1 Samoela 22:1-23

22  Koa niala tao i Davida,+ ka nandositra+ nankany amin’ilay lava-bato+ ao Adolama.+ Ary nandre izany ny rahalahiny sy ny ankohonan-drainy manontolo, ka nidina nankany aminy.  Ary niangona teo aminy+ izay lehilahy rehetra azom-pahoriana,+ sy izay nananan’olona trosa,+ ary izay tezitra noho ny zava-nisy tamin’izany fotoana izany.+ Koa lasa lehiben’izy ireo i Davida.+ Ary nanjary nisy efajato lahy teo ho eo niaraka taminy.  Tatỳ aoriana, dia niala tao i Davida ka nankany Mizpe any Moaba. Ary hoy izy tamin’ny mpanjakan’i Moaba:+ “Mba avelao hipetraka atỳ aminareo re ny raiko sy ny reniko e,+ mandra-pahafantatro izay hataon’Andriamanitra amiko.”  Koa nampitoeriny teo anatrehan’ny mpanjakan’i Moaba izy ireo. Dia nifindra tany amin’ny faritanin’io mpanjaka io izy ireo, ka nonina tany tamin’ny andro rehetra nitoeran’i Davida tany amin’ny toerana sarotra aleha.+  Rehefa nandeha ny fotoana, dia hoy i Gada+ mpaminany tamin’i Davida: “Aza mijanona any amin’ny toerana sarotra aleha. Mialà any, ka mankanesa any amin’ny tanin’i Joda.”+ Dia lasa i Davida, ka tonga tany amin’ny alan’i Hareta.  Ary ren’i Saoly fa nisy nahita i Davida sy ny olona niaraka taminy. Nipetraka teo ambanin’ilay hazo tamariska+ teny amin’ny toerana avo tany Gibea i Saoly tamin’izay. Ary teny an-tanany ny lefony+ sady teo aminy ny mpanompony rehetra.  Dia hoy i Saoly tamin’ireo mpanompony niaraka taminy: “Mba henoy kely izao, ry Benjaminita: Ny zanak’i Jese+ koa ve mba ho afaka hanome saha sy tanimboaloboka ho anareo rehetra?+ Hanendry anareo rehetra ho lehiben’ny arivo+ sy ho lehiben’ny zato ve izy?  Fa efa niray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra. Ary tsy nisy nilaza tamiko+ hoe nanao fifanekena tamin’ny zanak’i Jese ny zanako.+ Tsy nisy nangoraka ahy koa ianareo, ka tsy nilaza tamiko hoe ny zanako efa nanangana ny mpanompoko hanohitra ahy sy hiafina mba hanafika ahy toy izao anio izao.”  Dia hoy i Doega+ Edomita izay voatendry ho lehiben’ny mpanompon’i Saoly: “Hitako ny zanak’i Jese tonga tany Noba, tao amin’i Ahimeleka+ zanak’i Ahitoba.+ 10  Ary nanontany+ an’i Jehovah ho azy i Ahimeleka, sady nanome vatsy+ azy, sy nanome azy ny sabatr’i+ Goliata Filistinina.” 11  Koa nampanantsoin’ny mpanjaka avy hatrany i Ahimeleka zanak’i Ahitoba mpisorona mbamin’ny ankohonan-drainy manontolo, dia ireo mpisorona tany Noba.+ Dia tonga teo amin’ny mpanjaka izy rehetra. 12  Ary hoy i Saoly: “Mba mihainoa kely, ry zanak’i Ahitoba!” Dia hoy izy: “Intỳ aho, tompoko.” 13  Ary hoy i Saoly: “Nahoana ianao sy ny zanak’i Jese no niray tetika hanohitra ahy,+ ka nomenao mofo sy sabatra izy? Nanontany an’Andriamanitra ho azy koa ianao, mba hitsanganany hanohitra ahy, sy hiafenany mba hanafika ahy toy izao anio izao.”+ 14  Dia hoy ny navalin’i Ahimeleka ny mpanjaka: “Iza amin’ny mpanomponao rehetra moa no mendri-pitokisana+ tahaka an’i Davida,+ izay vinantolahin’ny mpanjaka+ sady lehiben’ny mpiaro anao ary hajaina ao an-tranonao?+ 15  Angaha moa androany aho vao nanontany+ an’Andriamanitra ho azy? Sanatria ahy ny hanao teti-dratsy hanoherana anao! Aoka ny mpanjaka tsy hiampanga ny mpanompony sy ny ankohonan-draiko manontolo na amin’inona na amin’inona, fa tsy misy fantatry ny mpanomponao ny amin’izany rehetra izany, na kely na lehibe.”+ 16  Hoy anefa ny mpanjaka: “Ho faty tokoa ianao+ sy ny ankohonan-drainao manontolo,+ ry Ahimeleka!” 17  Dia hoy ny mpanjaka tamin’ireo mpihazakazaka+ teo akaikiny: “Mihodìna, ka vonoy ho faty ireo mpisoron’i Jehovah ireo, fa momba an’i Davida koa ny tanan’ireo sady efa fantatr’ireo fa nandositra izy, nefa tsy nolazainy tamiko izany!”+ Tsy nety naninjitra ny tanany hamely an’ireo mpisoron’i Jehovah anefa ny mpanompon’ny mpanjaka.+ 18  Farany, dia hoy ny mpanjaka tamin’i Doega:+ “Mihodìna, ka asio ireo mpisorona ireo!” Dia nihodina avy hatrany i Doega Edomita,+ ka namely an’ireo mpisorona. Koa dimy amby valopolo lahy nisalotra efoda+ rongony, no matiny+ tamin’iny andro iny. 19  Nasiany tamin’ny lelan-tsabatra koa i Noba+ tanànan’ireo mpisorona, eny, nasiany avokoa na lehilahy na vehivavy, na ankizikely na zaza minono, na omby na ampondra na ondry. 20  Afa-nandositra anefa i Abiatara,+ iray tamin’ny zanakalahin’i Ahimeleka zanak’i Ahitoba, ka nitsoaka mba hanaraka an’i Davida. 21  Ary hoy i Abiatara tamin’i Davida: “Novonoin’i Saoly ny mpisoron’i Jehovah.” 22  Dia hoy i Davida tamin’i Abiatara: “Efa fantatro mihitsy tamin’iny andro iny+ fa tsy maintsy hilaza amin’i Saoly i Doega Edomita,+ satria teo izy. Izaho no tompon’andraikitra tamin’ny nahafatesan’izay* rehetra anisan’ny ankohonan-drainao. 23  Mijanòna fotsiny eto amiko. Ary aza matahotra, fa izay mifofo ny aiko dia mifofo ny ainao koa, satria mila fiarovana avy amiko ianao.”+

Fanamarihana

Heb.: nefesh. Jereo F.F. 3A.