana, eo am-panaovan’izy ireo ny tsara.+

Fanamarihana