1 Samoela 19:1-24

19  Tamin’ny farany, dia nilazan’i Saoly i Jonatana zanany sy ny mpanompony rehetra fa tiany hovonoina ho faty i Davida.+  I Jonatana zanak’i Saoly kosa anefa tia be an’i Davida.+ Koa hoy izy tamin’i Davida: “Mitady hamono anao i Saoly raiko. Koa mitandrema re rahampitso maraina e, ary mijanòna any amin’ny toerana tsisy mahita ka miafena.+  Izaho kosa hivoaka hijoro eo anilan’ny raiko any amin’ilay saha izay hisy anao, ka hiresaka amin’ny raiko momba anao. Dia ho hitako eo izay hitranga, ka holazaiko aminao.”+  Koa zavatra tsara momba an’i Davida no noresahin’i Jonatana+ tamin’i Saoly rainy, hoe: “Aoka ny mpanjaka tsy hanota+ amin’i Davida mpanompony, fa izy tsy nanota taminao ary tena nahasoa anao ny nataony.+  Fa nanao vivery ny ainy*+ izy namono an’ilay Filistinina,+ ka dia nanao famonjena lehibe+ ho an’ny Israely rehetra i Jehovah. Ary faly ianao nahita izany. Koa nahoana ianao no hanota ka handatsaka ran’olona tsy manan-tsiny, amin’ny famonoana an’i Davida+ tsy amin’antony?”+  Ary nihaino ny tenin’i Jonatana i Saoly ka nianiana hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia tsy hovonoina ho faty izy.”  Dia nantsoin’i Jonatana i Davida, ka nilazany izany teny rehetra izany. Ary nentiny teo amin’i Saoly i Davida, ka nitoetra teo anatrehan’i Saoly toy ny teo aloha indray.+  Nipoaka indray ny ady tatỳ aoriana. Dia nivoaka hiady tamin’ny Filistinina i Davida ary namely azy, ka be dia be no maty.+ Ary nandositra teo anoloany ny Filistinina.+  Ary nahazo an’i Saoly ilay fikorontanan-tsaina* avy amin’i Jehovah+ raha mbola nipetraka tao an-tranony izy, ary teny an-tanany ny lefony. I Davida kosa tamin’izay teo am-pitendrena zavamaneno. 10  Koa nikendry handefona an’i Davida hifantsika tamin’ny rindrina i Saoly,+ nefa nahay niala i Davida,+ ka ny rindrina no voany tamin’ny lefona. Dia nitsoaka i Davida mba tsy hiharan-doza tamin’iny alina iny.+ 11  Ary nisy olona nirahin’i Saoly+ mba hanao andry maso ny tranon’i Davida, sy hamono azy ho faty ny ampitso maraina.+ I Mikala vadin’i Davida kosa anefa nilaza taminy hoe: “Raha tsy mandositra izao alina izao ianao, dia hovonoina ho faty rahampitso.” 12  Koa nampidinin’i Mikala teo am-baravarankely avy hatrany i Davida, mba hitsoaka ka tsy hiharan-doza.+ 13  Dia nalain’i Mikala ny sarin’ny terafima*+ ka nataony teo am-pandriana, ary nasiany lamba makarakara vita tamin’ny volon’osy teo amin’izay tokony hisy ny lohan’i Davida. Dia norakofany lamba ilay sary. 14  Ary nandefa iraka hisambotra an’i Davida i Saoly, nefa hoy ravehivavy: “Marary izy.”+ 15  Koa nandefa an’ireo iraka hijery an’i Davida i Saoly, sady hoy izy: “Ento atỳ amiko eo ambony fandrianany izy, mba hovonoina ho faty.”+ 16  Nony niditra ireo iraka, dia ilay sarin’ny terafima no teo am-pandriana, ary lamba makarakara vita tamin’ny volon’osy no teo amin’izay tokony hisy ny lohan’i Davida. 17  Ary hoy i Saoly tamin’i Mikala: “Nahoana no namitaka+ ahy toy izao ianao, ka nandefa an’ilay fahavaloko+ mba hahafahany handositra?” Dia hoy i Mikala tamin’i Saoly: “Izy no nilaza tamiko hoe: ‘Avelao aho handeha, sao hovonoiko eo ianao!’” 18  Nitsoaka nandositra i Davida+ ka tonga tany amin’i Samoela tao Rama.+ Ary notantarainy tamin’i Samoela ny zava-drehetra nataon’i Saoly taminy. Dia lasa izy sy Samoela ka nitoetra tao Naiota.+ 19  Ary nisy nilaza tamin’i Saoly hoe: “Ao Naiota any Rama i Davida!” 20  Avy hatrany dia nandefa iraka hisambotra an’i Davida i Saoly. Rehefa nahita ny mpaminany zokiolona naminany ny iraka nalefan’i Saoly, sady nahita an’i Samoela nitarika an’ireny, dia tonga tamin’ireo iraka ny fanahin’Andriamanitra,*+ ka nanao hoatran’ny mpaminany+ koa ireo. 21  Rehefa nisy nilaza izany tamin’i Saoly, dia nandefa iraka hafa avy hatrany izy, nefa nanao hoatran’ny mpaminany koa ireo. Koa nandefa andiany fahatelo indray i Saoly, nefa mbola nanao toy izany koa ireo. 22  Farany, dia nankany Rama koa izy. Rehefa tonga teo amin’ilay lavaka lehibe fanangonan-drano tao Seko izy, dia nanontany hoe: “Aiza i Samoela sy Davida?” Dia hoy ny olona: “Ao Naiota,+ atsy Rama.” 23  Ary nanohy ny diany ihany izy nankany Naiota any Rama. Dia tonga taminy koa ny fanahin’Andriamanitra,+ ka nandeha ihany izy sady nanao hoatran’ny mpaminany, mandra-pahatongany tao Naiota any Rama. 24  Ary mba nanala ny akanjony koa izy sady nanao hoatran’ny mpaminany teo anatrehan’i Samoela, ka nandry nitanjaka* nandritra iny andro iny sy ny alina tontolo.+ Koa izany no nahatonga ilay fitenenana hoe: “Anisan’ny mpaminany koa angaha i Saoly?”+

Fanamarihana

A.b.t.: “nametraka ny ainy teo am-pelatanany.”
A.b.t.: “fanahy ratsy.”
sampy.
‘fanahy.’ Heb.: roah. Jereo F.F. 3B.
Na: “zara raha nitafy.”