1 Samoela 15:1-35

15  Dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: “Izaho no nirahin’i Jehovah hanosotra+ anao ho mpanjakan’ny Israely olony. Koa ankehitriny, henoy ny tenin’i Jehovah.+  Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika:+ ‘Hanao ampamoaka+ an’i Amaleka aho, noho ny namelezany ny Israely teny an-dalana fony izy ireo niakatra avy tany Ejipta.+  Koa mandehana, ka asio i Amaleka+ ary aringano+ tanteraka izy mbamin’izay rehetra azy. Aza mangoraka azy fa vonoy ho faty+ izy ireo, na lehilahy na vehivavy, na ankizikely na zaza minono,+ na omby na ondry, na rameva na ampondra.’”+  Koa novorin’i Saoly ny olona, dia nisainy tao Telaima,+ ka roa hetsy ny lehilahy nandeha an-tongotra, ary iray alina ny lehilahy anisan’ny fokon’i Joda.+  Dia tonga hatreo amin’ny tanànan’i Amaleka i Saoly, ka niafina teo akaikin’ny lohasaha falehan-driaka mba hanafika.  Ary hoy i Saoly tamin’ny Kenita:+ “Mandehana midina, ka mialà+ amin’ny Amalekita, mba tsy handringanako anao miaraka aminy. Fa naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny zanak’Israely rehetra ianao,+ fony izy ireo niakatra avy tany Ejipta.”+ Koa niala tamin’i Amaleka ny Kenita.  Avy eo, dia namely an’i Amaleka+ hatrany Havila+ ka hatrany Sora,+ tandrifin’i Ejipta, i Saoly.  Ary nataony sambo-belona i Agaga+ mpanjakan’i Amaleka, fa ny olon-kafa rehetra kosa naringany tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra.+  Ary i Saoly sy ny olona nangoraka an’i Agaga sy ny tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby+ ary izay matavy, mbamin’ny ondrilahy sy izay tsara rehetra, ka tsy tian’izy ireo haringana tanteraka ireny.+ Naringany tanteraka kosa ny zava-drehetra tsy nisy vidiny sy nailikilika. 10  Ary tonga tamin’i Samoela ny tenin’i Jehovah, hoe: 11  “Tena manenina aho+ noho ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, satria tsy nanaraka+ ahy intsony izy, sady tsy nanatanteraka ny teniko.”+ Ary nampahory an’i Samoela izany,+ ka nitaraina mafy tamin’i Jehovah izy ny alina manontolo.+ 12  Dia nifoha maraina i Samoela mba hihaona tamin’i Saoly. Nisy nilaza taminy anefa hoe: “Nankao Karmela+ i Saoly, ka nanorina tsangambato+ hahatsiarovana ny tenany, dia niverina ary niampita nidina nankany Gilgala.” 13  Farany, dia tonga tany amin’i Saoly i Samoela. Ary hoy i Saoly taminy: “Hotahin’i+ Jehovah anie ianao! Efa nanatanteraka ny tenin’i Jehovah aho.”+ 14  Hoy anefa i Samoela: “Koa inona izany feon’ny ondry aman’osy sy izany feon’omby reko izany?”+ 15  Dia hoy i Saoly: “Avy tany amin’ny Amalekita no nitondran’ny olona+ an’ireny, satria nangoraka ny tsara indrindra tamin’ny ondry aman’osy sy ny omby izy ireo, mba hatao sorona ho an’i Jehovah Andriamanitrao.+ Ny sisa kosa naringanay tanteraka.” 16  Ary hoy i Samoela tamin’i Saoly: “Aoka izay! Holazaiko aminao izay notenenin’i Jehovah tamiko halina.”+ Koa hoy izy taminy: “Lazao àry!” 17  Dia hoy i Samoela: “Tsy lasa lehiben’ireo fokon’ny Israely ve ianao, fony ianao nihevi-tena ho kely?+ Ary nanosotra+ anao ho mpanjakan’ny Israely i Jehovah. 