Samoela Voalohany 1:1-28

  • Elkana sy ireo vadiny (1-8)

  • Nivavaka mba hahazo zanakalahy i Hana satria tsy niteraka (9-18)

  • Teraka i Samoela ary nomena an’i Jehovah (19-28)

1  Nisy lehilahy efraimita atao hoe Elkana+ tao Ramataima-zofima,*+ any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima.+ Zanak’i Jerohama, zanak’i Eliho, zanak’i Toho, zanak’i Zofa izy io. 2  Nanana vady roa izy: Hana no anaran’ny iray, ary Penina no anaran’ny iray. Nanan-janaka i Penina, fa i Hana kosa tsy nanana. 3  Niakatra avy tao an-tanànany isan-taona io lehilahy io, mba hivavaka* amin’i Jehovah Tompon’ny tafika sy hanao sorona ho azy, tany Silo.+ Mpisoron’i Jehovah+ tany ny zanak’i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa.+ 4  Rehefa nanao sorona i Elkana indray andro, dia nomeny anjara maromaro i Penina vadiny sy ny zanak’izy io rehetra, na lahy na vavy.+ 5  I Hana kosa nomeny anjara manokana satria i Hana no tena tiany, saingy tsy nomen’i Jehovah zanaka izy.* 6  Ary nanesoeso azy foana ilay rafivaviny, amin’izay izy malahelo be satria hoe tsy nomen’i Jehovah zanaka. 7  Hoatr’izany foana isan-taona no nataon’ilay rafivaviny. Isaky ny niakatra nankany an-tranon’i Jehovah+ i Hana, dia nanesoeso be azy ilay rafivaviny, ka nitomany sy tsy nahahinan-kanina izy. 8  Fa i Elkana vadiny kosa niteny taminy hoe: “Hana a, maninona ianao no mitomany sady tsy mihinan-kanina? Fa maninona ianao no malahelo be?* Izaho ange eto e! Tsy tsara kokoa noho ny zanaka folo lahy ve aho?” 9  Ary nitsangana i Hana rehefa avy nihinana sy nisotro tao Silo izy ireo. Nipetraka teo amin’ny sezany teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tempolin’i*+ Jehovah i Ely mpisorona tamin’izay. 10  Nalahelo be mihitsy i Hana, ka nivavaka tamin’i Jehovah+ sady nigogogogo nitomany. 11  Dia nivoady izy hoe: “Ry Jehovah Tompon’ny tafika ô, raha mba jerenao ny fahorian’ny mpanomponao ka tsaroanao aho, ary tsy hadinoinao ny mpanomponao fa omenao zanakalahy,+ dia homeko an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany ary tsy hotapahina mihitsy ny volon-dohany!”*+ 12  Nivavaka ela teo anatrehan’i Jehovah i Hana, ary nodinihin’i Ely ny vavany tamin’izay. 13  Niteny anakampo i Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa tsy heno ny feony. Noheverin’i Ely fa mamo àry izy. 14  Dia hoy i Ely taminy: “Dia mandra-pahoviana izany ianao no ho mamo hoatr’izao? Ajanòny amin’izay ny fisotroana divay.” 15  Fa hoy ny navalin’i Hana: “Tsy izany mihitsy, tompoko, fa vehivavy miady saina be aho! Tsy nisotro divay na toaka aho, fa mamboraka ny ato am-poko amin’i Jehovah.+ 16  Aza heverina ho vehivavy tsy misy ilana azy re ny mpanomponao e! Fa be loatra ny fahoriako sy ny fijaliako, dia izany no mahatonga ahy hivavaka hatramin’izao.” 17  Dia hoy i Ely: “Mirary soa ho anao àry aho!* Homen’ilay Andriamanitry ny Israely anao anie izay nangatahinao taminy!”+ 18  Dia namaly i Hana hoe: “Enga anie ka hahazo sitraka aminao ny mpanomponao!” Dia lasa nandeha tany amin’izay nalehany izy ary nihinan-kanina, ka hita tamin’ny endriny fa tsy nalahelo be intsony izy. 19  Dia nifoha maraina izy ireo ka niankohoka teo anatrehan’i Jehovah, ary nandeha nody tany an-tranony tany Rama+ avy eo. Ary nanao firaisana tamin’i Hana vadiny i Elkana. Dia nahatsiaro an’i Hana i Jehovah.+ 20  Koa bevohoka i Hana ka tera-dahy rehefa afaka herintaona teo ho eo.* Nataony hoe Samoela* ny anarany,+ satria hoy izy: “Tamin’i Jehovah no nangatahako azy.” 21  Tatỳ aoriana, dia niara-niakatra tamin’ny ankohonany manontolo i Elkana, mba hanao ny sorona fanao isan-taona ho an’i Jehovah,+ sy hanolotra fanatitra fanefana voady. 22  I Hana kosa tsy niakatra,+ fa hoy izy tamin’ny vadiny: “Raha vao misara-nono ny zaza, dia hoentiko hiseho eo anatrehan’i Jehovah, ary hijanona any foana izy aorian’izay.”+ 23  Dia hoy i Elkana vadiny: “Ataovy izay hitanao fa mety. Mijanòna ato an-trano mandra-pahatongan’ny fotoana hampisarahanao nono azy. Hanatanteraka an’izay nolazainao anie i Jehovah!” Dia nijanona tao an-trano nampinono an-janany i Hana mandra-pahatongan’ny fotoana nampisarahany nono azy. 24  Raha vao nosarahi-nono ilay zaza, dia nentiny niakatra tany Silo, niaraka tamin’ny ombilahy telo taona sy lafarinina iray efaha* ary divay eran’ny siny lehibe.+ Dia nankao an-tranon’i Jehovah tao Silo+ izy, ary nentiny niaraka taminy ilay zazalahikely. 25  Dia novonoina ilay omby, ary ilay zaza kosa nentina tany amin’i Ely. 26  Ary hoy i Hana: “Azafady tompoko! Raha mbola velona koa ianao, tompoko, dia izaho ilay vehivavy niara-nijoro taminao teto amin’ity toerana ity, mba hivavaka tamin’i Jehovah.+ 27  Ny hahazoako an’ity zazalahy ity no nivavahako, dia nomen’i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.+ 28  Izaho indray kosa izao no mampindrana azy an’i Jehovah. Ampindramina an’i Jehovah izy mandritra ny androm-piainany.” Dia niankohoka teo anatrehan’i Jehovah teo izy.*

Fanamarihana

Na: “Zofita avy any Rama.”
Na: “hiankohoka.”
Abt: “nohidian’i Jehovah ny kibony.”
Na: “Inona no mankarary ny fonao?”
Izany hoe ny tranolay masina.
Abt: “tsy hokasihina hareza ny lohany.”
Abt: “Mandehana amim-piadanana!”
Midika hoe “Anaran’Andriamanitra.”
Na mety hoe “tamin’ny fotoana voatondro.”
22 litatra eo ho eo. Jereo F.F. B14.
Azo inoana hoe i Elkana io.