1 Samoela 8:1-22

8  Rehefa antitra i Samoela, dia notendreny+ ho mpitsaran’ny Israely ireo zanany lahy:  Joela no anaran’ny zanany lahimatoa,+ ary Abia kosa no anaran’ny faharoa.+ Nitsara tao Beri-sheba izy ireo.  Tsy mba nanao toy izay nataony anefa ireo zanany ireo,+ fa sady tia tombony azo tamin’ny tsy rariny+ no nandray kolikoly+ ary nanao fitsarana miangatra.+  Rehefa nandeha ny fotoana, dia nivory ny anti-panahy rehetran’ny Israely+ ka nankany amin’i Samoela tao Rama,  ary niteny taminy hoe: “Efa antitra ianao izao, nefa ny zanakao tsy mba nanao toy izay nataonao. Koa manendre mpanjaka+ hitsara anay, sahala amin’ny firenena rehetra.”  Ratsy teo imason’i Samoela anefa ny tenin’izy ireo hoe: “Omeo mpanjaka izahay hitsara anay.” Koa nivavaka tamin’i Jehovah izy.+  Dia hoy i Jehovah taminy:+ “Henoy izay rehetra lazain’ny vahoaka aminao,+ satria tsy ianao no laviny, fa izaho no laviny tsy ho mpanjakany.+  Nahafoy ahy foana izy ireo+ sady nanompo andriamani-kafa.+ Ary toy izany foana no efa nataony, hatramin’ny andro nitondrako azy niakatra avy tany Ejipta+ ka mandraka androany. Izany koa no ataony aminao izao.  Koa henoy ny teniny. Fa ampitandremo tsara fotsiny izy ireo ny amin’izay ho vokany, ka lazao aminy ny zo ara-dalàna ananan’izay ho mpanjakany.”+ 10  Dia nolazain’i Samoela tamin’ilay vahoaka nangataka mpanjaka taminy ny tenin’i Jehovah rehetra. 11  Hoy koa izy: “Izao no ho zo ara-dalàna+ hananan’izay ho mpanjakanareo: Halainy ho azy ny zanakareo lahy,+ ka hataony eny amin’ny kalesiny+ sy miaraka amin’ny mpitaingin-tsoavaliny,+ ary ny sasany hihazakazaka eo alohan’ny kalesiny.+ 12  Ny sasany hotendreny ho lehiben’ny arivony+ sy lehiben’ny dimampolony,+ ary ny sasany kosa hiasa ny taniny+ sy hijinja ny vokatry ny taniny+ ary hanamboatra ny fitaovam-piadiany+ sy ny fitaovana amin’ny kalesiny.+ 13  Halainy koa ny zanakareo vavy, ka hataony mpanamboatra menaka fanosorana sy ho mpahandro ary ho mpanao mofo.+ 14  Ary halainy ka homeny ho an’ny mpanompony ny tsara indrindra amin’ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo+ ary ny sahan’olivanareo.+ 15  Halainy koa ny ampahafolon’ny vokatra avy amin’ny sahanareo sy ny tanimboalobokareo,+ ka homeny ho an’ny tandapany+ sy ny mpanompony. 16  Halainy koa ny mpanompolahinareo sy ny mpanompovavinareo, mbamin’izay tsara indrindra amin’ny ombinareo ary ny ampondranareo, ka hampiasainy hiasa ho an’ny tenany.+ 17  Halainy koa ny ampahafolon’ny ondry aman’osinareo,+ ary ianareo ho lasa mpanompony. 18  Dia hitaraina mafy ianareo amin’izany andro izany, noho ny amin’ny mpanjakanareo+ izay nofidinareo ho anareo, saingy tsy hamaly anareo i Jehovah amin’izany andro izany.”+ 19  Tsy nety nihaino ny tenin’i Samoela anefa ny vahoaka,+ fa nanao hoe: “Tsia, fa aleo ihany hisy mpanjaka hifehy anay. 20  Dia ho sahala amin’ny firenena rehetra izahay,+ ka hitsara anay ny mpanjakanay sady handeha eo alohanay ary hiady ho anay amin’izay ady ataonay.” 21  Koa nihaino ny teny rehetra nolazain’ny vahoaka i Samoela, ary nolazainy tamin’i Jehovah izany.+ 22  Dia hoy i Jehovah taminy: “Henoy ny tenin’izy ireo, ka manendre mpanjaka hitondra azy.”+ Koa hoy i Samoela tamin’ireo lehilahy israelita: “Samia mody any an-tanànany avy.”

Fanamarihana