1 Samoela 9:1-27

9  Ary nisy lehilahy benjaminita iray atao hoe Kisy,+ zanak’i Abiela, zanak’i Zerora, zanak’i Bekorata, zanak’i Afia, Benjaminita.+ Mpanankarem-be+ ralehilahy.  Nanan-janakalahy atao hoe Saoly+ izy. Mbola tanora i Saoly sady tsara tarehy, ka tsy nisy lehilahy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’Israely. Lava be koa izy, ka tsy nisy nihoatra ny sorony ny halavan’ny olona rehetra.+  Ary very ireo ampondravavin’i+ Kisy rain’i Saoly, ka hoy izy tamin’i Saoly zanany: “Mitondrà re mpanompo iray miaraka aminao, ka mandehana mitady an’ireo ampondra.”  Dia lasa izy nitety ny faritra be tendrombohitr’i Efraima+ sy ny faritr’i Salisa,+ nefa tsy nahita an’ireo ampondra. Ary nitety ny faritr’i Salima izy ireo, nefa tsy tany koa ireo ampondra. Nitety ny tanin’ny Benjaminita koa izy, fa tsy nahita.  Ary tonga tany Zofa izy ireo. Dia hoy i Saoly tamin’ilay mpanompo niaraka taminy: “Andao isika hiverina, sao dia tsy ny ampondra intsony no hoeritreretin’ny raiko, fa isika indray no tena hampanahy azy.”+  Hoy anefa ilay mpanompo: “Azafady, tompoko, fa misy lehilahin’Andriamanitra+ ao amin’irỳ tanàna irỳ. Hajain’ny olona izy, ary tanteraka avokoa izay lazainy.+ Andao ho eny, fa angamba izy afaka milaza amintsika izay lalana tokony halehantsika.”  Dia hoy i Saoly taminy: “Inona anefa no hoentintsika any amin-dralehilahy, raha mankeny isika?+ Efa lany mantsy ny mofo tao anaty harona, ka tsy misy na inona na inona hoentina ho fanomezana+ ho an’ilay lehilahin’Andriamanitra. Sa mbola misy inona atỳ amintsika?”  Dia namaly indray ilay mpanompo hoe: “Misy ampahefatry ny sekely+ volafotsy atỳ amiko. Homeko an’ilay lehilahin’Andriamanitra izany, dia holazainy amintsika izay lalana tokony halehantsika.”  —Toy izao no lazain’ny olona teo amin’ny Israely taloha, rehefa handeha hitady an’Andriamanitra: “Andao ho any amin’ny mpahita.”+ Mpahita mantsy taloha no fiantsoana ny mpaminany.— 10  Koa hoy i Saoly tamin’ilay mpanompony: “Marina ny teninao,+ fa andao ho eny.” Dia nankeny amin’ny tanàna nisy an’ilay lehilahin’Andriamanitra izy ireo. 11  Nony niakatra ny fiakarana nankao an-tanàna izy ireo, dia nahita ankizivavy nivoaka hantsaka,+ ka niteny hoe: “Ao ve ny mpahita?”+ 12  Dia hoy ireo: “Ao izy. Jereo fa ao alohanao ao izy. Mandehana haingana fa efa tonga eto an-tanàna izy izao. Misy fanaovana sorona+ ho an’ny olona mantsy eny amin’ny toerana avo+ anio. 13  Raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia hahita azy, alohan’ny hiakarany hisakafo eny amin’ny toerana avo. Tsy afaka misakafo mantsy ny olona mandra-pahatongany, fa izy no manao fisaorana ny amin’ny sorona.+ Aorian’izay vao mahazo misakafo ireo nasaina. Koa miakara, fa izao dia izao izy no ho hitanareo.” 14  Dia niakatra tao an-tanàna izy ireo. Ary nony tonga teo afovoan-tanàna izy ireo, dia iny i Samoela fa nivoaka hitsena azy mba hiakatra teny amin’ny toerana avo. 15  Ny omalin’ny nahatongavan’i Saoly anefa, dia efa nanambara+ tamin’i Samoela i Jehovah hoe: 16  “Rahampitso tokotokony ho amin’ny ora toy izao, dia halefako atỳ aminao ny lehilahy iray avy any amin’ny tanin’i Benjamina.+ Koa hosory+ ho mpitarika ny Israely oloko izy. Hamonjy ny oloko eo an-tanan’ny Filistinina izy,+ satria efa hitako ny fahorian’ny oloko ary efa tonga atỳ amiko ny fitarainany.”+ 17  Dia nahita an’i Saoly i Samoela, ary i Jehovah niteny taminy hoe: “Io ilay lehilahy nolazaiko taminao hoe: ‘Izy no hifehy ny oloko.’”+ 18  Ary nanatona an’i Samoela teo am-bavahady i Saoly, ka niteny hoe: “Mba atoroy ahy kely ny tranon’ny mpahita.” 19  Koa hoy i Samoela: “Izaho ilay mpahita. Miakara eo alohako ho eny amin’ny toerana avo, fa hiara-misakafo amiko ianareo anio.+ Dia halefako ianao rahampitso maraina, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.+ 20  Aza manahy+ kosa ny amin’ny ampondranao very efa telo andro izay,+ fa efa hita ireny. Ary an’iza moa ny zava-tsarobidy rehetra eo amin’ny Israely?+ Tsy anao sy ny ankohonan-drainao manontolo ve?” 21  Dia hoy i Saoly: “Tsy Benjaminita avy amin’ny foko kely indrindran’ny Israely ve aho?+ Ary tsy ny fianakaviako ve no tsy manan-danja indrindra amin’ny fianakaviana rehetran’ny fokon’i Benjamina?+ Koa nahoana ianao no miteny toy izany amiko?”+ 22  Ary nalain’i Samoela i Saoly sy ny mpanompony, dia nentiny tao amin’ny efitra fisakafoana ka nomeny ny toerana mihaja indrindra+ teo amin’izay nasaina. Tokony ho telopolo lahy izy ireo no tao. 23  Ary hoy i Samoela tamin’ny mpahandro nony avy eo: “Omeo atỳ ilay hena nomeko anao, izay efa nasaiko natokanao.” 24  Koa nalain’ny mpahandro ilay feny sy ny hena niaraka taminy, ka nataony teo anoloan’i Saoly. Ary hoy i Samoela: “Io ilay natokana, ka ataovy eo anoloanao ary hano, fa ho amin’ity fotoana voatondro ity no nanokanana azy io ho anao, mba hiara-misakafo amin’izay nasaina ianao.” Koa niara-nisakafo tamin’i Samoela i Saoly tamin’iny andro iny. 25  Niala teo amin’ilay toerana avo+ izy ireo avy eo, ka nidina nankeny an-tanàna. Ary mbola niresaka tamin’i Saoly teo an-tampon-trano+ i Samoela. 26  Ary nifoha maraina izy ireo. Koa raha vao nazava ratsy ny andro, dia niantso an’i Saoly teo an-tampon-trano i Samoela, nanao hoe: “Mitsangàna, fa halefako hody ianao.” Dia nitsangana i Saoly, ary nivoaka ny trano izy sy Samoela. 27  Nony nidina nanaraka ny sisin’ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin’i Saoly: “Asaivo mialoha antsika ilay mpanompo,+ fa ianao kosa mijanòna mba hilazako ny tenin’Andriamanitra.” Koa lasa ilay mpanompo.

Fanamarihana