1 Samoela 25:1-44

25  Ary maty i Samoela+ tatỳ aoriana. Dia nivory ny Israely rehetra ka nitomany+ azy sy nandevina azy tany amin’izay nisy ny tranony, tao Rama.+ Ary nidina nankany an-tany efitr’i Parana+ i Davida.  Nisy lehilahy iray tao Maona,+ ary niasa tany Karmela+ izy. Mpanankarem-be ralehilahy, sady nanana ondry telo arivo sy osy arivo. Dia nanety+ ny ondriny tao Karmela izy.  Kalebita+ ralehilahy, Nabala+ no anarany, ary Abigaila+ no anaran’ny vadiny. Tena malina+ sady tsara bika ravehivavy, fa ralehilahy kosa masiaka sady ratsy toetra.+  Ary ren’i Davida tany an-tany efitra fa nanety+ ny ondriny i Nabala.  Koa naniraka zatovolahy folo i Davida ka niteny hoe: “Miakara any Karmela ka mankanesa any amin’i Nabala, ary miresaha aminy amin’ny anarako ka anontanio hoe manahoana izy.+  Ary lazao amin’ny rahalahiko hoe: ‘Fiadanana anie ho anao+ sy ny ankohonanao ary izay rehetra anao!  Reko fa manety ondry ianao. Efa nisy fotoana niarahanay tamin’ireo mpiandry ondrinao.+ Ary tsy nihetraketraka taminy izahay,+ sady tsy nisy very mihitsy izay azy tamin’ny andro rehetra nitoerany teto Karmela.  Anontanio ny zatovonao fa hilaza izany aminao izy. Dia hahazo sitraka aminao ny zatovoko, fa andro fifaliana izao ahatongavanay izao. Koa raha sitrakao, dia mba omeo izay azon’ny tananao ny mpanomponao sy Davida zanakao.’”+  Koa tonga tany amin’i Nabala ny zatovon’i Davida ka nilaza ny tenin’i Davida rehetra, ary niandry avy eo. 10  Hoy anefa i Nabala tamin’izy ireo: “Fa iza moa i Davida,+ ary iza moa ny zanak’i Jese? Efa maro izao ny mpanompo mitsoaka mandositra ny tompony.+ 11  Koa izaho ve dia haka ny mofoko+ sy ny ranoko ary ny henan’ny biby izay novonoiko sy norasarasaiko ho an’ny mpanety ondriko, ka hanome izany ho an’ny olona tsy fanta-piaviana?”+ 12  Dia niverin-dalana ny zatovon’i Davida. Ary nony tonga izy ireo dia nolazainy tamin’i Davida izany teny rehetra izany. 13  Avy hatrany dia hoy i Davida tamin’ny olony: “Samia manao ny sabany eo amin’ny fehikibony!”+ Koa samy nanao ny sabany teo amin’ny fehikibony izy ireo, ary nanao toy izany koa i Davida. Ary niakatra nanaraka an’i Davida ny efajato lahy teo ho eo, fa ny roanjato kosa nipetraka teo anilan’ny entana.+ 14  Ary nilaza tamin’i Abigaila vadin’i Nabala ny iray tamin’ny mpanompony hoe: “Nandefa iraka avy tany an-tany efitra i Davida mba hirary soa ho an’ny tompontsika, kanjo vazavaza sy teny henjana+ no nataony tamin’izy ireo. 15  Tsara fanahy be taminay anefa ireo lehilahy ireo sady tsy mba nihetraketraka taminay. Ary tsy nisy zavatray very na iray aza tamin’ny andro rehetra niarahanay tamin’izy ireo tany an-tsaha.+ 16  Toy ny manda+ nanodidina anay izy ireo, na andro na alina, tamin’ny andro rehetra niarahanay taminy niandry ny andian’ondry. 17  Koa fantaro sy eritrereto izay hataonao, fa misy loza miandry+ ny tompontsika sy ny ankohonany manontolo. Olona tena tsy manjary+ mantsy izy ka tsy azo ifampiresahana mihitsy.” 18  Avy hatrany i Abigaila+ dia lasa haingana naka mofo roanjato, sy siny lehibe roa feno divay,+ sy ondry dimy efa voakarakara,+ sy voam-bary natono+ indimin’ny seha,* sy mofo zato vita tamin’ny voaloboka maina,+ ary mofo roanjato vita tamin’ny aviavy noporetina.+ Ary napetrany teo ambonin’ny ampondra izany. 19  Dia hoy izy tamin’ny mpanompony: “Mandehana mialoha ahy,+ fa ho avy ao aorianareo aho.” Tsy nilazany na inona na inona anefa i Nabala vadiny. 20  Rehefa nidina mangingina ny tendrombohitra izy nitaingina ampondra,+ dia indreny koa i Davida sy ny olony fa nidina ka tojo azy. Koa nifanena tamin’izy ireo ravehivavy. 21  Ary i Davida efa niteny hoe: “Fahadisoam-panantenana tanteraka no mba setrin’ny niambenako ny zava-drehetran’ilehiny tany an-tany efitra. Tsy nisy very na iray aza izay rehetra azy.+ Ratsy anefa no avaliny ny soa nataoko.+ 22  Hofaizin’Andriamanitra anie ny fahavalon’i Davida,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha avelako hisy hiangana na iray aza ny lahy rehetra+ izay azy, mandra-paharainan’ny andro!”+ 23  Raha vao nahita an’i Davida i Abigaila, dia nidina haingana avy teo amin’ny ampondra ka niondrika teo anatrehan’i Davida sady niankohoka+ tamin’ny tany. 24  Ary niankohoka teo an-tongony+ ravehivavy ka niteny hoe: “Aoka ho ahy ny fahadisoana,+ tompoko. Ary mba avelao ny mpanompovavinao hiteny kely aminao,+ ka henoy ny tenin’ny mpanompovavinao. 