1 Samoela 12:1-25

12  Farany, dia hoy i Samoela tamin’ny Israely rehetra: “Efa nohenoiko daholo ny teninareo tamiko,+ rehefa nilaza ianareo hoe tokony hanendry mpanjaka hitondra anareo aho.+  Koa io àry ilay mpanjaka mitarika anareo!+ Izaho kosa efa antitra+ sy fotsy volo,+ ary indreo ny zanako miaraka aminareo.+ Izaho efa nanompo an’Andriamanitra sy nitarika anareo, hatramin’ny fahazazako ka mandraka androany.+  Koa intỳ aho! Lazao eto anatrehan’i Jehovah sy ny voahosony+ raha misy iampanganareo ahy: Ombin’iza, na ampondran’iza no nalaiko?+ Iza no nambakaiko na nampahoriko? Avy tamin’iza no nandraisako tsolotra mba hanampenako ny masoko?+ Lazao fa honerako aminareo izany.”+  Dia hoy izy ireo: “Tsy nanambaka anay ianao, na nampahory anay, na nanaiky handray na inona na inona avy tamin’iza na iza.”+  Koa hoy izy tamin’ireo: “I Jehovah sy ny voahosony+ no vavolombelona androany, fa tsy naka na inona na inona taminareo aho.”+ Dia hoy izy ireo: “Eny, vavolombelona izy.”  Hoy koa i Samoela tamin’ny vahoaka: “I Jehovah no vavolombelona nampiasa an’i Mosesy sy Arona, sady nitondra ny razanareo niakatra avy tany Ejipta.+  Koa mitsangàna, fa hitsara anareo eo anatrehan’i Jehovah aho, ary hitantara aminareo ny zavatra ara-drariny+ rehetra nataon’i Jehovah taminareo sy ny razanareo.  “Raha vao tonga tany Ejipta i Jakoba,+ ary niantso vonjy tamin’i Jehovah ny razanareo,+ dia naniraka an’i Mosesy+ sy Arona i Jehovah mba hitarika ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta sy hampitoetra azy teto amin’ity toerana ity.+  Nanadino an’i Jehovah Andriamaniny anefa izy ireo,+ ka namidin’Andriamanitra+ teo an-tanan’i Sisera+ lehiben’ny tafik’i Hazora, sy teo an-tanan’ny Filistinina,+ ary teo an-tanan’ny mpanjakan’i Moaba.+ Ary niady tamin’izy ireo foana ireny. 10  Dia niantso vonjy tamin’i Jehovah izy ireo,+ ka nanao hoe: ‘Efa nanota izahay,+ fa nafoinay i Jehovah mba hanompoanay an’ireo Bala+ sy ireo sarin’i Astarta.+ Koa afaho+ eo an-tanan’ny fahavalonay izahay mba hanompoanay anao.’ 11  Dia naniraka an’i Jerobala+ sy Bedana sy Jefta+ ary Samoela+ i Jehovah, ka nanafaka anareo teo an-tanan’ny fahavalo manodidina, mba hahatonga anareo tsy hanana ahiahy.+ 12  Ary rehefa hitanareo fa tonga hanafika anareo i Nahasy+ mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia niteny tamiko foana ianareo hoe: ‘Tsia, fa tokony hisy mpanjaka hifehy anay.’+ I Jehovah Andriamanitrareo anefa no Mpanjakanareo+ hatramin’izay. 13  Koa io ny mpanjaka nofidinareo, izay nangatahinareo.+ Ary efa nanendry mpanjaka hifehy anareo i Jehovah.+ 14  Raha matahotra an’i Jehovah+ ianareo ka manompo azy+ tokoa ary mankatò ny teniny,+ sady tsy manohitra+ ny baikon’i Jehovah, dia homba anareo sy ny mpanjakanareo i Jehovah Andriamanitrareo. 15  Fa raha tsy mankatò ny tenin’i Jehovah+ kosa ianareo ka manohitra ny baikon’i Jehovah,+ dia hamely anareo sy ny rainareo tokoa ny tanan’i Jehovah.+ 16  Koa mijoroa, ka jereo izao zavatra lehibe ataon’i Jehovah eo imasonareo izao: 17  Tsy fotoana fijinjana varimbazaha+ ve izao? Hiantso+ an’i Jehovah anefa aho mba hampisy kotroka sy orana.+ Dia aoka ho fantatrareo sy ho hitanareo fa be dia be ny zava-dratsy nataonareo+ teo imason’i Jehovah, satria nangataka mpanjaka ho anareo ianareo.” 18  Dia niantso an’i Jehovah i Samoela,+ ary nampisy kotroka sy orana i Jehovah tamin’iny andro iny.+ Koa natahotra mafy an’i Jehovah sy Samoela ny vahoaka manontolo. 19  Ary hoy izy ireo tamin’i Samoela: “Mivavaha+ amin’i Jehovah Andriamanitrao ho anay mpanomponao, fa tsy te ho faty izahay. Fa nampianay indray ny fahotana rehetra efa vitanay, satria nanao ratsy izahay tamin’ny nangatahanay mpanjaka ho anay.” 20  Koa hoy i Samoela tamin’ny vahoaka: “Aza matahotra.+ Nanao izany zava-dratsy rehetra izany tokoa ianareo, fa izao fotsiny: Manaraha foana an’i Jehovah fa aza miala aminy,+ ary manompoa an’i Jehovah amin’ny fonareo manontolo.+ 21  Aza mivily hanaraka zava-poana+ izay tsy mahasoa+ sady tsy mahavonjy, satria zava-poana ireny. 22  Fa tsy hahafoy ny olony i Jehovah,+ noho ny amin’ny anarany be voninahitra,+ satria i Jehovah mihitsy no efa nanapa-kevitra hanao anareo ho olony.+ 23  Raha ny amiko kosa, dia sanatria ahy ny hanota amin’i Jehovah ka hitsahatra tsy hivavaka ho anareo.+ Tsy maintsy mampianatra+ anareo ny lalana tsara+ sy mahitsy aho. 24  Matahora+ fotsiny an’i Jehovah, ka manompoa azy amim-pahatsorana* sy amin’ny fonareo manontolo,+ satria jereo ange ireo zavatra lehibe nataony ho anareo e!+ 25  Raha sahy manao ratsy an-kitsirano kosa ianareo, dia ho ringana ianareo+ sy ny mpanjakanareo.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “amim-pahamarinana.”