Samoela Voalohany 20:1-42

  • Tsy nivadika tamin’i Davida i Jonatana (1-42)

20  Dia nandositra niala tao Naiota any Rama i Davida. Nankany amin’i Jonatana anefa izy ka nilaza taminy hoe: “Fa inona no nataoko?+ Inona no fahadisoako, ary inona no ratsy nataoko tamin’ny dadanao no mitady hamono ahy izy?” 2  Dia hoy i Jonatana: “Sanatria izany!+ Tsy ho faty izany ianao! Lazain’i Dada amiko daholo ange izay zavatra hataony e, na kely na lehibe. Inona moa no antony hanafenany an’izany amiko? Tsy hitranga mihitsy izany!” 3  Mbola nianiana ihany anefa i Davida ary niteny hoe: “Fantatry ny dadanao tsara fa mahazo sitraka aminao aho,+ dia mety ho nilaza izy hoe: ‘Aza atao fantatr’i Jonatana izany, sao ho tezitra izy.’ Raha mbola velona koa anefa i Jehovah, ary raha mbola velona koa ianao, dia tsoriko aminao fa indray mandingana sisa no manelanelana ahy amin’ny fahafatesana!”+ 4  Hoy àry i Jonatana tamin’i Davida: “Hataoko ho anao daholo izay teneninao.” 5  Dia hoy i Davida tamin’i Jonatana: “Tsinam-bolana+ rahampitso dia tokony hiara-misakafo amin’ny mpanjaka aho. Fa izao: Avelao aho handeha, dia hiafina any an-tsaha hatramin’ny rahafakampitso hariva. 6  Ary raha tsikaritry ny dadanao fa tsy eo aho, dia lazao hoe: ‘Niera tamiko i Davida mba handeha vetivety ho any an-tanànany any Betlehema,+ satria misy sorona fanao isan-taona hataon’izy mianakavy any.’+ 7  Raha miteny izy hoe: ‘Tsara izany!’, dia midika izany hoe tsy misy tokony hatahoran’ny mpanomponao. Fa raha tezitra kosa izy, dia minoa ianao fa efa masaka ao an-tsainy ny hanisy ratsy ahy. 8  Koa aza mivadika fa tiavo foana izaho mpanomponao,+ satria efa nampanaovinao fifanekena+ taminao teo anatrehan’i Jehovah ny mpanomponao. Raha meloka anefa aho,+ dia aleo ianao no hamono ahy ho faty. Fa maninona aho no hoentinao any amin’ny dadanao?” 9  Hoy àry i Jonatana: “Tsy hanao an’izany aminao aho! Raha fantatro fa ny hanisy ratsy anao no efa masaka ao an-tsain’i Dada, dia tsy holazaiko aminao ve izany?”+ 10  Ary hoy i Davida tamin’i Jonatana: “Dia iza no hilaza amiko hoe tezitra na tsia ny dadanao rehefa namaly anao?” 11  Hoy i Jonatana tamin’i Davida: “Andao ho any an-tsaha.” Dia nivoaka nankany an-tsaha izy roa lahy. 12  Ary hoy i Jonatana taminy: “I Jehovah Andriamanitry ny Israely anie no ho vavolombelona fa hofantariko tsara izay ao an-tsain’i Dada, rahampitso tokotokony ho hoatr’izao na rahafakampitso. Raha vonona hanisy soa an’i Davida izy, izaho ve dia tsy haniraka olona hampahafantatra an’izany anao? 13  Raha mitady hanisy ratsy anao kosa i Dada, dia hofaizin’i Jehovah anie aho,* raha tsy mampahafantatra an’izany anao sy mandefa anao soa aman-tsara. Hanampy anao anie i Jehovah,+ toy ny nataony tamin’i Dada!+ 14  Enga anie ianao ho tia ahy foana sy tsy hivadika amiko, hoatran’ny ataon’i Jehovah, raha mbola velona koa aho ary na dia rehefa maty aza.+ 15  Ho tianao foana koa anie ny ankohonako ary tsy hivadika aminy mihitsy ianao,+ na dia rehefa haringan’i Jehovah tsy ho etỳ ambonin’ny tany aza ny fahavalon’i Davida rehetra.” 16  Nanao fifanekena tamin’ny taranak’i Davida àry i Jonatana, ary nilaza hoe: “Hosazin’i Jehovah sy hataony ampamoaka ny fahavalon’i Davida.” 17  Koa nasain’i Jonatana nianiana indray i Davida noho ny fitiavany azy. Tiany toy ny tenany mihitsy mantsy izy.+ 18  Ary hoy i Jonatana taminy: “Tsinam-bolana+ rahampitso, ka ho hitan-dry zareo hoe tsy eo ianao satria ho banga ny toeranao. 19  Ary vao mainka ho hita be rahafakampitso hoe tsy eo ianao. Tongava eto, eto amin’ity toerana ity, ilay niafenanao tamin’ilay indray mandeha iny,* ary mijanòna eto akaikin’ity vato ity. 20  Handefa zana-tsipìka telo eo akaikin’io aho, ka ho hoatran’ny hoe mikendry zavatra. 21  Ary haniraka mpanompo aho ka hiteny hoe: ‘Mandehana tadiavo ireo zana-tsipìka.’ Raha milaza aminy aho hoe: ‘Jereo fa eny akaikinao eny ny zana-tsipìka, ka alaivo’, dia afaka miverina ianao. Raha mbola velona koa mantsy i Jehovah, dia midika ho fiadanana ho anao izany ary tsy misy atahorana. 