1 Samoela 21:1-15

21  Tonga tao amin’i Ahimeleka mpisorona tany Noba+ i Davida, tatỳ aoriana. Dia nihorohoro i Ahimeleka+ rehefa nahita an’i Davida, ka niteny hoe: “Nahoana ianao no mandeha irery, fa tsy misy miaraka aminao?”+  Ary hoy i Davida tamin’i Ahimeleka mpisorona: “Ny mpanjaka no nandidy ahy hikarakara raharaha iray,+ ka niteny tamiko hoe: ‘Aoka tsy hisy hahalala mihitsy ny momba izao raharaha anirahako anao sy andidiako anao izao.’ Ary manao fotoana amin’ireo tovolahy any Ananona aho.  Koa raha misy mofo dimy ao aminao, dia mba omeo ahy. Na izay misy ao omena ahy.”+  Hoy anefa ilay mpisorona: “Tsy misy mofo tsotra eto am-pelatanako, fa mofo masina+ ihany. Homeko izany raha toa ka tsy nikasi-behivavy ireo tovolahy.”+  Ary hoy i Davida tamin’ilay mpisorona: “Efa tsy nikasi-behivavy mihitsy izahay, toy ny tamin’izaho nivoaka niady teo aloha ihany.+ Ary na raharaha tsotsotra aza no anirahana an’ireo tovolahy, dia efa masina foana ny tenany, koa mainka fa androany amin’izao fanirahana manokana izao?”  Dia nomen’ilay mpisorona azy ny zava-masina.+ Tsy nisy mofo mantsy tao, afa-tsy ny mofo aseho izay efa nesorina teo anatrehan’i Jehovah+ tamin’ny andro fanesorana azy, mba hametrahana mofo vaovao.  Ary teo ny iray tamin’ny mpanompon’i Saoly tamin’iny andro iny, fa voatana+ teo anatrehan’i Jehovah izy. Doega+ no anarany, Edomita+ izy, ary lehiben’ny mpiandry ondrin’i Saoly.+  Hoy koa i Davida tamin’i Ahimeleka: “Ary tsy misy lefona na sabatra ve ato aminao? Fa tsy nisy voaraiko na ny sabatro na ny fitaovam-piadiako, satria maika ny raharahan’ny mpanjaka.”  Dia hoy ilay mpisorona: “Ny sabatr’i Goliata+ Filistinina, izay novonoinao teo amin’ny lemaka ivan’i Elaha,+ no ao. Mifono lamba fitafy ilay izy, ao ambadiky ny efoda.+ Raha iny no hoentinao, dia ento, satria tsy misy afa-tsy iny ato.” Ary hoy i Davida: “Tsy misy tahaka an’iny, fa omeo ahy iny.” 10  Dia lasa i Davida tamin’iny andro iny, ary mbola nandositra+ ihany izy noho ny amin’i Saoly, ka tonga tany amin’i Akisy mpanjakan’i Gata.+ 11  Ary hoy ny mpanompon’i Akisy: “Tsy io ve ilay Davida mpanjakan’ity+ tany ity? Tsy noho izy ve no nahatonga ny olona handihy+ sy hanao hira mifamaly hoe:‘I Saoly nahafaty arivoarivo,Fa i Davida kosa nahafaty alinalina’?”+ 12  Ary nandatsaka izany teny izany tao am-pony i Davida, ka raiki-tahotra mafy+ noho ny amin’i Akisy mpanjakan’i Gata. 13  Koa nody adala+ teo imason’izy ireo+ izy sady nanao very saina, ka nanoratsoratra teo amin’ny vavahady, sady namela ny iviny hiraraka tamin’ny volombavany, raha mbola teo am-pelatanan’izy ireo izy. 14  Ary hoy i Akisy tamin’ny mpanompony: “Hitanareo fa adala io lehilahy io, ka maninona no entinareo atỳ amiko? 15  Izaho angaha mila olona adala, no itondranareo an’io mba hampisehoany ny hadalany eto amiko? Io ve dia hiditra ao an-tranoko?”

Fanamarihana