1 Petera 5:1-14

5  Koa izao no ananarako an’ireo anti-panahy eo aminareo, fa izaho koa mba anti-panahy+ toa azy ireo, sady vavolombelon’ny+ fijalian’i Kristy no anisan’ny hahazo ilay voninahitra efa haharihary:+  Andraso+ ny andian’ondrin’Andriamanitra+ eo ambany fiandraiketanareo, tsy an-tery anefa, fa an-tsitrapo,+ ary tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina,+ fa amim-paharisihana kosa,  tsy manjakazaka+ amin’ny lovan’Andriamanitra,+ fa ho modely ho an’ny andian’ondry.+  Koa hahazo satroboninahitra+ tsy mety malazo+ ianareo rehefa hiseho ilay lehiben’ny mpiandry.+  Ary ianareo tanora koa, maneke+ ny zokiolona. Aoka ianareo rehetra samy hitafy fanetren-tena eo amin’ny fifandraisanareo,+ satria Andriamanitra manohitra ny manambony tena, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa kosa amin’ny manetry tena.+  Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony,+  ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy anareo,+ satria miahy anareo izy.+  Aoka ianareo hisaina tsara sy hiambina,+ satria ny Devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady olona harapaka.+  Tohero anefa izy+ ka manàna finoana matanjaka, satria fantatrareo fa ampitondraina fijaliana toy izany koa ny rahalahinareo rehetra ao amin’ny finoana, eran’izao tontolo izao.+ 10  Rehefa avy nijaly vetivety+ anefa ianareo, dia ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoa no hamita ny fampiofanana anareo, sy hanamafy orina+ anareo, ary hampahatanjaka+ anareo. Niantso anareo ho amin’ny voninahiny+ mandrakizay mantsy izy, noho ianareo tafaray+ amin’i Kristy. 11  Ho azy mandrakizay anie ny hery!+ Amena. 12  Nanoratra teny vitsivitsy+ ho anareo aho, tamin’ny alalan’i Silvano,+ izay rahalahy mendri-pitokisana, raha araka ny fiheverako azy. Eny, nanoratra aho mba hampaherezana anareo sy hanambarana marimarina fa izany no tena hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra. Miorena mafy amin’izany hatsaram-panahiny izany.+ 13  Mampamangy, hono, ianareo, hoy ilay* eto Babylona.+ Voafidy tahaka anareo izy. Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Marka+ zanako. 14  Mifampiarahabà amin’ny oroka fanehoam-pitiavana.+ Ho aminareo rehetra tafaray amin’i Kristy anie ny fiadanana!+

Fanamarihana

Vehivavy no lazaina amin’io teny grika io, angamba mba hanondroana ny fiangonana tany Babylona.