Samoela Voalohany 2:1-36

  • Vavak’i Hana (1-11)

  • Fahotana nataon’ny zanak’i Ely roa lahy (12-26)

  • Notsarain’i Jehovah ny ankohonan’i Ely (27-36)

2  Dia nivavaka i Hana ka nilaza hoe: “Faly ny foko noho i Jehovah;+Asandratr’i Jehovah ny tandroko.* Misokatra be hamaly ny fahavaloko ny vavako,Satria faly aho noho ny asa famonjena nataonao.  2  Tsy misy masina toa an’i Jehovah,Tsy misy hoatr’anao,+Ary tsy misy vatolampy tahaka ny Andriamanitsika.+  3  Aza manao teny an’avona intsony;Aza avela hisy fireharehana ny teny havoakan’ny vavanareo,Fa Andriamanitry ny fahalalana+ i Jehovah,Ary izay atao dia tsarainy ara-drariny.  4  Tapatapahina ny tsipìkan’ny lehilahy matanjaka,Fa omena hery kosa izay mitady ho lavo.+  5  Tsy maintsy mikarama ireo zatra nisakafo be mba hahazoana sakafo,Fa ny noana kosa tsy noana intsony.+ Miteraka fito+ ny vehivavy tsy niteraka,Fa izay maro anaka kosa lasa manirery.*  6  I Jehovah no mamono mahafaty sy mitsimbina ny aina;*Izy no mampidina any amin’ny Fasana,* sy mampiakatra avy any.+  7  I Jehovah no mampahantra sy mampanan-karena;+Izy no mampietry sy manandratra.+  8  Izy no manangana ny olona ambany hiala amin’ny vovoka,Ary ampiakariny avy eo amin’ny lavenona misavovona* ny mahantra,+Mba hametrahany azy miaraka amin’ny andriana,Sy hanomezany azy toeram-boninahitra. An’i Jehovah ny andry manohana ny tany,+Ary apetrany eo ambonin’izy ireny ny tany lonaka.  9  Arovany ny dian’ny olona tsy mivadika aminy,+Fa ny ratsy fanahy kosa hataony mangina ao anaty haizina,+Satria tsy ny herin’ny tenany no ahafahan’ny olona mandresy.+ 10  Hopotipotehin’i Jehovah izay miady aminy;*+Hampirefotra kotroka avy any an-danitra+ izy mba hamelezana azy ireny. Hitsara hatrany amin’ny faran’ny tany+ i Jehovah,Hanome fahefana ny mpanjakany izy,+Ary hanandratra ny tandroky* ny voahosotra notendreny.”+ 11  Dia nandeha nody tany an-tranony tany Rama i Elkana, fa ilay zaza kosa lasa mpanompon’i* Jehovah+ teo anatrehan’i Ely mpisorona. 12  Ary ny zanakalahin’i Ely dia olona ratsy fanahy.+ Tsy niraharaha an’i Jehovah izy ireo. 13  Izao no nataon’izy ireo tamin’izay tokony ho anjaran’ny mpisorona avy tamin’ny vahoaka:+ Isaky ny nisy nanao sorona, dia tonga ny mpanompon’ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana.* Rehefa nandrahoina ny hena, 14  dia nalainy ilay fitrebika ka natsindrony tao anaty vilany, na tao anaty vilany misy tahony roa, na vilanibe, na vilany misy tahony iray. Izay azon’ny fitrebika dia nalain’ny mpisorona ho azy. Izany no nataon’izy ireo tao Silo, tamin’izay Israelita rehetra tonga tao. 15  Mbola tsy vitan’ilay olona nanao sorona akory ny nandoro ny tavin-kena mba hidona-tsetroka,+ dia efa nisy mpanompon’ny mpisorona tonga niteny taminy hoe: “Omeo hena hatsatsika ny mpisorona. Tsy mila hena nandrahoina avy aminao izy, fa hena manta ihany.” 16  Ary raha niteny taminy ilay olona hoe: “Aleo aloha hodorana mba hidona-tsetroka ny tavin-kena,+ vao haka an’izay tianao ianao”, dia hoy izy: “Tsy misy an’izany fa tonga dia omeo ahy izao dia izao ilay izy. Raha tsy izany dia halaiko an-keriny!” 17  Tena lehibe teo anatrehan’i Jehovah àry ny fahotana nataon’ireo mpanompo ireo,+ satria nanao tsinontsinona ny fanatitra ho an’i Jehovah ireo lehilahy ireo. 18  I Samoela kosa nanompo+ teo anatrehan’i Jehovah. Nanao efoda vita tamin’ny kofehy rongony*+ izy, na dia mbola zaza aza. 19  Nanjairan-dreniny akanjo kely tsy misy tanany koa izy isan-taona. Ary nentiny tany amin’i Samoela izany, rehefa niara-niakatra tamin’ny vadiny izy mba hanolotra ny sorona fanao isan-taona.+ 20  Dia nitso-drano an’i Elkana sy ny vadiny i Ely, ka niteny hoe: “Homen’i Jehovah zanaka avy amin’ity vehivavy ity anie ianao, ho solon’ilay nampindramina an’i Jehovah!”+ Dia lasa nody izy ireo. 21  Ary nangoraka an’i Hana i Jehovah ka nanan-janaka izy.