1 Samoela 14:1-52

14  Indray andro, dia hoy i Jonatana+ zanak’i Saoly, tamin’ilay mpanompo nitondra ny fiadiany: “Andao hiampita eny amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina, erỳ ampita erỳ.” Tsy niteniteny tamin-drainy anefa izy.+  Nitoetra tany amin’ny sisin’i Gibea+ i Saoly tamin’izay, teo ambanin’ilay ampongabendanitra naniry teo Migrona, ary nisy eninjato lahy teo ho eo niaraka taminy.+  I Ahia zanak’i Ahitoba,+ rahalahin’i Ikaboda,+ zanak’i Finehasa,+ zanak’i Ely+ mpisoron’i Jehovah tao Silo,+ no nitondra ny efoda.+ Ary tsy fantatry ny olona hoe lasa i Jonatana.  Nahita lalana hiampitana mba hanafihana ny toby mpitilin’ny+ Filistinina i Jonatana. Nisy harambato miendrika nify teo anelanelan’ireo lalana, ka ny iray teo amin’ny andaniny ary ny iray teo amin’ny ankilany. Bozeza no anaran’ny harambato iray ary Sene kosa no anaran’ny iray,  ka ny iray dia andry teo avaratra tandrifin’i Mikmasy,+ ary ny iray kosa teo atsimo tandrifin’i Geba.+  Ary hoy i Jonatana tamin’ilay mpanompony mpitondra fiadiana: “Andao hiampita erỳ amin’ny toby mpitilin’ireo lehilahy tsy mifora+ ireo. Angamba hanampy antsika i Jehovah fa tsy misy mahasakana an’i Jehovah tsy hamonjy, na maro na vitsy no ampiasainy.”+  Dia hoy ilay mpitondra fiadiana: “Izay ao am-ponao no ataovy. Ary mandehana any amin’izay tianao, fa vonona hanaraka anao aho araka izay sitraky ny fonao.”+  Ary hoy i Jonatana: “Hiampita hankeny amin’izy ireo isika, ka hiseho mba ho hitany.  Koa raha milaza amintsika ry zareo hoe: ‘Aza mihetsika mandra-pahatonganay eny aminareo!’, dia hijanona eo amin’izay misy antsika isika, fa tsy hiakatra hankeny aminy. 10  Raha milaza kosa izy hoe: ‘Miakara hiady aminay!’, dia hiakatra isika, satria hatolotr’i Jehovah eo an-tanantsika ireo. Izany no ho famantarana ho antsika.”+ 11  Dia niseho izy roa lahy mba ho hitan’ireo tao amin’ny toby mpitilin’ny Filistinina. Koa hoy ny Filistinina: “Ireny ny Hebreo fa nivoaka avy tany amin’ny lavaka niafenany.”+ 12  Dia niteny tamin’i Jonatana sy ilay mpitondra fiadiana ireo lehilahy tao amin’ny toby mpitily, hoe: “Miakara etỳ aminay, fa ataonay mahita faisana ianareo!”+ Tonga dia niteny tamin’ilay mpitondra fiadiana i Jonatana hoe: “Miakara manaraka ahy, fa hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ny Israely tokoa ireo.”+ 13  Nandady i Jonatana rehefa niakatra,+ ary nanaraka azy ilay mpitondra fiadiana. Dia lavo teo anoloan’i Jonatana ny Filistinina,+ fa ilay mpitondra fiadiana kosa no namono ho faty avy tao aoriany.+ 14  Lehilahy roapolo teo ho eo no matin’i Jonatana sy ilay mpitondra fiadiana, tamin’ny fandripahana voalohany teo amin’ny velaran-tany ampahefatry ny hektara teo ho eo. 15  Dia nihorohoro+ ny tao an-toby izay teny ambanivohitra, sy ny olona rehetra tao amin’ilay toby mpitily. Ny mpandroba+ koa aza nihorohoro. Ary nanomboka nihovotrovotra+ ny tany. Avy tamin’Andriamanitra daholo izany.+ 16  Dia nahatazana an’izany ny mpiambin’i Saoly tao Gibean’i+ Benjamina, ka hitany fa nisy sahotaka be eran’ilay toby.+ 17  Ary hoy i Saoly tamin’ireo olona niaraka taminy: “Mba isao kely ny olona, ka jereo hoe iza tamintsika no lasa.” Rehefa nanisa izy ireo, dia hitany fa tsy teo i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany. 18  Koa hoy i Saoly tamin’i Ahia:+ “Ento etỳ ny Vata masin’Andriamanitra!”