25  Aoka ny tompoko tsy hiraharaha an’iny Nabala tsy manjary iny,+ fa araka ny anarany ihany ny toetrany. Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy.+ Izaho mpanompovavinao mantsy tsy nahita ny zatovon’ny tompoko nirahinao. 26  Koa ankehitriny, tompoko, raha mbola velona koa i Jehovah+ ary raha mbola velon’aina koa ianao,+ dia i Jehovah no nisakana+ anao tsy ho meloka ho nandatsa-dra+ sy tsy hamaly faty.+ Aoka ho sahala amin’i Nabala+ ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy ny tompoko. 27  Ary ity fanomezana ho fisaorana+ ity, dia nentin’ny mpanompovavinao ho an’ny tompoko mba homena an’ireo zatovolahy manaraka+ ny tompoko. 28  Avelao re ny heloky ny mpanompovavinao e!+ Fa hataon’i Jehovah tokoa izay hampaharitra ny taranaky ny tompoko,+ satria miady ny adin’i Jehovah ny tompoko.+ Ary tsy ho hita ao aminao ny faharatsiana, amin’ny andronao rehetra.+ 29  Rehefa misy olona manenjika anao ka mifofo ny ainao, dia harovan’i Jehovah Andriamanitrao ianao,+ toy ny fiarovana zava-tsarobidy voafono ao anaty kitapo.+ Fa ny ain’ny fahavalonao kosa hatorany toy ny vato avy eo amin’ny foitran’ny pilotra.+ 30  Hanendry anao ho mpitarika ny Israely i Jehovah,+ satria hanao soa amin’ny tompoko izy, araka izay rehetra efa nolazainy. 31  Nahoana moa ny tompoko no hanao zavatra hahatonga azy henjehin’ny eritreriny, ka handatsa-dra tsy amin’antony+ sy hamaly faty?+ Hanao soa amin’ny tompoko tokoa i Jehovah, ka mba tsarovy+ ny mpanompovavinao.” 32  Dia hoy i Davida tamin’i Abigaila: “Hisaorana anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely,+ izay naniraka anao androany mba hihaona amiko! 33  Hotahina anie ny fahendrenao,+ ary hotahina anie ianao, izay nisakana ahy androany tsy ho meloka ho nandatsa-dra+ sy tsy hamaly faty!+ 34  Ary raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitry ny Israely izay nisakana ahy tsy hanisy ratsy anao,+ dia tsoriko aminao fa efa tsy nisy niangana intsony ny lahy rehetra izay an’i Nabala, mandra-paharainan’ny andro,+ raha toa ka tsy nandeha haingana hihaona amiko ianao.”+ 35  Koa noraisin’i Davida avy tamin’ny tanan-dravehivavy izay nentiny ho azy, ka hoy izy taminy: “Miakara soa aman-tsara+ ho any an-tranonao, fa efa nihaino ny teninao aho ka ekeko ny fangatahanao.”+ 36  Dia tonga tany amin’i Nabala i Abigaila. Nanao fanasambe tao an-tranony ralehilahy tamin’izay, toy ny fanasan’ny mpanjaka.+ Ary falifaly ny fon’i Nabala, sady mamo+ be izy. Koa tsy nilaza na inona na inona taminy ravehivavy, na kely na lehibe, mandra-paharainan’ny andro. 37  Nony maraina, rehefa nisava ny divay nosotroin’i Nabala, dia notantarain’ny vadiny taminy daholo izany zavatra izany. Koa maty tao anatin’i Nabala ny fony,+ ary nanjary toy ny vato izy. 38  Rehefa afaka folo andro teo ho eo, dia nasian’i Jehovah+ izy ka maty. 39  Dia ren’i Davida fa maty i Nabala, ka hoy izy: “Hisaorana anie i Jehovah, izay niady ho ahy teo amin’ny fitsarana+ ka nanafaka ahy tamin’ilay fanalam-baraka+ nataon’i Nabala tamiko, sady nisakana ny mpanompony tsy hanao ratsy!+ Ary ny faharatsian’i Nabala dia natsingerin’i Jehovah teo an-dohany ihany!”+ Dia naniraka olona i Davida mba hilaza tamin’i Abigaila ny fangatahany azy ho vady.+ 40  Koa tonga tany amin’i Abigaila tao Karmela ny mpanompon’i Davida ka niteny hoe: “Nirahin’i Davida atỳ aminao izahay mba haka anao ho vadiny.” 41  Dia niankohoka tamin’ny tany+ avy hatrany i Abigaila, sady niteny hoe: “Intỳ aho mpanompovavinao, ho mpanompovavy hanasa ny tongotry+ ny mpanompon’ny tompoko.”+ 42  Dia nitsangana haingana izy+ ka nitaingina+ ampondra, ary nisy mpanompovavy dimy nanaraka azy. Ary niaraka tamin’ireo iraka izy ka lasa vadin’i Davida. 43  Ary efa nalain’i Davida ho vadiny koa i Ahinoama+ avy any Jezirela.+ Koa izy roa vavy no lasa vadiny.+ 44  Ary i Saoly efa nanome an’i Mikala+ zanany vavy, izay vadin’i Davida, ho vadin’i Palty,+ zanak’i Laisy avy any Galima.+

Fanamarihana

1 seha = 7,33 litatra.
A.b.t.: “Hataon’Andriamanitra amin’ny fahavalon’i Davida anie izany!”