1 Samoela 29:1-11

29  Ary namory ny tobiny rehetra tao Afeka ny Filistinina,+ fa ny Israelita kosa nitoby teo akaikin’ilay loharano tao Jezirela.+  Dia nandroso niaraka tamin’ireo andia-miaramila ny andriana mpiray dinan’ny+ Filistinina, ary nisy miaramila zato na arivo ny andiany tsirairay. Nandroso koa avy eo i Davida sy ny olony, niaraka tamin’i Akisy.+  Ary hoy ireo andrianan’ny Filistinina: “Fa ahoana koa ireto Hebreo+ ireto?” Dia hoy i Akisy: “Angaha moa tsy io no Davida, mpanompon’i Saoly mpanjakan’ny Israely? Efa teto amiko herintaona na roa taona izy izao,+ ary tsy hitako+ izay tsininy hatramin’ny andro nitsoahany ho atỳ amiko ka mandraka androany.”  Koa tezitra taminy ireo andrianan’ny Filistinina ka niteny hoe: “Asaivo miverina+ any amin’ny toerana nanendrenao azy ilehio, fa aza avela hiara-midina amintsika ho any an’ady, sao izy ho lasa mpanohitra+ antsika any. Ary amin’inona moa no hahazoan’ilehio sitraka amin’ny tompony? Tsy amin’ny fanolorana ny lohan’ireto olontsika ireto ihany ve?  Tsy io ve no Davida, ary tsy noho izy ve no nahatonga ny olona handihy sy hanao hira mifamaly hoe: ‘I Saoly nahafaty arivoarivo, fa i Davida kosa nahafaty alinalina’?”+  Koa niantso an’i Davida i Akisy+ ka niteny taminy hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah,+ dia olona mahitsy ianao, ary faly aho fa niaraka tamiko niantafika ianao.+ Fa tsy nahita faharatsiana teo aminao aho hatramin’ny andro nahatongavanao tatỳ amiko ka mandraka androany.+ Tsy sitrak’ireo andriana mpiray dina+ anefa ianao.  Koa miverena soa aman-tsara, mba tsy hanaovanao zava-dratsy eo imason’ny andriana mpiray dinan’ny Filistinina.”  Hoy anefa i Davida tamin’i Akisy: “Fa inona no nataoko,+ ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao hatramin’ny andro nahatongavako teo anatrehanao ka mandraka androany,+ no tsy mahazo mandeha miady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko aho?”  Dia hoy ny navalin’i Akisy: “Fantatro tokoa fa tsara teo imasoko sahala amin’ny anjelin’Andriamanitra ianao,+ saingy ireo andrianan’ny Filistinina no niteny hoe: ‘Aoka izy tsy hiara-miakatra amintsika ho any an’ady.’ 10  Koa mifohaza maraina ianao sy ny mpanompon’ny tomponao izay niaraka taminao, eny, mifohaza raha vao mangiran-dratsy, ka mandehana.”+ 11  Koa nifoha maraina i Davida sy ny olony, mba handeha maraina+ hiverina tany amin’ny tanin’ny Filistinina. Ary ny Filistinina kosa niakatra nankany Jezirela.+

Fanamarihana