+ Teo amin’ny zanak’Israely mantsy ny Vata masin’Andriamanitra tamin’iny andro iny.+ 19  Raha mbola niresaka tamin’ilay mpisorona+ i Saoly, dia vao mainka nitombo ny sahotaka teny an-tobin’ny Filistinina. Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpisorona: “Aoka ihany! Esory ny tananao.” 20  Ary nifamory i Saoly sy ny olona rehetra niaraka taminy,+ ka nankeny an’ady. Nifamely tamin’ny sabatra ny Filistinina+ teny, ka vaky nandositra tao anatin’ny fisavoritahana be. 21  Ary ny Hebreo izay niaraka tamin’ny Filistinina+ sy niara-niakatra tamin’izy ireo nankao an-toby sady niharoharo taminy tao, dia nanjary niandany tamin’ny Israely izay niaraka tamin’i Saoly sy Jonatana. 22  Ary ny lehilahy israelita rehetra niafina+ tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima, dia nandre fa nandositra ny Filistinina. Dia mba nanenjika an’ireny tany an’ady koa izy ireo. 23  Novonjen’i Jehovah+ ny Israely tamin’iny andro iny. Ary nitohy hatrany Beti-avena+ ny ady. 24  Efa reraka ireo lehilahy israelita tamin’iny andro iny, nefa i Saoly mbola nampianiana ny olona ihany,+ hoe: “Voaozona izay olona mihinan-kanina alohan’ny takariva, mandra-pamitako ny valifatiko+ amin’ny fahavaloko!” Dia tsy nisy nihinan-kanina ny olona.+ 25  Ary nankany an’ala ny olona rehetra tompon-tany. Nisy tantely+ nanerana ny faritra ambanivohitra, tamin’izay. 26  Nahita tantely nitete+ izy ireo rehefa tonga tao anaty ala, nefa tsy nisy na iray aza sahy nampiakatra ny tanany tao am-bavany, noho ny amin’ilay fianianana.+ 27  I Jonatana kosa tsy nandre an-drainy nampianiana ny olona.+ Koa narosony ny tendron’ilay tehina teny an-tanany ka natsobony tao amin’ny toho-tantely, ary nataony teo amin’ny vavany. Dia nihiratra ny masony.+ 28  Koa hoy ny iray tamin’ny olona: “Ny rainao efa nampianiana mafy ny olona hoe: ‘Voaozona izay mihinan-kanina anio!’”+ Efa nihareraka ny olona tamin’izay.+ 29  Ary hoy i Jonatana: “Nahatonga loza+ tamin’ny tanintsika ny raiko. Mba jereo ange ny fihiratry ny masoko rehefa nihinana an’iny tantely kely iny aho e!+ 30  Mainka fa raha nihinana+ tamin’ny zavatra nobaboina tamin’ireo fahavalony ny olona androany!+ Fa izao dia tsy betsaka loatra ny maty tamin’ny Filistinina.”+ 31  Ary tsy nitsahatra namely an’ireo Filistinina izy ireo tamin’iny andro iny, hatrany Mikmasy+ ka hatrany Aialona.+ Dia reraka be ny olona.+ 32  Ary nihazakazaka nandrombaka ny zavatra azo babo izy ireo,+ ka naka ondry sy omby ary zanak’omby, dia namono an’ireny teo amin’ny tany. Nanomboka nihinana an’ireny niaraka tamin’ny rany ny olona.+ 33  Koa nisy niteny tamin’i Saoly hoe: “Manota amin’i Jehovah ny olona, fa mihinan-javatra miaraka amin’ny rany.”+ Dia hoy i Saoly: “Efa nivadika ianareo. Manakodiava aloha vato lehibe etỳ amiko.” 34  Avy eo dia hoy izy: “Mieleza eny amin’ny olona ka teneno izy ireo hoe: ‘Samia mitondra ny ombiny sy ny ondriny etỳ amiko, ka vonoy sy hano eto ireny. Ary aza manota amin’i Jehovah ka mihinana an’ireny miaraka amin’ny rany.’”