1 Samoela 27:1-12

27  Hoy anefa i Davida anakampo: “Ho fatin’ny tanan’i Saoly ihany aho indray andro any. Koa tsy misy afa-tsy ny mandositra+ any amin’ny tanin’ny Filistinina+ no mety amiko. Amin’izay dia ho kivy i Saoly ka tsy te hitady ahy intsony, manerana ny faritanin’ny Israely.+ Ary tsy ho azon’ny tanany intsony aho.”  Dia niainga i Davida sy ny eninjato lahy+ niaraka taminy ka niampita nankany amin’i Akisy+ mpanjakan’i Gata, zanak’i Maoka.  Ary nitoetra tany amin’i Akisy tao Gata i Davida sy ny olony, izay samy niaraka tamin’ny ankohonany avy.+ I Davida koa niaraka tamin’ireo vadiny roa, dia i Ahinoama+ Jezirelita sy Abigaila+ Karmelita, ilay vadin’i Nabala.  Tatỳ aoriana, dia nisy nilaza tamin’i Saoly fa efa nandositra nankany Gata i Davida, ka tsy nandeha nitady azy intsony izy.+  Ary hoy i Davida tamin’i Akisy: “Raha mahazo sitraka aminao aho, dia aoka mba homena toerana ao amin’ny tanàna iray any ambanivohitra, mba hipetrahako any. Fa nahoana ny mpanomponao no hipetraka miaraka aminao eto amin’ny tanànan’ny mpanjaka?”  Koa nomen’i Akisy azy i Ziklaga+ tamin’izay andro izay. Izany no nahatonga an’i Ziklaga ho fananan’ny mpanjakan’ny Joda mandraka androany.  Herintaona sy efa-bolana no andro nipetrahan’i Davida tany ambanivohitry ny Filistinina.+  Ary niakatra i Davida sy ny olony mba hanafika ny Gesorita+ sy ny Girzita ary ny Amalekita,+ izay nonina tao amin’ny faritra nanomboka tany Telama+ ka hatrany Sora+ ary nipaka hatrany Ejipta.  Ary namely an’ilay faritra i Davida, ka tsy nisy nasiany niangana na lehilahy na vehivavy.+ Namabo ondry sy omby sy ampondra sy rameva ary akanjo koa izy, dia niverina tany amin’i Akisy. 10  Ary hoy i Akisy: “Taiza ianareo no nanafika androany?” Dia hoy i Davida:+ “Tany atsimon’i Joda+ sy tany atsimon’ny tanin’ny Jeramelita+ ary tany atsimon’ny tanin’ny Kenita.”+ 11  Tsy nisy lehilahy na vehivavy navelan’i Davida ho velona na iray aza, mba tsy hisy hoentiny tany Gata. Fa hoy izy: “Sao hitantara momba antsika ry zareo hoe: ‘Toy izao no nataon’i Davida.’”+ Ary toy izany foana no fanaony tamin’ny andro rehetra nipetrahany tany ambanivohitry ny Filistinina. 12  Koa nino+ an’i Davida i Akisy, ka niteny anakampo hoe: “Efa nanjary halan’ny Israely olony tokoa izy,+ ka ho mpanompoko mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Fanamarihana