1 Samoela 13:1-23

13  Ny taonan’i Saoly fony izy nanomboka nanjaka dia ....*+ Ary efa roa taona no nanjakany teo amin’ny Israely.  Dia nifidy telo arivo lahy tamin’ny Israely izy, ka ny roa arivo niaraka taminy tao Mikmasy+ sy teny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Betela, ary ny arivo niaraka tamin’i Jonatana+ tao Gibean’i+ Benjamina. Ny olona sisa kosa nalefany hody tany amin’ny tranolainy avy.  Ary i Jonatana namely ny toby miaramilan’ny+ Filistinina+ tao Geba,+ ka ren’ny Filistinina izany. Nasain’i Saoly notsofina nanerana an’ilay tany kosa ny anjombona,+ ka hoy izy: “Aoka ny Hebreo handre!”  Dia ren’ny Israely rehetra hoe: “Notafihin’i Saoly ny toby miaramilan’ny Filistinina, ka nanjary halan’ny+ Filistinina ny Israely.” Koa nantsoina avokoa ny olona mba hanaraka an’i Saoly ho any Gilgala.+  Ny Filistinina kosa niangona mba hiady tamin’ny Israely: Telo alina ny kalesin’adiny,+ enina arivo ny mpitaingin-tsoavaliny, ary maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina+ izy ireo. Niakatra izy ireo ka nitoby tao Mikmasy, eo atsinanan’i Beti-avena.+  Rehefa hitan’ny Israelita fa notandindomin-doza+ izy ireo satria voaterin’ny fahavalo, dia lasa niafina tany an-dava-bato+ sy tany an-tsefatsefaky ny harambato izy ireo, ary koa tany anaty vatolampy sy zohy ary lavaka fanangonan-drano.  Niampita ny Reniranon’i Jordana mihitsy aza ny Hebreo sasany,+ mba ho any amin’ny tanin’i Gada+ sy Gileada. Fa i Saoly kosa mbola tao Gilgala, ary tora-kovitra ny olona rehetra nanaraka azy.+  Dia niandry ihany izy nandritra ny fito andro, hatramin’ilay fotoana voatondro nolazain’i Samoela.+ Tsy tonga tao Gilgala anefa i Samoela, ary niparitaka tsikelikely nandao an’i Saoly ny olona.  Farany, dia hoy i Saoly: “Ento atỳ amiko ny sorona dorana sy ny sorona iombonana.” Dia nanolotra ny sorona dorana izy.+ 10  Raha vao vitany anefa ny fanolorana ny sorona dorana, dia iny fa tonga i Samoela. Koa nivoaka hitsena azy i Saoly sady niarahaba azy.+ 11  Ary hoy i Samoela: “Fa inona no nataonao?”+ Dia hoy i Saoly: “Hitako fa efa niparitaka nandao ahy ny olona,+ ary ianao tsy tonga tao anatin’ny andro voatondro,+ nefa ny Filistinina efa tafangona ao Mikmasy,+ 12  ka hoy aho anakampo:+ ‘Hidina hamely ahy eto Gilgala izao ny Filistinina, nefa izaho mbola tsy nampitony an’i Jehovah.’ Koa voatery nanolotra ny sorona dorana aho.”+ 13  Dia hoy i Samoela taminy: “Hadalana mihitsy izao nataonao izao.+ Tsy notandremanao ny didin’i+ Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao.+ Fa raha notandremanao izany, dia ho nataon’i Jehovah mafy orina teo amin’ny Israely ny fanjakanao nandritra ny fotoana tsy voafetra. 14  Koa izao dia tsy haharitra ny fanjakanao.+ Hahita lehilahy sitraky ny fony i Jehovah,+ ary hotendren’i Jehovah ho mpitarika+ ny vahoakany izy, satria ianao tsy nitandrina an’izay nandidian’i Jehovah anao.”+ 15  Ary niala tao Gilgala i Samoela, ka niakatra nankany Gibean’i Benjamina. Dia nisain’i Saoly ny olona mbola teo aminy, ka eninjato lahy teo ho eo izy ireo.+ 16  Ary nitoetra tao Geban’i+ Benjamina i Saoly sy Jonatana zanany mbamin’ny olona mbola niaraka tamin’izy ireo, fa ny Filistinina kosa nitoby tao Mikmasy.+ 17  Ary nivoaka avy tao amin’ny tobin’ny Filistinina ireo mpandroba, dia nanao telo toko,+ ka ny iray nihazo ny lalana mankany Ofra+ ho any amin’ny tany Soala, 18  ny iray nihazo ny lalan’i Beti-horona,+ ary ny fahatelo kosa nihazo ny lalana mankany amin’ny sisin-tany manatrika ny lohasahan’i Zeboima, tandrifin’ny tany efitra. 19  Tamin’izany dia tsy nahitana mpanefy teo amin’ny tanin’ny Israely manontolo, satria hoy ny Filistinina: “Sao manao sabatra na lefona ny Hebreo.”+ 20  Koa nidina tany amin’ny Filistinina ny Israelita rehetra mba handranitra lelan’angadinomby na lapìka na famaky na antsy fijinjana.+ 21  Pima* iray ny saran’ny fandranitana ny lelan’angadinomby, na ny lapìka, na ny fitaovana telo rantsana, na ny famaky, ary toy izany koa ny fametahana ny lohan’ny fanindronana omby.+ 22  Koa tsy nisy nanana sabatra+ na lefona ny olona niaraka tamin’i Saoly sy Jonatana tamin’ny andro niadiana, fa i Saoly+ sy Jonatana zanany ihany no nanana. 23  Ary nisy andia-miaramilan’ny+ Filistinina nivoaka nankeo amin’ny hadilanana ao Mikmasy.+

Fanamarihana

Tsy nahitana tarehimarika teto, tao amin’ny Soratra Hebreo tany am-boalohany.
Lanja taloha: volafotsy 8 g eo ho eo.