1 Samoela 6:1-21

6  Fito volana ny Vata+ masin’i Jehovah no tany ambanivohitry ny Filistinina.  Ary nantsoin’ny Filistinina ny mpisorona sy ny mpisikidy,+ ka nanontaniany hoe: “Hataonay ahoana ny Vata masin’i Jehovah? Lazao aminay hoe ampiarahinay amin’ny inona io rehefa alefanay any amin’ny toerany.”  Dia hoy ireo: “Aza alefa tsy miaraka amin’ny fanatitra ny Vata masin’ny Andriamanitry ny Israely raha alefanareo, fa atero any aminy miaraka amin’ny fanatitra noho ny heloka.+ Dia ho sitrana ianareo, ka ho fantatrareo ny antony tsy ialan’ny tanany aminareo.”  Koa hoy ny Filistinina: “Inona no fanatitra noho ny heloka tokony haterinay any aminy?” Dia hoy ireo: “Hemoroida volamena dimy sy voalavo mpitsambikina dimy vita amin’ny volamena, araka ny isan’ny andriana mpiray dinan’ny Filistinina.+ Mitovy ihany mantsy ny loza manjo anareo rehetra sy ireo andriana mpiray dina eo aminareo.  Ataovy sarivongana ny hemoroidanareo sy ny voalavo mpitsambikina+ manimba ny taninareo, ary omeo voninahitra+ ny Andriamanitry ny Israely. Angamba izy mba hanala ny tanany tsy ho eo aminareo sy ny andriamanitrareo ary ny taninareo.+  Nahoana ianareo no manamafy ny fonareo toy ny nanamafisan’i Ejipta sy Farao ny fony?+ Rehefa nofaizin’Andriamanitra anefa izy ireo,+ moa ve tsy nalefany avy hatrany ny Israelita ka lasa nandeha?+  Koa manaova sarety vaovao,+ ary makà ombivavy roa mampinono, izay mbola tsy nasiana zioga mihitsy.+ Fehezo eo amin’ilay sarety ireo ombivavy, dia alefaso mody ny zanany mba tsy hanaraka azy.  Ary alaivo ny Vata masin’i Jehovah ka apetraho eo ambonin’ilay sarety. Ataovy ao anaty boaty eo akaikin’ilay Vata ireo sarivongana volamena,+ izay haterinareo any aminy ho fanatitra noho ny heloka.+ Ary alefaso izany, dia handeha.  Jereo fa raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny taniny izany, ho any Beti-semesy,+ dia Izy no nanao tamintsika izao zava-dratsy lehibe izao. Raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika hoe tsy ny tanany no nikasika antsika, fa nisy loza sendra nanjo+ antsika fotsiny.” 10  Dia nanao araka izany tokoa ny olona. Naka ombivavy roa mbola mampinono izy ireo ka nofeheziny teo amin’ilay sarety, ary ny zanak’omby kosa nohidiany tao an-trano. 11  Napetrak’izy ireo teo ambonin’ilay sarety+ ny Vata masin’i Jehovah mbamin’ilay boaty nisy ireo voalavo mpitsambikina vita tamin’ny volamena sy ny sarivongan’ny hemoroidan-dry zareo. 12  Ary nizotra nahitsy tamin’ny lalana nankany Beti-semesy+ ireo omby. Dia nandeha tamin’ny lalambe iray ihany izy ireo ka nitrena teny an-dalana, ary tsy nivily niankavanana na niankavia. Nanaraka an’ireo omby hatrany amin’ny sisin-tanin’i Beti-semesy ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina.+ 13  Tamin’izay ny olona tao Beti-semesy dia nijinja varimbazaha+ teny amin’ny lemaka iva. Ary nanopy ny masony izy ireo ka nahita an’ilay Vata, dia faly be. 14  Tonga teo amin’ny sahan’i Josoa Beti-semita ilay sarety, ka nijanona teo amin’ilay vato be. Ary nokapakapain’izy ireo ny hazon’ilay sarety, fa ireo omby+ kosa natolony ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah.+ 15  Ny Levita+ no nampidina ny Vata masin’i Jehovah mbamin’ilay boaty nisy an’ireo sarivongana volamena. Ary napetrak’izy ireo teo ambonin’ilay vato be ny Vata. Ny olona tao Beti-semesy+ kosa nanolotra fanatitra dorana, sady tsy nitsahatra nanao sorona ho an’i Jehovah tamin’iny andro iny. 16  Dia nahita izany ireo andriana dimy mpiray dinan’ny Filistinina,+ ka niverina nankany Ekrona ny androtr’iny ihany. 17  Ary ireto avy ny hemoroida volamena naterin’ny Filistinina ho fanatitra noho ny heloka ho an’i Jehovah:+ Iray an’i Asdoda,+ iray an’i Gaza,+ iray an’i Askelona,+ iray an’i Gata,+ ary iray an’i Ekrona.+ 18  Ireo voalavo mpitsambikina vita tamin’ny volamena kosa, dia araka ny isan’ny tanàna rehetran’ny Filistinina izay an’ireo andriana dimy mpiray dina, hatramin’ny tanàna voaro mafy ka hatramin’ny tanàna kely teny ambanivohitra. Ary ilay vato be nametrahan’izy ireo ny Vata masin’i Jehovah, dia vavolombelona eo amin’ny sahan’i Josoa Beti-semita mandraka androany. 19  Novonoin’Andriamanitra anefa ny olona tao Beti-semesy+ satria nojerijeren’izy ireo ny Vata masin’i Jehovah. Koa namono olona fitopolo—sy dimy alina—* teo amin’ny vahoaka izy. Dia nalahelo mafy ny olona satria namely ny olona i Jehovah ka be dia be no maty.+ 20  Ary hoy ny olona tao Beti-semesy: “Iza no ho afaka hankeo anatrehan’i Jehovah, ilay Andriamanitra masina?+ Tsy afaka miala amintsika ve izy ka mankany an-kafa?”+ 21  Farany, dia nandefa iraka nankany amin’ny mponin’i Kiriata-jearima+ izy ireo, nanao hoe: “Naverin’ny Filistinina ny Vata masin’i Jehovah. Koa midìna atỳ, mba hampiakatra azy any aminareo.”+

Fanamarihana

Misy mihevitra fa natsofoka tatỳ aoriana ilay hoe “sy dimy alina.”