+ Koa samy nitondra ny ombiny ny olona rehetra tamin’iny alina iny, ary namono an’ireny teo. 35  Dia nanorina alitara+ ho an’i Jehovah i Saoly. Io no alitara voalohany naoriny ho an’i Jehovah.+ 36  Hoy i Saoly avy eo: “Andao hidina hanenjika ny Filistinina izao alina izao, ka handroba azy mandra-pahazavan’ny andro,+ ary hataontsika tsy misy miangana ireo na iray aza.”+ Dia hoy ny olona: “Ataovy izay hitanao fa mety.” Hoy kosa ny mpisorona: “Andao aloha hanatona an’Andriamanitra eto.”+ 37  Ary nanontany an’Andriamanitra i Saoly hoe: “Hidina hanenjika ny Filistinina ve aho?+ Hatolotrao eo an-tanan’ny Israely ve ireo?”+ Tsy namaly an’i Saoly anefa izy tamin’iny andro iny.+ 38  Koa hoy i Saoly: “Avia atỳ+ ianareo rehetra lehiben’ny vahoaka,+ ka jereo sy fantaro izay nahatonga izao fahotana androany izao. 39  Fa raha mbola velona koa i Jehovah, ilay Mpanafaka ny Israely, na dia i Jonatana zanako aza no ahitana izay nahatonga izao, dia ho faty tokoa izy.”+ Tsy nisy namaly azy anefa ny olona rehetra. 40  Hoy koa izy tamin’ny Israely rehetra: “Ianareo ho eo amin’ny andaniny iray, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho eo amin’ny andaniny iray.” Dia hoy ny olona tamin’i Saoly: “Ataovy izay hitanao fa mety.”+ 41  Ary hoy i Saoly tamin’i Jehovah: “Omeo anay ny Tomima,+ ry Andriamanitry ny Israely ô!” Dia voatana i Jonatana sy Saoly, fa ny olona kosa afaka.+ 42  Koa hoy i Saoly: “Manaova antsapaka+ hahitana izay ho voatana, na izaho na i Jonatana zanako.” Ary i Jonatana no voatana. 43  Dia hoy i Saoly tamin’i Jonatana: “Lazao ahy izay nataonao.”+ Koa hoy i Jonatana: “Nihinana tantely kely tokoa aho, tamin’ny tendron’ity tehina etỳ an-tanako ity.+ Koa intỳ aho! Aoka aho ho faty!” 44  Dia hoy i Saoly: “Hofaizin’Andriamanitra anie aho,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha tsy ho faty tokoa ianao,+ ry Jonatana!” 45  Hoy anefa ny olona tamin’i Saoly: “Ho faty ve i Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe+ teo amin’ny Israely izao? Sanatria izany!+ Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia ny singam-bolony iray aza.+ Fa niara-niasa tamin’Andriamanitra izy androany.”+ Toy izany no nanavotan’ny+ olona an’i Jonatana, ka tsy maty izy. 46  Koa tsy nanenjika ny Filistinina i Saoly, ary ny Filistinina nody tany amin’ny taniny.+ 47  Ary nanamafy orina ny fanjakany teo amin’ny Israely i Saoly,+ ka niady tamin’ny fahavalony rehetra manodidina, dia i Moaba,+ sy ny taranak’i Amona,+ sy Edoma,+ sy ireo mpanjakan’i Zoba,+ ary ny Filistinina.+ Nosaziny ireny, tany amin’izay rehetra nalehany.+ 48  Ary nampiseho herim-po hatrany izy,+ ka namely an’i Amaleka+ ary nanafaka ny Israely teo an-tanan’ny mpandroba azy. 49  Ary ireto avy ny zanakalahin’i Saoly: I Jonatana+ sy Jisvy ary Malkisoa.+ Ary ny anaran’ny zanany roa vavy dia Meraba,+ vavimatoa, sy Mikala,+ zandriny. 50  Ny anaran’ny vadin’i Saoly dia Ahinoama, zanak’i Ahimaza. Ny anaran’ny lehiben’ny tafiny dia Abnera,+ zanak’i Nera, dadatoan’i Saoly. 51  I Kisy+ no rain’i Saoly, ary i Nera+ rain’i Abnera dia zanak’i Abiela. 52  Ary nihamafy hatrany ny fanafihana an’ireo Filistinina, tamin’ny andron’i Saoly.+ Koa nalain’i Saoly izay lehilahy matanjaka na olona mahery fo hitany.+

Fanamarihana

A.b.t.: “Hataon’Andriamanitra amiko anie izany!”