22  Fa raha milaza amin’ilay ankizilahy kosa aho hoe: ‘Jereo fa any alohanao any ireo zana-tsipìka’, dia mandehana fa efa nandefa anao i Jehovah. 23  Ary raha ny momba an’ilay fianianana nifanaovantsika+ sy ianao, dia enga anie i Jehovah no ho vavolombelona eo amintsika mandrakizay!”+ 24  Niafina tany an-tsaha àry i Davida. Rehefa tsinana ny volana, dia naka toerana mba hisakafo ny mpanjaka.+ 25  Ary nipetraka teo amin’ny seza fipetrahany teo akaikin’ny rindrina ny mpanjaka. I Jonatana no nifanatrika taminy, ary i Abnera+ no nipetraka teo akaikin’i Saoly, fa banga kosa ny toeran’i Davida. 26  Ary tsy niteny na inona na inona mihitsy i Saoly tamin’iny andro iny, fa hoy izy anakampo: ‘Nisy zavatra nitranga angamba, dia tsy madio izy.+ Ie, tena izay mihitsy! Tsy madio izy.’ 27  Mbola banga ihany ny toeran’i Davida ny ampitson’ny tsinam-bolana, tamin’ny andro faharoa. Dia hoy i Saoly tamin’i Jonatana zanany: “Fa maninona no tsy tonga nisakafo+ ny zanak’i Jese, na omaly na androany?” 28  Namaly an’i Saoly i Jonatana hoe: “Niera tamiko i Davida hoe hankany Betlehema.+ 29  Niteny tamiko izy hoe: ‘Mba avelao aho handeha, fa misy sorona ataon’ny fianakavianay any an-tanàna, ary ny rahalahiko mihitsy no niantso ahy ho any. Raha mahazo sitraka aminao aho, dia mba avelao aho hitsoriaka kely hijery ny rahalahiko.’ Izany no antony tsy nahatongavany teto amin’ny latabatry ny mpanjaka.” 30  Dia tezitra be tamin’i Jonatana i Saoly, ka hoy izy taminy: “Ilay zanaky ny vehivavy mpikomy ity! Heverin’ialahy fa tsy fantatro angaha hoe iny zanak’i Jese iny no tohanan’ialahy? Ho afa-baraka amin’izany ialahy sy ny renin’ialahy!* 31  Raha mbola velona eto an-tany koa iny zanak’i Jese iny, dia tsy haharitra ialahy sy ny fanjakan’ialahy.+ Maniraha olona haka azy ary ento atỳ amiko izy, fa tsy maintsy hovonoina ho faty.”*+ 32  Niteny tamin’i Saoly rainy anefa i Jonatana hoe: “Fa maninona izy no tokony hovonoina ho faty?+ Fa inona no nataony?” 33  Dia notorahan’i Saoly lefona i Jonatana mba hamelezana azy.+ Fantatr’i Jonatana àry fa efa masaka tao an-tsain-drainy ny hamono an’i Davida ho faty.+ 34  Tonga dia nitsangana avy teo an-databatra i Jonatana sady tezitra be. Ary tsy nihinan-kanina izy tamin’iny andro iny, satria nalahelo be an’i Davida+ sady nalain’ny rainy baraka. 35  Nivoaka nankany an-tsaha i Jonatana ny ampitso maraina, mba hamonjy an’ilay fotoana nifanaovany tamin’i Davida. Ary nisy mpanompo tanora iray niaraka taminy.+ 36  Hoy izy tamin’ilay mpanompony: “Mihazakazaha dia mba tadiavo izay zana-tsipìka halefako.” Dia nihazakazaka ilay mpanompo, ary nalefan’i Jonatana tany alohany ny zana-tsipìka. 37  Rehefa tonga teny amin’ilay toerana nisy ny zana-tsipìka nalefan’i Jonatana ilay mpanompo, dia niantsoantso i Jonatana hoe: “Tsy mbola any alohanao any ve ilay zana-tsipìka?” 38  Mbola niantsoantso an’ilay mpanompo ihany i Jonatana hoe: “Haingana ianao! Mandehana haingana! Aza mitaraikiraiky!” Dia nalain’ilay mpanompon’i Jonatana ireo zana-tsipìka ary nentiny nankeny amin’ny tompony. 39  Tsy naharaka ny dikan’izay nitranga ilay mpanompo, fa i Jonatana sy Davida ihany no nahalala an’izany. 40  Dia nomen’i Jonatana an’ilay mpanompony ny fitaovam-piadiany, ary hoy izy taminy: “Mandehana, ento any an-tanàna ireto.” 41  Rehefa lasa ilay mpanompo dia nipoitra avy teo atsimo, tsy lavitra teo, i Davida. Ary nandohalika izy ka niankohoka tamin’ny tany intelo. Dia nifanoroka izy roa lahy ary samy nitomany, fa i Davida no tena nitomany be. 42  Ary hoy i Jonatana tamin’i Davida: “Mandehana ary mirary soa ho anao aho, fa efa samy nianiana+ tamin’ny anaran’i Jehovah isika hoe: ‘Enga anie i Jehovah no ho vavolombelona amiko sy aminao, ary amin’ny taranako sy ny taranakao, mandrakizay!’”+ Dia nitsangana i Davida ary lasa nandeha, fa i Jonatana kosa niverina tao an-tanàna.

Fanamarihana

Abt: “hataon’i Jehovah amin’i Jonatana anie izany, ary mihoatra noho izany aza.”
Abt: “tamin’ny andro fiasana.”
Abt: “Hahatonga henatra ho an’ialahy sy ho an’ny fitanjahan-drenin’ialahy izany.”
Abt: “fa zanaky ny fahafatesana.”