1 Samoela 30:1-31

30  Rehefa tonga tany Ziklaga+ i Davida sy ny olony tamin’ny andro fahatelo, dia hitany fa notafihin’ny Amalekita+ ny faritra atsimo sy Ziklaga. Nasian’izy ireo i Ziklaga ka nodorany,  ary nobaboiny ny vehivavy+ sy izay rehetra tao an-tanàna, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Tsy nisy novonoiny ho faty anefa ny olona, fa nentiny fotsiny dia lasa izy ireo nandeha.  Rehefa tonga tao an-tanàna i Davida sy ny olony, dia efa main’ny afo ny tanàna ary nisy namabo ny vadin’izy ireo sy ny zanany lahy ary ny zanany vavy.  Dia nidradradradra nitomany+ i Davida sy ny olona niaraka taminy, ary rehefa tsy nanan-kery hitomaniana intsony izy ireo vao nangina.  Voababo koa ny vadin’i Davida anankiroa, dia i Ahinoama+ Jezirelita sy Abigaila+ vadin’i Nabala Karmelita.  Ary ory dia ory i Davida+ satria nilaza ny hitora-bato azy ny olona.+ Samy tezitra+ daholo mantsy izy ireo noho ny amin’ny zanany lahy sy ny zanany vavy. Koa nankahery tena tamin’ny alalan’i Jehovah Andriamaniny i Davida.+  Dia hoy i Davida tamin’i Abiatara+ mpisorona zanak’i Ahimeleka: “Mba ento kely etỳ amiko ny efoda!”+ Koa nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efoda.  Ary nanontany an’i Jehovah+ i Davida hoe: “Hanenjika an’ireo mpandroba ve aho? Ho tratrako ve ry zareo?” Dia hoy izy+ taminy: “Mandehana, enjeho, fa tsy maintsy ho tratranao ry zareo, ary hanafaka tokoa ianao.”+  Tonga dia niainga i Davida sy ny eninjato lahy+ niaraka taminy, ka nandeha hatrany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Besora. Ary nijanona teo ny sasany tamin’izy ireo. 10  Ary notohizin’i Davida sy ny efajato lahy ny fanenjehana+ an’ireo mpandroba, fa ny roanjato lahy kosa nijanona satria reraka loatra ka tsy afa-niampita ny lohasaha falehan-driakan’i Besora.+ 11  Ary nahita lehilahy ejipsianina+ iray tany ambanivohitra izy ireo. Dia nentiny tany amin’i Davida ralehilahy ka nomeny mofo hohaniny sy rano hosotroiny. 12  Dia nomeny sombi-mofo vita tamin’ny aviavy noporetina izy, ary koa mofo roa vita tamin’ny voaloboka maina.+ Koa nihinana ralehilahy ka nody ny ainy.+ Efa telo andro sy telo alina mantsy izy no tsy nihinan-kanina sady tsy nisotro rano. 13  Ary hoy i Davida taminy: “An’iza moa ianao, ary avy aiza?” Dia namaly izy hoe: “Ejipsianina aho, andevon’ny lehilahy amalekita iray. Nilaozan’ny tompoko anefa aho satria narary, telo andro lasa izay.+ 14  Izahay no nanafika ny faritra atsimon’ny Keretita+ sy ny tanin’i Joda ary ny faritra atsimon’i Kaleba.+ Ary nodoranay i Ziklaga.” 15  Koa hoy i Davida: “Azonao entina midina mankany amin’ireo mpandroba ve aho?” Dia hoy izy: “Raha mianiana+ amiko amin’ny anaran’Andriamanitra ianao fa tsy hamono ahy ho faty, sady tsy hanolotra ahy eo an-tanan’ny tompoko,+ dia hoentiko midina mankany amin’ireo mpandroba.” 16  Koa nentiny nidina tokoa izy,+ ary indreo ny Amalekita niparitadritaka tetsy sy teroa nanerana an’ilay faritra, sady nihinana sy nisotro ary nanao fety+ noho ny zava-drehetra nobaboiny tany amin’ny tanin’ny Filistinina sy ny tanin’i Joda.+ 17  Ary namely azy ireo i Davida, nanomboka tamin’ny mazava ratsy ka hatramin’ny takariva, mba handringanana azy tanteraka. Ary tsy nisy niangana izy ireo,+ afa-tsy zatovolahy efajato nitsoaka nitaingina rameva. 18  Dia avotr’i Davida daholo izay nalain’ny Amalekita,+ ary nafahany koa ny vadiny roa. 19  Ary tsy nisy tsy azon’izy ireo izay azy, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra, na ny zanany lahy na ny zanany vavy na ny zavatra voababo, eny, izay rehetra lasan’ireo mpandroba.+ Azon’i Davida indray ny zava-drehetra. 20  Koa nalain’i Davida daholo ny ondry sy ny omby, ka noroahin’ny olony teo alohan’ireo biby fiompiny. Ary hoy izy ireo: “Itony ny zavatra nobaboin’i Davida.”+ 21  Farany, dia tonga teo amin’ireo roanjato lahy+ i Davida. Tsy tafaraka taminy mantsy ireo satria reraka loatra, ka nasaina nipetraka teo akaikin’ny lohasaha falehan-driakan’i Besora. Ary nitsena an’i Davida sy ny olona niaraka taminy izy ireo. Nony tonga teo amin’izy ireo i Davida, dia nanontany hoe nanahoana izy ireo. 22  Nisy olona ratsy fanahy sy tsy manjary+ anefa tamin’ireo niaraka tamin’i Davida, ka niteny hoe: “Tsy nandeha niaraka tamintsika ireo, ka tsy homentsika na inona na inona amin’ny zavatra nobaboina izay navotantsika, afa-tsy ny vady aman-janany ihany. Aoka hoentiny ireny dia aleo izy handeha.” 23  Hoy anefa i Davida: “Aza manao an’izany momba ny zavatra nomen’i Jehovah antsika,+ ry rahalahiko, fa izy no niaro antsika+ sy nanolotra teo an-tanantsika an’ireo mpandroba izay nanafika antsika.+ 24  Ary iza no hihaino izany teninareo izany? Fa tahaka ny anjaran’izay nidina tany an’ady ihany no ho anjaran’izay nipetraka teo anilan’ny entana.+ Samy hahazo anjara ny rehetra.”+ 25  Nanomboka tamin’izay andro izay, dia napetrany ho fitsipika sy didim-pitsarana+ ho an’ny Israely izany, mandraka androany. 26  Rehefa tonga tao Ziklaga i Davida, dia nandefasany tamin’ny zavatra azo babo ireo namany+ anti-panahin’i Joda, ka hoy izy: “Ity misy fanomezana+ ho fisaorana anareo, avy amin’ny zavatra azo babo tamin’ny fahavalon’i Jehovah.” 27  Eny, nandefasany ny anti-panahy tany Betela,+ sy ny tany Ramota+ any atsimo, sy ny tany Jatira,+ 28  sy ny tany Aroera, sy ny tany Sifmota, sy ny tany Estemoa,+ 29  sy ny tany Rakala, sy ny tany amin’ireo tanànan’ny Jeramelita,+ sy ny tany amin’ireo tanànan’ny Kenita,+ 30  sy ny tany Horma,+ sy ny tany Borasana,+ sy ny tany Ataka, 31  sy ny tany Hebrona,+ ary ny tany amin’ny toerana rehetra efa nalehan’i Davida sy ny olony.

Fanamarihana