1 Samoela 3:1-21

3  Nanompo an’i Jehovah teo anatrehan’i Ely i Samoela zaza,+ nandritra izany fotoana izany. Ary nahalana ny teny avy tamin’i Jehovah+ tamin’izany andro izany,+ sady tsy dia nisy firy ny fahitana.+  Tamin’izay andro izay i Ely dia natory tao amin’izay nisy azy, ary efa pahina+ ny masony ka tsy nahita izy.  Mbola tsy novonoina ny jiron’Andriamanitra, ary i Samoela natory tao amin’ny tempolin’i+ Jehovah, izay nisy ny Vata masin’Andriamanitra.  Ary nantsoin’i Jehovah i Samoela, ka namaly hoe: “Intỳ aho.”+  Dia nihazakazaka nankao amin’i Ely izy ka niteny hoe: “Intỳ aho, fa niantso ahy ianao.” Fa hoy i Ely: “Tsy niantso aho, fa miverena matory.” Koa lasa natory izy.  Niantso indray anefa i Jehovah hoe: “Samoela!”+ Dia nitsangana i Samoela ka nankao amin’i Ely, ary niteny hoe: “Intỳ aho, fa tena niantso ahy ianao.” Fa hoy i Ely: “Tsy niantso anao aho, anaka,+ fa miverena matory.”  Mbola tsy nahalala tsara an’i Jehovah mantsy i Samoela, ary mbola tsy nampahafantarina azy ny tenin’i Jehovah.+  Koa niantso fanintelony i Jehovah hoe: “Samoela!” Dia nitsangana izy ka nankao amin’i Ely, ary niteny hoe: “Intỳ aho, fa niantso ahy mihitsy ianao.” Dia fantatr’i Ely fa i Jehovah no niantso an’ilay zazalahy.  Koa hoy i Ely tamin’i Samoela: “Mandehana matory, ka raha mbola miantso anao izy, dia lazao hoe: ‘Mitenena, Jehovah ô, fa mihaino ny mpanomponao.’” Koa lasa natory tao amin’izay nisy azy i Samoela. 10  Dia tonga i Jehovah ka nijoro teo, sady niantso indray hoe: “Samoela! Samoela!” Koa hoy i Samoela: “Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.”+ 11  Ary hoy i Jehovah taminy: “Hanao+ zavatra eo amin’ny Israely aho, ka izay mandre momba izany dia hangorintsina ny sofiny roa.+ 12  Amin’izany andro izany no hotanterahiko amin’i Ely hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny zava-drehetra nolazaiko momba ny ankohonany.+ 13  Dia lazao aminy fa hosaziko mandritra ny fotoana tsy voafetra ny ankohonany,+ noho ny fahadisoana efa fantany,+ satria manozona an’Andriamanitra ny zanany lahy+ nefa tsy noteneniny mafy.+ 14  Koa izany no nianianako tamin’ny ankohonan’i Ely hoe tsy ho afaka amin’izy ireo ny sazy vokatry ny fahadisoany, mandritra ny fotoana tsy voafetra, na dia misy sorona sy fanatitra atao aza.”+ 15  Dia natory mandra-paharainan’ny andro i Samoela. Avy eo izy dia nanokatra ny varavaran’ny tranon’i Jehovah.+ Ary natahotra ny hilaza tamin’i Ely momba izay niseho i Samoela.+ 16  Niantso azy anefa i Ely hoe: “Ry Samoela zanako ô!” Dia hoy izy: “Intỳ aho.” 17  Ary hoy i Ely: “Inona no nolazainy taminao? Aza afenina ahy, raha sitrakao.+ Hofaizin’Andriamanitra anie ianao,* ary mihoatra noho izany aza,+ raha misy afeninao ahy izay teny nolazainy taminao!” 18  Koa nolazain’i Samoela taminy ny zava-drehetra, fa tsy nisy nafeniny. Dia hoy i Ely: “Avy amin’i Jehovah izany! Aoka hataony izay hitany fa mety.”+ 19  Dia nihalehibe i Samoela, ka nomba azy i Jehovah.+ Ary tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny rehetra.+ 20  Koa nanjary fantatry ny Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba,+ fa nekena ho mpaminanin’i Jehovah i Samoela.+ 21  Ary niseho tao Silo indray i Jehovah,+ satria efa nampahafantatra ny tenany tamin’i Samoela tao Silo i Jehovah, tamin’ny alalan’ny tenin’i Jehovah.+

Fanamarihana

A.b.t.: “Hataon’Andriamanitra aminao anie izany!”