1 Samoela 26:1-25

26  Tatỳ aoriana, dia tonga tany amin’i Saoly tany Gibea+ ireo lehilahy tao Zifa,+ ka niteny hoe: “Tsy fantatrao angaha fa miafina any amin’ny havoanan’i Hakila,+ tandrifin’i Jesimona,+ i Davida?”  Dia nidina nankany an-tany efitr’i Zifa i Saoly mba hitady an’i Davida tany.+ Ary nisy telo arivo lahy niaraka tamin’i Saoly,+ dia ireo lehilahy voafantina teo amin’ny Israely.  Ary nitoby teo amoron-dalana i Saoly, teo amin’ny havoanan’i Hakila, tandrifin’i Jesimona, fa i Davida kosa nitoetra tany an-tany efitra. Ary fantatr’i Davida fa nanaraka azy tany an-tany efitra i Saoly.  Koa nandefa mpitsikilo+ i Davida, mba hahafantarany raha tonga tokoa i Saoly.  Ary nankany amin’ny toerana nitobian’i Saoly i Davida. Dia tazany ny toerana natorian’i Saoly, ary tazany koa i Abnera+ zanak’i Nera, lehiben’ny tafiny. Natory tao amin’ny faritry ny toby+ i Saoly tamin’izay, ary nitoby nanodidina azy ny olona.  Ary hoy i Davida tamin’i Ahimeleka Hetita+ sy Abisay+ zanak’i Zeroia,+ rahalahin’i Joaba: “Iza no hidina hiaraka amiko hankeny amin’i Saoly ao an-toby?” Dia hoy i Abisay: “Hiaraka aminao aho.”+  Koa nankeny amin’izy ireo i Davida sy Abisay, tamin’ny alina. Natory tao amin’ny faritry ny toby i Saoly, ary nitsatoka tamin’ny tany teo akaikin’ny lohany ny lefony. I Abnera sy ny olona kosa natory nanodidina azy.  Ary hoy i Abisay tamin’i Davida: “Efa natolotr’Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao+ androany. Mba avelao aho handefona azy hifantsika amin’ny tany indray mandeha tsy miverina.”  Hoy anefa i Davida tamin’i Abisay: “Aza mamono azy, fa iza moa no naninjitra ny tanany hamely ny voahosotr’i Jehovah+ ka tsy nanan-tsiny?”+ 10  Hoy koa i Davida: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia i Jehovah ihany no hamely azy,+ na ho avy ny andro+ tsy maintsy hahafatesany, na hidina any an’ady+ izy ka ho faty.+ 11  Fa sanatria+ ahy ny haninjitra ny tanako hamely+ ny voahosotr’i Jehovah,+ satria tsy mifanaraka amin’ny fihevitr’i Jehovah+ izany! Koa alaivo, azafady, ny lefona eo akaikin’ny lohany sy ny tavoara fasiana rano, dia andao handeha.” 12  Dia nalain’i Davida teo akaikin’ny lohan’i Saoly ilay lefona sy ilay tavoara fasiana rano, ary lasa nandeha ry zareo. Ary tsy nisy nahita+ na nahatsikaritra na nifoha, fa natory daholo izy ireo satria nataon’i Jehovah renoky ny torimaso lalina.+ 13  Dia nankeny ampita i Davida, ka nijoro teo an-tampon’ny tendrombohitra teny lavidavitra. Koa nifanalavidavitra izy ireo. 14  Ary i Davida niantsoantso ho ren’ny olona sy Abnera zanak’i Nera, nanao hoe: “Valio aho, ry Abnera a!” Koa namaly i Abnera+ hoe: “Iza moa izao miantsoantso ho ren’ny mpanjaka izao?” 15  Dia hoy i Davida: “Tsy lehilahy ve ianao e? Ary iza no tahaka anao eo amin’ny Israely? Koa nahoana ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy tonga hamono ny mpanjaka tomponao teo.+ 16  Tsy tsara izany nataonao izany. Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia mendrika ny ho faty+ ianareo, satria tsy nambenanareo+ ny tomponareo, izay voahosotr’i Jehovah.+ Aiza izao ny lefon’ny mpanjaka sy ilay tavoara fasiana rano+ teo akaikin’ny lohany?” 17  Dia fantatr’i Saoly ny feon’i Davida, ka hoy izy: “Feonao ve izany, ry Davida zanako?”+ Ary hoy i Davida: “Feoko izany, ry mpanjaka tompoko.” 18  Hoy koa izy: “Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony?+ Fa inona no nataoko ary inona no ratsy vitako?+ 19  Aoka ny mpanjaka tompoko mba hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Jehovah no nampirisika anao hamely ahy, dia aoka izy hankasitraka ny fanatitra varimbazaha atolotro.+ Fa raha olona kosa no nampirisika anao,+ dia voaozona eo anatrehan’i Jehovah izy ireo,+ satria efa nandroaka ahy androany mba tsy hiraiki-po intsony amin’ny lovan’i Jehovah,+ ka nanao hoe: ‘Mandehana manompo andriamani-kafa!’+ 20  Ary ankehitriny, aza avela ho latsaka amin’ny tany eo anatrehan’i Jehovah ny rako.+ Fa efa nivoaka hitady parasy iray ny mpanjakan’ny Israely,+ toy ny olona manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.”+ 21  Dia hoy i Saoly: “Efa nanota aho.+ Miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho satria sarobidy teo imasonao ny aiko+ androany. Hadalana mihitsy no nataoko ary tena diso aho.” 22  Ary hoy i Davida: “Intỳ ny lefon’ny mpanjaka! Aoka hisy iray amin’ireo tovolahy haka azy etỳ. 23  I Jehovah no hamaly ny tsirairay araka ny fahamarinany+ sy ny tsy fivadihany avy, satria nanolotra anao teo an-tanako i Jehovah androany, nefa izaho tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’i Jehovah.+ 24  Ary toy ny naha zava-dehibe ny ainao teo imasoko androany, dia enga anie mba ho zava-dehibe eo imason’i Jehovah koa ny aiko,+ ka hanafaka ahy amin’ny fahoriana rehetra izy!”+ 25  Dia hoy i Saoly tamin’i Davida: “Hotahin’Andriamanitra anie ianao, ry Davida zanako! Tsy maintsy hanao zavatra ianao, ary ianao no tsy maintsy ho mpandresy.”+ Dia lasa nandeha i Davida, fa i Saoly kosa nody tany amin’izay nisy azy.+

Fanamarihana