1 Samoela 31:1-13

31  Niady tamin’ny Israely ny Filistinina,+ ary nandositra teo anoloan’izy ireo ny Israelita. Dia niampatrampatra+ teny amin’ny Tendrombohitra Gilboa+ ny fatin’ny Israelita.  Ary narahin’ny Filistinina akaiky dia akaiky i Saoly sy ny zanany lahy, ka matin’izy ireo ny zanak’i Saoly, dia i Jonatana+ sy Abinadaba+ ary Malkisoa.+  Ary nihamafy ny fanafihana an’i Saoly. Farany, dia hitan’ireo mpandefa zana-tsipìka izy, ka voan’izy ireo ary naratra mafy.+  Koa hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: “Tsoahy ny sabatrao+ dia trobahy amin’iny aho, sao ho avy ireo tsy mifora+ ireo ka hanatrobaka ahy sy hampijalijaly ahy.” Tsy nety+ anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Koa nalain’i Saoly ny sabatra, dia nianjerany.+  Nony hitan’ilay mpitondra fiadiana fa maty i Saoly,+ dia mba nianjerany koa ny sabany ka niara-maty taminy izy.+  Dia niara-maty tamin’iny andro iny i Saoly sy ny zanany telo lahy ary ny mpitondra ny fiadiany, eny, ny olony rehetra.+  Nony tazan’ny Israelita teny amin’ny faritry ny lemaka iva sy teny amin’ny faritr’i Jordana fa nandositra ny tafiky ny Israely ary maty i Saoly sy ny zanany, dia nandao ny tanànany izy ireo ka nandositra.+ Ary tonga tany ny Filistinina, ka nonina tany.+  Rehefa tonga haka an’izay zavatra teny amin’ireo faty ny Filistinina ny ampitson’iny,+ dia nahita an’i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatra teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+  Dia notapahin’izy ireo ny lohan’i Saoly,+ ary nalainy ny fiadiany. Ary naniraka olona ho any amin’ny tanin’ny Filistinina manodidina izy ireo, hilaza izany+ tany amin’ireo tranon’ny sampiny+ sy tamin’ny vahoaka. 10  Farany, dia napetrany tao amin’ny trano nisy an’ireo sarin’i Astarta+ ny fiadian’i Saoly,+ fa ny fatiny kosa nataony teo amin’ny mandan’i Beti-sana.+ 11  Ary ren’ny mponin’i Jabesi-gileada+ izay nataon’ny Filistinina tamin’i Saoly. 12  Koa niainga avy hatrany ny lehilahy mahery fo rehetra ka nandeha nandritra ny alina. Dia nalain’izy ireo teo amin’ny mandan’i Beti-sana ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany. Ary tonga tany Jabesy izy ireo ka nodorany tany ireo faty.+ 13  Avy eo dia nentiny ireo taolam-paty,+ ka naleviny+ teo ambanin’ilay hazo tamariska+ tany Jabesy. Ary nifady hanina fito andro+ izy ireo.

Fanamarihana