1 Samoela 4:1-22

4  Dia nampitain’i Samoela tamin’ny Israely rehetra foana ny tenin’Andriamanitra. Ary nivoaka hiady tamin’ny Filistinina ny Israely, ka nitoby teo akaikin’i Ebenezera.+ Ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.+  Ary samy naka ny toerany avy ny miaramilan’ny Filistinina, mba hifanandrina+ tamin’ny Israely. Ratsy anefa ny fandehan’ny ady ka resy ny Israely teo anoloan’ny Filistinina,+ izay nahafaty lehilahy tokony ho efatra arivo tao an’ady.  Koa rehefa tonga tao an-toby ny olona, dia hoy ny anti-panahin’ny Israely: “Nahoana no nataon’i Jehovah resy teo anoloan’ny Filistinina isika androany?+ Andao halaintsika avy any Silo ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ mba ho eto amintsika ka hamonjy antsika eo am-pelatanan’ny fahavalontsika.”  Koa naniraka olona hankany Silo ny vahoaka, ka nentina avy any ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay mipetraka eo amin’ny kerobima.+ Ary teo koa izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa, niaraka tamin’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’Andriamanitra.+  Raha vao tonga tao an-toby ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, dia nihorakoraka mafy ny Israelita rehetra,+ ka nihovotrovotra mihitsy ny tany.  Ary ren’ny Filistinina ilay horakoraka ka hoy izy ireo: “Fa maninona no misy horakoraka be+ toy izany ao an-tobin’ny Hebreo?” Dia fantatr’izy ireo fa tonga tao ny Vata masin’i Jehovah.  Koa natahotra ny Filistinina satria, araka ny filazany dia “tonga ao an-toby Andriamanitra!”+ Hoy koa izy ireo: “Hahita loza isika, fa mbola tsy nisy toy izao mihitsy hatramin’izay!  Hahita loza isika! Iza no hamonjy antsika eo an-tanan’izany Andriamanitra heni-kaja izany? Izy ilay Andriamanitra namely an’i Ejipta tamin’ny fandripahana isan-karazany tany an-tany efitra.+  Manàna herim-po, ry Filistinina, ary misehoa ho tena lehilahy, sao ianareo hanompo ny Hebreo tahaka ny efa nanompoany anareo.+ Misehoa ho tena lehilahy, ka miadia!” 10  Koa niady tokoa ny Filistinina. Dia resy ny Israely,+ ka samy nandositra tany amin’ny tranolainy avy.+ Ary be dia be no maty,+ ka ny Israely dia nahafatesana lehilahy telo alina nandeha an-tongotra.+ 11  Lasa babo koa ny Vata masin’Andriamanitra,+ ary maty izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa.+ 12  Ary nisy lehilahy benjaminita nihazakazaka avy tany an’ady, ka tonga tao Silo ny androtr’iny ihany. Rovitra ny akanjony+ sady nihosim-bovoka ny lohany.+ 13  Tamin’izy tonga, dia efa nipetraka nitazantazana teo amin’ny seza teo amoron-dalana i Ely, satria nangitakitaka ny fony noho ny amin’ny Vata masin’Andriamanitra.+ Ary tonga nilaza ny vaovao tao an-tanàna ilay lehilahy, ka nidradradradra ny iray tanàna. 14  Dia henon’i Ely ilay fidradradradrana, ka hoy izy: “Fa inona izany tabataba izany?”+ Koa nandeha haingana nankeo amin’i Ely ilay lehilahy, ka nilaza ilay vaovao taminy. 15  Valo amby sivy folo taona i Ely tamin’izay, ary tsy nihetsika ny masony ka tsy nahita izy.+ 16  Ary hoy ilay lehilahy taminy: “Izaho no avy tany an’ady, ary avy any aho no nandositra androany.” Dia hoy i Ely: “Inona no nitranga, anaka?” 17  Koa hoy ilay mpilaza vaovao: “Nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny Israely, ary resy tanteraka ny olona.+ Maty koa i Hofinia sy Finehasa zanakao mirahalahy,+ ary lasa babo ny Vata masin’Andriamanitra.”+ 18  Raha vao niteny momba ny Vata masin’Andriamanitra ilay lehilahy, dia nianjera avy teo amin’ny sezany teo akaikin’ny vavahady i Ely ary nidaboka nankany aoriana ka tapaka ny vozony, dia maty izy. Efa antitra mantsy izy sady navesatra. Izy no nitsara ny Israely efapolo taona. 19  Ary bevohoka efa ho teraka ny vinantovaviny, vadin’i Finehasa. Ary ren-dravehivavy fa lasa babo ny Vata masin’Andriamanitra, sady henony koa fa maty ny rafozandahiny sy ny vadiny. Dia nitambonkina izy ka teraka, satria nihetsi-jaza tampoka.+ 20  Ary rehefa ho faty izy, dia hoy ireo vehivavy nijoro teo akaikiny: “Aza matahotra fa tera-dahy ianao.”+ Tsy namaly anefa izy, sady tsy nahoany akory izany tao am-pony tao. 21  Ary nataony hoe Ikaboda+ ny anaran’ilay zaza, fa hoy izy: “Niala tamin’ny Israely ho any an-tsesitany ny voninahitra.”+ Ny Vata masin’Andriamanitra izay lasa babo, mbamin’ny rafozandahiny sy ny vadiny, no tiany holazaina tamin’izany.+ 22  Koa hoy izy: “Niala tamin’ny Israely ho any an-tsesitany ny voninahitra,+ fa lasa babo ny Vata masin’Andriamanitra.”+

Fanamarihana