1 Samoela 7:1-17

7  Koa tonga ny lehilahy avy tao Kiriata-jearima.+ Dia nentin’izy ireo niakatra ny Vata masin’i Jehovah ary nampidiriny tao an-tranon’i Abinadaba+ teny an-kavoana. Ary i Eleazara zanakalahin’i Abinadaba no nohamasinina hiambina an’ilay Vata masin’i Jehovah.  Hatramin’ny andro nametrahana an’ilay Vata tao Kiriata-jearima, dia andro maro no lasa, ka nahatratra roapolo taona izany. Ary nitomany ny taranak’Israely manontolo ka nitady an’i Jehovah.+  Koa hoy i Samoela tamin’ny taranak’Israely manontolo: “Raha amin’ny fonareo manontolo no iverenanareo amin’i Jehovah,+ dia esory tsy ho eo aminareo ny andriamani-kafa+ sy ireo sarin’i Astarta.+ Atodiho amin’i Jehovah ny fonareo ka aza avela hiovaova, ary manompoa azy irery ihany,+ dia hanafaka anareo eo an-tanan’ny Filistinina izy.”+  Koa nesorin’ny zanak’Israely ireo Bala+ sy ireo sarin’i Astarta,+ ka nanompo an’i Jehovah irery ihany izy ireo.  Ary hoy i Samoela: “Vorio ao Mizpa+ ny Israely rehetra,+ fa hivavaka+ amin’i Jehovah ho anareo aho.”  Dia nivory tao Mizpa izy ireo, ary nantsaka rano ka nandraraka izany teo anatrehan’i Jehovah, sady nifady hanina tamin’iny andro iny.+ Teo koa izy ireo no niteny hoe: “Efa nanota tamin’i Jehovah izahay.”+ Ary nanomboka nitsara+ ny zanak’Israely tao Mizpa i Samoela.  Ary ren’ny Filistinina fa nivory tao Mizpa ny zanak’Israely. Koa niakatra hamely ny Israely ireo andriana mpiray dinan’ny Filistinina.+ Natahotra noho ny amin’ny Filistinina anefa ny zanak’Israely rehefa nandre izany.+  Koa hoy izy ireo tamin’i Samoela: “Aza mangina, ary aza mitsahatra miantso vonjy amin’i Jehovah Andriamanitsika+ mba hamonjeny antsika eo an-tanan’ny Filistinina.”  Dia naka zanak’ondry mbola minono i Samoela, ka nanolotra izany ho fanatitra dorana manontolo+ ho an’i Jehovah. Ary niantso vonjy tamin’i Jehovah ho an’ny Israely izy,+ ka namaly azy i Jehovah.+ 10  Raha mbola nanolotra an’ilay fanatitra dorana i Samoela, dia niroso hiady tamin’ny Israely ny Filistinina. Koa nandefa kotroka mafy be i Jehovah+ hoenti-manohitra ny Filistinina tamin’iny andro iny, mba hampisahotaka azy.+ Dia resy teo anoloan’ny Israely izy ireo.+ 11  Koa nivoaka avy tao Mizpa ny lehilahy israelita, ka nanenjika an’ireo Filistinina sady namono azy hatrany atsimon’i Beti-kara. 12  Ary naka vato+ i Samoela ka nametraka izany teo anelanelan’i Mizpa sy Jesana, dia nataony hoe Ebenezera ny anaran’ilay vato. Fa hoy izy: “Nanampy antsika i Jehovah hatramin’izao.”+ 13  Dia resy ny Filistinina, ka tsy nitsofotsofoka tao amin’ny faritanin’ny Israely intsony.+ Ary nanohitra ny Filistinina foana ny tanan’i Jehovah, nandritra ny androm-piainan’i Samoela.+ 14  Koa niverina tsikelikely tamin’ny Israely ny tanàna efa nalain’ny Filistinina tamin’izy ireo, hatrany Ekrona ka hatrany Gata. Dia nafahan’ny Israely teo an-tanan’ny Filistinina ny faritanin’ireny tanàna ireny. Nanjary tsy nisy ady koa teo amin’ny Israely sy ny Amorita.+ 15  Ary nitsara ny Israely foana i Samoela, nandritra ny androm-piainany.+ 16  Dia nandeha nitety an’i Betela+ sy Gilgala+ ary Mizpa+ izy isan-taona, ka nitsara ny Israely+ tao amin’ireny toerana rehetra ireny. 17  Niverina tao Rama+ ihany anefa izy satria tao ny tranony, ka tao izy no nitsara ny Israely. Ary nanorina alitara tao ho an’i Jehovah izy.+

Fanamarihana