1 Samoela 5:1-12

5  Ary naka ny Vata+ masin’Andriamanitra ny Filistinina, ka nitondra izany avy tao Ebenezera nankany Asdoda.+  Dia nalain’izy ireo ilay Vata masin’Andriamanitra, ka nampidiriny tao an-tranon’i Dagona ary napetrany teo akaikin’i Dagona.+  Ary nifoha maraina ny Asdodita ny ampitson’iny, ka nahita an’i Dagona nianjera nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah.+ Koa noraisin’izy ireo i Dagona ka naveriny teo amin’ny toerany.+  Nony nifoha maraina koa izy ireo ny ampitson’iny, dia nahita an’i Dagona nianjera nihohoka tamin’ny tany indray, teo an-tokonam-baravarana, teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah, sady tapaka ny lohany sy ny felatanany roa,+ ka ny tapany toy ny trondro ihany sisa tavela.  Izany no mahatonga ny mpisoron’i Dagona sy izay rehetra mankao ao an-tranon’i Dagona, tsy hanitsaka ny eo an-tokonam-baravaran’i Dagona ao Asdoda, mandraka androany.  Ary ny tanan’i Jehovah+ dia navesatra tamin’ny Asdodita, eny, i Asdoda sy ny faritaniny, satria nampisahotahany sy nasiany tamin’ny hemoroida+ izy ireo.  Dia hitan’ny olona tao Asdoda izany, ka hoy izy ireo: “Aoka tsy havela hitoetra eto amintsika ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely, fa ny tanany efa namely mafy antsika sy Dagona andriamanitsika.”+  Koa naniraka olona hamory ny andriana mpiray dina rehetran’ny Filistinina hankeo aminy izy ireo, ka niteny hoe: “Hataontsika ahoana ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely?” Farany, dia hoy ireo: “Aoka hafindra any Gata+ ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely.” Koa nentin’izy ireo nankany ilay Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely.  Rehefa tongan’ireo tany ilay Vata, dia nataon’ny tanan’i Jehovah+ nisahotaka be ilay tanàna. Ary nasiany ny olona tao an-tanàna, na kely na lehibe, ka voan’ny hemoroida.+ 10  Koa nalefan’izy ireo nankany Ekrona+ ny Vata masin’Andriamanitra. Raha vao tonga tao Ekrona anefa ny Vata masin’Andriamanitra, dia nitaraina mafy ny Ekronita hoe: “Nentin-dry zareo atỳ aminay ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely, mba hahafaty anay sy ny vahoakanay!”+ 11  Koa naniraka olona hamory ny andriana mpiray dina rehetran’ny Filistinina izy ireo, ka niteny hoe: “Alefaso any io Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely io, ka avereno any amin’ny toerany mba tsy hahafaty anay sy ny vahoakanay.” Fa nisahotaka ny olona nanerana an’ilay tanàna, ka maro no maty.+ Ary navesatra be tao ny tanan’ilay tena Andriamanitra,+ 12  ka izay olona tsy maty dia voan’ny hemoroida.+ Koa niakatra mandrakariva tany an-danitra ny antso vonjy+ nataon’ilay tanàna.

Fanamarihana