1 Samoela 10:1-27

10  Dia naka ny menaka tao anaty tavoara+ kely i Samoela, ka nandraraka izany teo amin’ny lohan’i Saoly sady nanoroka+ azy, ary niteny hoe: “Nohosoran’i Jehovah tokoa ianao, mba ho mpitarika+ eo amin’ny lovany.+  Rehefa miala eto amiko ianao anio, dia hahita lehilahy roa eo akaikin’ny fasan’i Rahely,+ ao Zelza any amin’ny faritanin’i Benjamina. Ary hilaza aminao izy ireo hoe: ‘Efa hita ireo ampondravavy notadiavinao, ary tsy ny ampondra+ intsony izao no eritreretin-drainao, fa ianareo indray no mampanahy azy, ka hoy izy: “Ahoana re no hataoko momba an’izay zanako izay e?”’+  Ary mandehana lavidavitra kokoa, hatrany amin’ilay hazobe ao Tabara. Dia hisy olona telo lahy hifanena aminao eo, hiakatra hitady an’Andriamanitra any Betela,+ ka ny iray mitondra zanak’osy+ telo, ny iray mitondra mofo boribory+ telo, ary ny iray kosa mitondra divay+ eran’ny siny lehibe.  Dia hanontany ny fahasalamanao+ izy ireo, ary hanome anao mofo roa. Koa raiso avy eny an-tanany izany.  Aorian’izay ianao dia ho tonga eo amin’ny havoanan’Andriamanitra,+ izay misy toby miaramilan’ny+ Filistinina. Koa rehefa tonga eo ianao, izany hoe rehefa ao an-tanàna, dia hifanena amin’ny mpaminany maromaro+ midina avy eny amin’ny toerana avo.+ Ary eo alohan’izy ireo hisy olona mitondra lokanga+ sy ampongatapaka+ sy sodina+ ary harpa,+ raha mbola miteny toy ny mpaminany izy ireo.  Ary hiasa aminao ny fanahin’i+ Jehovah, ka hiteny toy ny mpaminany+ miaraka amin’izy ireo eo ianao, sady hovana ho olom-baovao.  Rehefa mitranga aminao ireo famantarana+ ireo, dia ataovy izay azon’ny tananao atao,+ fa momba anao Andriamanitra.+  Ary midìna hialoha ahy any Gilgala,+ fa hidina hankany aminao aho mba hanolotra sorona dorana sy sorona iombonana.+ Dia miandrasa fito+ andro mandra-pahatongako any aminao, fa hampahafantariko anao izay tokony hataonao.”  Koa raha vao nihodina niala teo amin’i Samoela izy, dia novan’Andriamanitra ho hafa ny fony.+ Ary tanteraka daholo ireo famantarana+ ireo tamin’iny andro iny. 10  Dia lasa nankeny amin’ilay havoana izy ireo, ka nifanena tamin’ny mpaminany maromaro. Koa niasa tamin’i Saoly avy hatrany ny fanahin’Andriamanitra,+ ka niteny toy ny mpaminany+ teo amin’ireo izy. 11  Ary izay rehetra nahafantatra azy taloha, dia nahita azy naminany niaraka tamin’ny mpaminany. Koa nifampiresaka ny olona hoe: “Fa naninona ity zanak’i Kisy? Anisan’ny mpaminany koa angaha i Saoly?”+ 12  Ary nisy olona teo niteny hoe: “Fa iza no rain’ireo e?” Izany no nahatonga ilay fitenenana+ hoe: “Anisan’ny mpaminany koa angaha i Saoly?” 13  Farany, dia tsy niteny toy ny mpaminany intsony izy, ary tonga teny amin’ny toerana avo. 14  Ary hoy ny rahalahin-drain’i Saoly taminy sy tamin’ilay mpanompony: “Fa taiza ianareo?” Dia namaly izy hoe: “Nitady an’ireo ampondravavy+ izahay, ary nandeha nitady foana nefa tsy tany ireo ampondra. Koa nankany amin’i Samoela izahay.” 15  Dia hoy ilay dadatoan’i Saoly: “Mba lazao ahy izay nambaran’i Samoela taminareo!” 16  Koa hoy i Saoly taminy: “Nilaza marimarina taminay izy fa efa hita ireo ampondra.” Tsy noresahiny taminy anefa ny amin’ilay fanjakana nolazain’i Samoela.+ 17  Ary i Samoela namory ny vahoaka hankeo anatrehan’i Jehovah tao Mizpa,+ 18  ka niteny tamin’ny zanak’Israely hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely:+ ‘Izaho no nitondra ny Israely niakatra avy tany Ejipta,+ sy nanafaka anareo teo an-tanan’i Ejipta sy teo an-tanan’ireo fanjakana rehetra nampahory anareo.+ 19  Kanefa efa nolavinareo androany ny Andriamanitrareo,+ izay namonjy anareo tamin’ny loza sy ny fahoriana rehetra nanjo anareo. Dia mbola niteny ihany ianareo hoe: “Tsia, fa manendre mpanjaka hifehy anay.” Koa mijoroa eo anatrehan’i Jehovah, araka ny fizarazaranareo isam-poko+ sy isaky ny arivo.’” 20  Dia nampanatonin’i Samoela ny foko rehetran’ny Israely,+ ka ny fokon’i Benjamina no voafidy.+ 21  Ary nasainy nanatona araka ny fianakaviany avy ny fokon’i Benjamina, ka ny fianakavian’ny Matrita no voafidy.+ Farany, dia i Saoly zanak’i Kisy no voafidy.+ Ary notadiavin’ny olona izy, nefa tsy hita. 22  Koa nanontany+ an’i Jehovah indray izy ireo hoe: “Efa tonga eto ve ralehilahy e?” Dia hoy i Jehovah: “Io miafina+ ao amin’ny entana io izy.” 23  Koa nihazakazaka naka azy avy tao izy ireo. Ary rehefa nijoro teo afovoan’ny olona izy, dia lava be ka tsy nisy nihoatra ny sorony ny halavan’ny olona rehetra.+ 24  Dia hoy i Samoela tamin’ny olona rehetra: “Hitanareo ve ilay nofidin’i Jehovah,+ fa tsy misy tahaka azy amin’ny olona rehetra?” Koa nihorakoraka izy rehetra hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”+ 25  Dia nolazain’i Samoela tamin’ny vahoaka ny zo ara-dalàna ananan’ny mpanjaka,+ ka nosoratany tao amin’ny boky ary napetrany teo anatrehan’i Jehovah. Ary nalefan’i Samoela hody tany an-tranony avy ny olona rehetra. 26  Nody tany an-tranony tany Gibea+ kosa i Saoly. Ary niaraka taminy ireo lehilahy mahery fo, satria nanohina ny fon’izy ireo Andriamanitra.+ 27  Nilaza kosa anefa ireo lehilahy tsy manjary+ hoe: “Ahoana koa no hamonjen’ilehio antsika?”+ Dia nanamavo+ an’i Saoly izy ireo, ary tsy mba nitondra fanomezana ho azy.+ Tsy niteny mihitsy anefa i Saoly fa toy ny olona moana.+

Fanamarihana