18  Tatỳ aoriana, dia naniraka anao i Jehovah ka nilaza hoe: ‘Mandehana, atokàny haringana ireo mpanota,+ dia ny Amalekita. Ary miadia aminy mandra-pandringanao azy tanteraka.’+ 19  Koa nahoana no tsy nankatò ny tenin’i Jehovah ianao, fa nihazakazaka nandrombaka ny zavatra azo babo+ ka nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah?”+ 20  Dia hoy i Saoly tamin’i Samoela: “Nankatò ny tenin’i Jehovah ange aho e!+ Nataoko izay nanirahan’i Jehovah ahy, ary nentiko i Agaga+ mpanjakan’i Amaleka, fa i Amaleka kosa naringako tanteraka.+ 21  Ary naka ondry sy omby tamin’ny zavatra azo babo ny olona,+ ka ny tsara indrindra tamin’ny zavatra natokana haringana no nalainy mba hatao sorona+ ho an’i Jehovah Andriamanitrao eto Gilgala.”+ 22  Koa hoy i Samoela: “Ny fanatitra dorana sy sorona ve no sitrak’i Jehovah+ kokoa noho ny mankatò ny tenin’i Jehovah? Ny mankatò+ no tsara kokoa noho ny sorona,+ ary ny mihaino no tsara kokoa noho ny tavin’ondrilahy.+ 23  Fa ny mikomy+ dia mitovy amin’ny manao sikidy,+ izay fahotana, ary ny minia miana-kendry dia mitovy amin’ny mampiasa herin’ny maizina sy terafima.*+ Nanda ny tenin’i Jehovah+ ianao, ka laviny tsy ho mpanjaka.”+ 24  Ary hoy i Saoly tamin’i Samoela: “Efa nanota aho,+ satria nandika ny baikon’i Jehovah sy ny teninao. Natahotra ny olona+ mantsy aho ka nankatò ny teniny. 25  Mba avelao+ re ny fahotako e, ary miverena miaraka amiko mba hiankohofako+ eo anatrehan’i Jehovah.” 26  Hoy anefa i Samoela taminy: “Tsy hiverina hiaraka aminao aho, fa efa nanda ny tenin’i Jehovah ianao, ka lavin’i Jehovah tsy ho mpanjakan’ny Israely intsony.”+ 27  Ary raha vao nihodina handeha i Samoela, dia notazonin’i Saoly ny morontongotr’ilay akanjony tsy misy tanany, ka rovitra.+ 28  Dia hoy i Samoela: “Efa norovitin’i Jehovah hiala+ aminao ny fanjakan’ny Israely androany, ka homeny ho an’olona tsara kokoa noho ianao.+ 29  Ary tsy handainga+ ilay Hajaina Indrindra eo amin’ny Israely,+ sady tsy hanenina, satria tsy olombelona izy ka hanenina.”+ 30  Dia hoy i Saoly: “Efa nanota aho. Ary ankehitriny, mba omeo voninahitra+ eo anatrehan’ny anti-panahin’ny vahoakako sy eo anatrehan’ny Israely aho, ka miverena miaraka amiko, ary hiankohoka eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao aho.”+ 31  Koa niverina nanaraka an’i Saoly i Samoela, ary i Saoly niankohoka teo anatrehan’i Jehovah. 32  Hoy i Samoela nony avy eo: “Ento atỳ amiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka.” Koa natahotahotra i Agaga rehefa nankeo aminy, nefa niteny anakampo ihany hoe: “Efa niala tamiko ny ngidin’ny fahafatesana.” 33  Hoy anefa i Samoela: “Nataon’ny sabatrao+ fongana ny zanaky ny vehivavy, koa mba hatao fongana toy izany koa ny zanaky ny reninao,+ ka amin’ny vehivavy rehetra dia izy no ho fongana anaka indrindra.”+ Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Jehovah tao Gilgala i Agaga.+ 34  Ary lasa nankany Rama i Samoela, fa i Saoly kosa niakatra nankany an-tranony tao Gibean’i+ Saoly. 35  Ary i Samoela tsy nahita an’i Saoly intsony mandra-pahafatiny, nefa nalahelo+ noho ny amin’i Saoly izy. I Jehovah kosa nanenina noho ny nanaovany an’i Saoly ho mpanjakan’ny Israely.+

Fanamarihana

sampy.