1 Samoela 11:1-15

11  Ary niakatra i Nahasy Amonita+ ka nitoby hamely an’i Jabesy+ any Gileada. Dia hoy ny lehilahy rehetra tao Jabesy tamin’i Nahasy: “Manaova fifanekena aminay mba hanompoanay anao.”+  Ary hoy i Nahasy Amonita: “Hanao fifanekena aminareo aho raha toa ka hopotsirina+ daholo ny masonareo ankavanana, ka ataoko fanalam-baraka ny Israely rehetra izany.”+  Dia hoy ny anti-panahin’i Jabesy: “Omeo fito andro aloha izahay, fa handefa iraka any amin’ny faritra rehetran’ny Israely. Koa raha tsy misy mamonjy+ anay, dia hitolo-batana aminao izahay.”  Ary tonga tao Gibean’i+ Saoly ireo iraka, ka nilaza ireo teny ireo tamin’ny olona. Dia nidradradradra nitomany ny olona rehetra.+  Tamin’izay indrindra i Saoly no tonga avy any an-tsaha nandroaka omby, ka nanao hoe: “Fa maninona ny olona no mitomany?” Dia nolazain’izy ireo taminy ny tenin’ny olona avy ao Jabesy.  Nony ren’i Saoly izany teny izany, dia niasa taminy ny fanahin’Andriamanitra,+ ka tezitra mafy+ izy.  Dia naka omby roa izy, ka norasarasainy ary nampitondrainy an’ireo iraka ho any amin’ny faritra rehetran’ny Israely.+ Ary hoy izy: “Na iza na iza amintsika tsy mivoaka hanaraka an’i Saoly sy Samoela, dia toy izao no hatao amin’ny ombiny!”+ Koa natahotra mafy+ an’i Jehovah+ ny olona, ka niainga toy ny olona iray.+  Dia nisain’i Saoly+ tao Bezeka izy ireo, ka telo hetsy ny zanak’Israely, ary telo alina ny lehilahy anisan’ny fokon’i Joda.  Ary hoy izy ireo tamin’ireo iraka tonga teo: “Izao no holazainareo amin’ireo lehilahy ao Jabesy any Gileada: ‘Hisy famonjena ho anareo rahampitso, amin’ny mitataovovonana.’”*+ Dia tonga nilaza izany tamin’ireo lehilahy tao Jabesy ny iraka, ka faly ireo. 10  Koa hoy ireo lehilahy tao Jabesy tamin’ny Amonita: “Hitolo-batana aminareo izahay rahampitso, ka ataovy aminay izay hitanareo fa mety.”+ 11  Nozarain’i Saoly+ ho telo toko ny olona ny ampitso.+ Dia tafiditra tao an-toby izy ireo tamin’ny fiambenana maraina,+ ka namono an’ireo Amonita+ mandra-pahafanan’ny andro. Ary niparitaka izay sisa tavela tamin’ny Amonita ka tsy nisy tafaraka na roa monja aza.+ 12  Koa hoy ny olona tamin’i Samoela: “Iza no milaza hoe: ‘Saoly ve no ho mpanjakanay?’+ Atolory ireny olona ireny hovonoinay ho faty.”+ 13  Hoy anefa i Saoly: “Tsy misy olona hovonoina ho faty anio,+ satria androany i Jehovah no nanao famonjena teo amin’ny Israely.”+ 14  Hoy i Samoela tamin’ny olona nony avy eo: “Andao ho any Gilgala+ fa any isika no hanavao ny fanjakana.”+ 15  Koa nankany Gilgala ny olona rehetra. Ary tao i Saoly no nataony mpanjaka teo anatrehan’i Jehovah. Dia nanolotra sorona iombonana teo anatrehan’i Jehovah izy ireo tao,+ ka nifaly aoka izany+ i Saoly sy ny Israelita rehetra.

Fanamarihana

A.b.t.: “rehefa mahamay ny masoandro.”