1 Samoela 28:1-25

28  Ary tamin’izany andro izany, dia namory ny tobiny ny Filistinina, mba hiady amin’ny Israely.+ Koa hoy i Akisy tamin’i Davida: “Fantatrao tsara angamba fa tokony hiaraka amiko ho any amin’ny toby ianao sy ny olonao.”+  Dia hoy i Davida: “Ianao mahalala tsara izay tokony hataon’ny mpanomponao.” Koa hoy i Akisy: “Izany no hanendreko anao ho mpiaro ahy mandrakariva.”+  Efa maty i Samoela tamin’izay, ary efa nitomany azy ny Israely rehetra ka nandevina azy tao an-tanànany tao Rama.+ Ary efa nesorin’i Saoly tsy ho eo amin’ilay tany ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.+  Dia niangona ny Filistinina, ary tonga tao Sonema+ ka nanangana toby tao. Koa novorin’i Saoly ny Israely rehetra, ary nanangana toby tao Gilboa+ izy ireo.  Rehefa nahita ny tobin’ny Filistinina i Saoly, dia raiki-tahotra ka nidobodoboka be ny fony.+  Dia nanontany an’i Jehovah i Saoly,+ nefa tsy namaly azy mihitsy i Jehovah,+ na tamin’ny nofy+ na tamin’ny Orima,+ na tamin’ny alalan’ny mpaminany.+  Farany, dia hoy i Saoly tamin’ny mpanompony: “Itadiavo vehivavy mahay mamoha angatra aho.+ Dia hankany aminy aho hanontany azy.” Ary hoy ny mpanompony: “Misy vehivavy mahay mamoha angatra ao En-dora.”+  Koa mody nanao olon-kafa+ i Saoly ka akanjo hafa no nanaovany. Dia lasa izy, ary nisy lehilahy roa niaraka taminy. Ary tonga tany amin’ilay vehivavy izy ireo tamin’ny alina.+ Dia hoy i Saoly: “Manaova sikidy,+ azafady, ka miantsoa fanahy, dia ampiakaro ho ahy izay holazaiko aminao.”  Hoy anefa ravehivavy: “Fantatrao tsara ny nataon’i Saoly, fa naringany tsy ho eto amin’ity tany ity ny mpamoha angatra sy ny mpilaza ny hoavy.+ Koa nahoana ianao no mamandrika ny aiko mba hamonoana ahy ho faty?”+ 10  Avy hatrany dia nianiana taminy tamin’ny anaran’i Jehovah i Saoly hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia tsy hisy heloka ho anao amin’ity raharaha ity!” 11  Dia hoy ravehivavy: “Iza àry no hampiakariko ho anao?” Ary hoy izy: “Ampiakaro ho ahy i Samoela.”+ 12  Rehefa nahita an’i “Samoela”+ ravehivavy, dia nikiakiaka faran’izay mafy. Dia hoy izy tamin’i Saoly: “Nahoana ianao no namitaka ahy? Hay, ianao no Saoly.” 13  Hoy anefa ny mpanjaka: “Aza matahotra, fa inona no hitanao?” Dia hoy ravehivavy: “Nahita andriamanitra+ niakatra avy ao amin’ny tany aho.” 14  Avy hatrany dia hoy izy tamin-dravehivavy: “Manao ahoana ny bikabikany?” Dia namaly ravehivavy hoe: “Lahiantitra no miakatra avy any, ary manao akanjo ivelany tsy misy tanany+ izy.” Koa fantatr’i Saoly fa i “Samoela”+ izany, dia niondrika izy ka niankohoka tamin’ny tany. 15  Ary hoy i “Samoela” tamin’i Saoly: “Nahoana ianao no manelingelina ahy ka mampiakatra ahy?”+ Dia hoy i Saoly: “Mafy ny manjo ahy,+ fa miady amiko ny Filistinina nefa Andriamanitra efa nahafoy+ ahy ka tsy namaly ahy intsony, na tamin’ny alalan’ny mpaminany na tamin’ny nofy.+ Koa miantso anao aho mba hampahafantatra ahy izay tokony hataoko.”+ 16  Ary hoy i “Samoela”: “Koa nahoana ianao no manontany ahy, nefa i Jehovah aza efa nahafoy anao+ ka lasa fahavalonao?+ 17  Izay efa nolazain’i Jehovah tamin’ny alalako no hataony, eny, izany no hataony ho an’ny tenany. Dia hendahan’i Jehovah eo an-tananao ny fanjakana,+ ka homeny an’i Davida+ namanao. 18  Tsy nankatò ny tenin’i Jehovah ianao+ ary tsy nampihatra ny fahatezerany mirehitra tamin’i Amaleka,+ ka izany no antony hanaovan’i Jehovah izany zavatra izany aminao anio. 19  Ary hatolotr’i Jehovah miaraka aminao eo an-tanan’ny Filistinina koa ny Israely,+ ka ho atỳ amiko ianao+ sy ireo zanakao lahy+ rahampitso. Ary na ny tobin’ny Israely koa aza hatolotr’i Jehovah eo an-tanan’ny Filistinina.”+ 20  Tonga dia nianjera niampatra tamin’ny tany i Saoly sady raiki-tahotra mafy noho ny tenin’i “Samoela.” Tsy nisy hery intsony koa tao aminy, satria tsy nihinan-kanina izy iny andro iny sy ny alina manontolo. 21  Dia nankeo amin’i Saoly ravehivavy ka nahita fa nivarahontsana mafy izy. Ary hoy izy taminy: “Efa nihaino ny teninao ny mpanompovavinao, ary efa nanao vivery ny aiko aho+ ka nihaino izay nolazainao tamiko. 22  Koa mba henoy kosa izao ny tenin’ny mpanompovavinao. Avelao aho handroso sombi-mofo eo anoloanao, dia hihinana ianao mba hahazo hery satria mbola handeha.” 23  Tsy nety anefa i Saoly fa niteny hoe: “Tsy hihinana aho.” Nampirisika azy foana anefa ny mpanompony sy ilay vehivavy. Koa nanaraka ny tenin’izy ireo ihany izy tamin’ny farany, ka niarina avy teo amin’ny tany ary nipetraka teo am-pandriana. 24  Ary nanana zanak’omby mifahy+ ravehivavy tao an-trano, ka nataony sorona haingana izany.+ Naka lafarinina koa izy ka namolavola koba, dia nanao mofo tsy misy lalivay izay nataony tao anaty lafaoro. 25  Dia narosony teo anoloan’i Saoly sy ny mpanompony izany, ka nihinana izy ireo. Avy eo dia nitsangana izy ireo ka lasa nandeha iny alina iny ihany.+

Fanamarihana