1 Samoela 18:1-30

18  Raha vao avy niresaka tamin’i Saoly i Davida, dia nanjary niraiki-po be+ tamin’i Davida i Jonatana,+ ka tia azy toy ny tenany mihitsy.+  Nalain’i Saoly i Davida tamin’iny andro iny, ka tsy navelany hiverina tany an-tranon-drainy intsony.+  Ary nanao fifanekena i Jonatana sy Davida,+ satria tia azy toy ny tenany+ mihitsy i Jonatana.  Dia nesorin’i Jonatana ilay akanjo tsy misy tanany nanaovany, ka nomeny an’i Davida. Nomeny azy koa ny akanjony hafa, hatramin’ny sabany sy ny tsipìkany ary ny fehikibony.  Ary nanomboka nivoaka hiady i Davida. Malina+ foana izy na taiza na taiza nandefasan’i Saoly azy, ka nataon’i Saoly ho mpifehy an’ireo lehilahy mpiady.+ Dia sitraky ny olona rehetra sy ny mpanompon’i Saoly izany.  Rehefa avy namely ny Filistinina ry Davida ka tafaverina, dia nivoaka avy any amin’ny tanàna rehetran’ny Israely ireo vehivavy. Sady nihira+ izy ireo no nandihy tamin’ny feon’ampongatapaka+ sy mandôlinina, mba hitsena an’i Saoly mpanjaka tamim-pifaliana.+  Ary nanao hira nifamaly ireo vehivavy nitotorebika ireo hoe: “I Saoly nahafaty arivoarivo,Fa i Davida kosa nahafaty alinalina.”+  Dia tezitra be+ i Saoly. Tsy tiany mantsy izany teny izany, ka hoy izy anakampo: “Ny an’i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo. Ny fanjakana ihany sisa no tsy azony!”+  Dia niahiahy an’i Davida foana i Saoly nanomboka tamin’iny andro iny,+ ka hita tamin’ny fijeriny azy izany. 10  Ary nahazo an’i Saoly ilay fikorontanan-tsaina* avy amin’Andriamanitra+ ny ampitson’iny,+ ka nanao hoatran’ny mpaminany izy+ tao an-trano. Teo am-pitendrena zavamaneno i Davida tamin’izay,+ toy ny tamin’ny andro teo aloha. Ary teny an-tanan’i Saoly ny lefona.+ 11  Dia natorak’i Saoly ilay lefona+ sady niteny izy hoe: “Ataoko mifantsika amin’ny rindrina i Davida!”+ Kanjo nahay niala indroa izy.+ 12  Ary natahotra an’i Davida i Saoly+ satria nomba an’i Davida i Jehovah,+ fa ny tenany kosa efa nialany.+ 13  Koa nesorin’i Saoly tsy ho eo aminy i Davida,+ ka notendreny ho lehiben’ny arivo. Ary nitarika ny olona foana i Davida.+ 14  Malina+ foana izy tamin’izay rehetra nataony, ary nomba azy i Jehovah.+ 15  Dia hitan’i Saoly fa tena malina+ izy, ka natahorany. 16  Ary tia an’i Davida ny Israely rehetra sy ny Joda, satria izy no nitarika azy ireo. 17  Farany, dia hoy i Saoly tamin’i Davida: “Io i Meraba+ zanako vavimatoa. Izy no homeko ho vadinao,+ fa aoka fotsiny ianao hahery fo eo anatrehako ka hiady ny adin’i Jehovah.”+ Fa hoy i Saoly anakampo: “Aoka tsy ny tanako no hamely azy, fa ny tanan’ny Filistinina.”+ 18  Dia hoy i Davida tamin’i Saoly: “Zinona moa aho, ary inona eto amin’ny Israely moa ny havako sy ny fianakavian-draiko, no ho lasa vinanton’ny mpanjaka aho?”+ 19  Tamin’ny fotoana hanomezana an’i Meraba zanakavavin’i Saoly ho an’i Davida anefa, dia efa nomena ho vadin’i Adriela+ Meholatita+ izy. 20  Ary raiki-pitia tamin’i Davida i Mikala+ zanakavavin’i Saoly. Koa nolazaina tamin’i Saoly izany, ka sitrany. 21  Dia hoy i Saoly anakampo: “Homeko azy i Mikala mba hamandrihana azy,+ ka hamelezan’ny tanan’ny Filistinina azy.” Koa hoy i Saoly tamin’i Davida: “Ny iray amin’izy roa vavy no hahatonga anao ho vinantolahiko.”* 22  Nandidy ny mpanompony koa i Saoly hoe: “Resaho mangingina i Davida hoe: ‘Mankasitraka anao ny mpanjaka, ary lasa tia anao daholo ny mpanompony rehetra. Koa meteza ho lasa vinantolahin’ny mpanjaka.’”* 23  Dia nilaza izany teny izany tamin’i Davida ny mpanompon’i Saoly. Hoy anefa i Davida: “Heverinareo fa moramora angaha izany hoe lasa vinantolahin’ny mpanjaka izany? Izaho ange lehilahy mahantra+ sy tsy dia asian’ny olona vidiny+ e!” 24  Koa nitantara tamin’i Saoly ny mpanompony hoe: “Izany sy izany no tenin’i Davida.” 25  Ary hoy i Saoly: “Izao no holazainareo amin’i Davida: ‘Tsy vodiondry+ no sitraky ny mpanjaka, fa tsitsy*+ esorina amin’ny lehilahy filistinina zato, mba hampiharan’ny mpanjaka ny valifatiny+ amin’ny fahavalony.’” I Saoly anefa efa nitetika ny hahafatesan’i Davida eo an-tanan’ny Filistinina. 26  Dia nolazain’ny mpanompon’i Saoly tamin’i Davida izany teny izany, ka sitrak’i Davida ny ho lasa vinantolahin’ny mpanjaka.+ Koa raha mbola tsy tapitra ny fotoana nomena, 27  dia niainga i Davida sy ny olony ka lasa namono+ roanjato lahy teo amin’ny Filistinina. Dia nentin’i Davida ny tsitsy+ nesorina tamin’ireo Filistinina ireo ka nomeny ny mpanjaka, araka ny isany feno, mba hahatonga azy ho vinantolahin’ny mpanjaka. Koa nomen’i Saoly ho vadin’i Davida i Mikala zanany vavy.+ 28  Dia hitan’i Saoly fa nomba an’i Davida i Jehovah.+ Ary tia an’i Davida i Mikala zanakavavin’i Saoly.+ 29  Dia nihamafy ny tahotr’i Saoly an’i Davida, ka nanjary fahavalon’i Davida foana izy.+ 30  Ary nivoaka hiady ireo andrianan’ny+ Filistinina. Isaky ny nanao izany izy ireo, dia i Davida no malina indrindra+ tamin’ny mpanompon’i Saoly rehetra. Koa lasa nalaza be ny anaran’i Davida.+

Fanamarihana

A.b.t.: “fanahy ratsy.”
Na: “hanaovanao fifanarahana ara-panambadiana amiko.”
Na: “hanao fifanarahana ara-panambadiana amin’ny mpanjaka.”
Hoditra manarona ny loham-pilahiana.