1 Samoela 24:1-22

24  Raha vao tafaverina avy nanenjika ny Filistinina i Saoly,+ dia nisy nilaza taminy hoe: “Any an-tany efitr’i En-jedy i Davida.”+  Dia naka telo arivo lahy voafantina+ teo amin’ny Israely rehetra i Saoly, ka nandeha nitady an’i Davida+ sy ny olony teny amin’ireo harambato mangadihady nisy osidia.+  Farany dia tonga teny amin’ny valan’ondry* teny an-dalana i Saoly, ary nisy lava-bato teo. Dia nankao izy fa te hivoaka.*+ Efa nipetrapetraka tany anatiny indrindra tao amin’ilay lava-bato+ anefa i Davida sy ny olony tamin’izay.  Dia hoy ny olon’i Davida taminy: “Izao no andro ilazan’i Jehovah aminao hoe: ‘Atolotro eo an-tananao ny fahavalonao,+ ka ataovy aminy izay hitanao fa mety.’”+ Koa nitsangana i Davida, ka notapahiny mangingina ny morontongotr’akanjon’i Saoly, dia ilay akanjo ivelany tsy misy tanany.  Taorian’izay anefa, dia nanameloka an’i Davida foana ny fony,+ noho ny nanapahany ny morontongotr’akanjon’i Saoly.  Koa hoy izy tamin’ny olony: “Sanatria ahy ny haninjitra ny tanako hamely ny tompoko izay voahosotr’i+ Jehovah, satria tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah izany. Tsy hanao izany aho, fa voahosotr’i Jehovah izy.”+  Koa naparitak’i Davida ny olony rehefa avy nilaza izany teny izany izy, ary tsy navelany hamely an’i Saoly izy ireo.+ Fa i Saoly kosa nitsangana ka niala tao amin’ilay lava-bato, ary nanohy ny diany.  Dia nitsangana i Davida ka nivoaka avy tao amin’ilay lava-bato, ary niantso mafy avy taorian’i Saoly hoe: “Ry mpanjaka tompoko ô!”+ Dia nitodika i Saoly. Ary niondrika i Davida ka niankohoka tamin’ny tany.+  Hoy koa i Davida tamin’i Saoly: “Nahoana ianao no mihaino ny tenin’ny olona+ hoe: ‘Mitady hanisy ratsy anao i Davida’? 10  Hitan’ny masonao androany ny nanoloran’i Jehovah anao teo an-tanako tao an-dava-bato. Ary nisy nanome hevitra ahy hamono+ anao, nefa niantra anao aho ka niteny hoe: ‘Tsy haninjitra ny tanako hamely ny tompoko aho, fa voahosotr’i+ Jehovah izy.’ 11  Ry raiko ô,+ jereo ange e! Jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr’iny akanjonao iny! Fa tsy namono anao aho rehefa nanapaka ny morontongotr’akanjonao. Koa aoka ho fantatrao sy ho hitanao fa tsy misy faharatsiana+ na fikomiana eto an-tanako, ary tsy nanota taminao aho na dia mikendry ny hanala ny aiko aza ianao.+ 12  I Jehovah anie hitsara ahy sy ianao!+ Ary aoka i Jehovah no hamaly+ anao noho ny amiko, fa ny tanako kosa tsy hikasika anao.+ 13  Araka ny fitenenan’ny ntaolo, dia ‘avy amin’ny ratsy fanahy no ivoahan’ny faharatsiana’,+ fa ny tanako kosa tsy mba hikasika anao. 14  Nivoaka hitady an’iza ny mpanjakan’ny Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve?+ Sa parasy iray?+ 15  Aoka i Jehovah no ho mpitsara ka hitsara ahy sy ianao. Dia hijery izy ary hiady ho ahy eo amin’ny fitsarana+ ka hitsara ahy mba hanafaka ahy eo an-tananao.” 16  Raha vao tapitra izany tenin’i Davida izany, dia hoy i Saoly: “Feonao ve izany, ry Davida zanako?”+ Ary nidradradradra nitomany+ i Saoly. 17  Hoy koa izy tamin’i Davida: “Marina kokoa noho izaho ianao,+ satria soa no navalinao ahy,+ fa ratsy kosa no navaliko anao. 18  Nasehonao tamin’izany androany fa nanao soa tamiko ianao. Natolotr’i Jehovah teo an-tananao aho,+ nefa tsy novonoinao. 19  Havelan’ny olona handeha soa aman-tsara ve ny fahavalony raha sendra azy?+ Koa hamaly soa anao anie i Jehovah,+ noho ny nanaovanao izany tamiko androany! 20  Fantatro tsara izao fa tsy maintsy hanjaka ianao,+ ary azo antoka fa haharitra eo an-tananao ny fanjakan’ny Israely. 21  Koa mianiàna amiko amin’ny anaran’i Jehovah+ fa tsy handringana ny taranako any aoriana ianao, ary tsy hanafoana ny anarako eo amin’ny ankohonan-draiko.”+ 22  Dia nianiana tamin’i Saoly i Davida. Ary lasa nody i Saoly,+ fa i Davida sy ny olony kosa niakatra teny amin’ny toerana sarotra aleha.+

Fanamarihana

Vala mafy orina vita amin’ny vato.
Na: “hangery.”