+ Dia niteraka telo lahy sy roa vavy izy. Ary nihalehibe teo anatrehan’i Jehovah i Samoela kely.+ 22  Efa antitra be i Ely, ary efa henony daholo ny zavatra nataon’ny zanany lahy+ tamin’ny Israely rehetra. Henony koa hoe nanao firaisana tamin’ireo vehivavy nanompo teo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana+ izy ireo. 23  Izao foana no noteneniny tamin’ireo zanany ireo: “Fa maninona ianareo no manao an’izany foana? Ratsy ny zavatra henoko resahin’ny olon-drehetra momba anareo. 24  Tsy tsara mihitsy, anaka, ny zavatra henoko resadresahin’ny vahoakan’i Jehovah momba anareo. 25  Raha misy olona manota amin’ny olona anankiray, dia mbola misy olona afaka mangataka amin’i Jehovah mba hanampy azy.* Fa raha amin’i Jehovah kosa ny olona iray no manota,+ dia iza no hivavaka ho azy?” Tsy nety nihaino an-drainy anefa izy ireo, satria i Jehovah efa tapa-kevitra ny hamono azy ireo ho faty.+ 26  Ary nihalehibe i Samoela kely nandritra izany fotoana izany, sady nahazo sitraka tamin’i Jehovah sy ny olona.+ 27  Nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tany amin’i Ely, ka niteny hoe: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Tsy efa nampahafantatra tsara ny tenako tamin’ny ankohonan-drainao ve aho, tamin’izy ireo andevon’ny ankohonan’i Farao tany Ejipta?+ 28  Ary nofidina avy teo amin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely+ izy mba ho mpisorona ho ahy, sy hiakatra eo amin’ny alitarako+ ka hanao sorona sy hanolotra emboka manitra* ary hanao efoda eo anatrehako. Nomeko ho an’ny ankohonan’ny razambenao koa ny fanatitra rehetra atao anaty afo, izay atolotry ny Israelita.*+ 29  Koa nahoana ianareo no dia manao tsinontsinona* ny sorona sy ny fanatitra, izay nandidiako hoe hatolotra ho ahy ao an-tranoko?+ Fa maninona ianao no manome voninahitra foana ny zanakao mihoatra noho izaho, ka ny tsara indrindra amin’ny fanatitry ny Israely vahoakako no hanatavezanareo ny tenanareo?+ 30  “‘Noho izany, dia hoy i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Marina fa efa niteny aho hoe handeha eo anatrehako foana ny ankohonanao sy ny ankohonan’ny razambenao.”+ Ankehitriny anefa, dia izao no lazain’i Jehovah: “Tsy avelako hitranga intsony izany. Fa izay manome voninahitra ahy no homeko voninahitra,+ ary izay maniratsira ahy kosa hatao tsinontsinona.” 31  Ho avy ny andro hanafoanako ny herinao* sy ny herin’ny ankohonan-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra ao amin’ny ankohonanao.+ 32  Hahita fahavalo ao an-tranoko ianao rehefa manao soa amin’ny Israely aho.+ Ary tsy hisy lehilahy ho tratrantitra intsony mihitsy ao amin’ny ankohonanao. 33  Ny lehilahy anisan’ny taranakao izay havelako hanompo eo amin’ny alitarako dia handreraka ny masonao sy hitondra alahelo ho anao. Fa ny ankamaroan’ny olona ao amin’ny ankohonanao kosa hovonoin’ny olona amin’ny sabatra.+ 34  Ary ho famantarana ho anao izao zavatra hanjo an’i Hofinia sy Finehasa zanakao roa lahy izao: Andro iray ihany no hahafatesan’izy roa lahy.+ 35  Dia hifidy mpisorona mendri-pitokisana ho an’ny tenako aho.+ Hifanaraka amin’izay ao am-poko ny zavatra hataony. Hataoko izay hananany taranaka maharitra, ary ho mpisorona ho an’ny voahosotro foana izy. 36  Ary izay sisa tavela amin’ny ankohonanao, dia ho avy hiankohoka eo anatrehany mba hahazoana vola sy mofo. Dia hiteny izy ireo hoe: “Ampanaovy asan’ny mpisorona re aho, mba hahazoako mofo kely hohaniko e!”’”+

Fanamarihana

Na: “Omen’i Jehovah hery aho.” Jereo F.T.
Abt: “mihamalazo.”
Na: “mamelona.”
Jereo F.T.
Na mety hoe “fanariam-pako.”
Na mety hoe “Hihorohoro izay miady amin’i Jehovah.”
Na: “hanome hery.” Jereo F.T.
Na: “nanompo an’i.”
Vy fanindronana misy lohany maranitra telo.
Abt: “efoda rongony nasiana fehikibo.”
Na mety hoe “dia Andriamanitra no ho mpitsara hiaro azy.”
Na: “zanak’Israely.”
Na mety hoe “ka handoro fanatitra mba hidona-tsetroka.”
Abt: “mandaka.”
Abt: “sandrinao.”