Tantara Voalohany 11:1-47

  • Nohosoran’ny Israelita rehetra ho mpanjaka i Davida (1-3)

  • Azon’i Davida i Ziona (4-9)

  • Ny miaramila matanjak’i Davida (10-47)

11  Tatỳ aoriana, dia nivory tany amin’i Davida tao Hebrona+ ny Israelita rehetra, ka niteny hoe: “Iray ra aminao* ihany izahay.+ 2  Ianao foana taloha no nitarika ny Israely rehefa nisy ady,* tamin’i Saoly mbola mpanjaka.+ Ary nilaza taminao i Jehovah Andriamanitrao hoe: ‘Ianao no ho mpiandry ny Israely vahoakako, ary ianao koa no ho mpitarika ny Israely vahoakako.’”+ 3  Tonga tany amin’ny mpanjaka tao Hebrona daholo àry ny anti-panahin’ny* Israely. Ary nanao fifanekena tamin’izy ireo teo anatrehan’i Jehovah tao Hebrona i Davida. Dia nohosoran’izy ireo ho mpanjakan’ny Israely i Davida,+ araka ny teny nasain’i Jehovah nolazain’i Samoela.+ 4  Tatỳ aoriana, dia nandeha nankany Jerosalema, izany hoe Jebosa,+ i Davida sy ny Israely rehetra. Ny Jebosita+ no nipetraka tao tamin’izany. 5  Nanesoeso an’i Davida ny mponin’i Jebosa hoe: “Tsy ho tafiditra eto mihitsy ianao!”+ Azon’i Davida ihany anefa i Ziona,+ ilay tanàna voaro mafy, ilay lasa nantsoina hoe Tanànan’i Davida.+ 6  Dia hoy i Davida: “Izay mamely voalohany an’ireo Jebosita ireo, dia ho lehiben’ny* tafika sy ho andriana.” I Joaba+ zanak’i Zeroia no niakatra voalohany, ka izy no lasa lehiben’ny tafika. 7  Dia nanorim-ponenana tao amin’ilay tanàna voaro mafy i Davida. Izany no antony niantsoana azy io hoe Tanànan’i Davida. 8  Ary nanorina manda sy trano hafa tao amin’ilay tanàna izy, nanomboka teo amin’ilay Havoana* ka hatreny amin’ny manodidina. Naverin’i Joaba hoatran’ny taloha koa ny sisa tamin’ilay tanàna. 9  Dia vao mainka nihanahery i Davida,+ sady nampian’i Jehovah Tompon’ny tafika. 10  Ireto avy ny lehiben’ireo miaramila matanjaka tao amin’ny tafik’i Davida, izay tena nanohana ny fanjakany, niaraka tamin’ny Israely rehetra. Nataon’izy rehetra ireo mpanjaka izy, araka ny nampanantenain’i Jehovah ny Israely.+ 11  Izao no lisitr’ireo miaramila matanjaka tao amin’ny tafik’i Davida: I Jasobeama,+ taranak’i Hakmony, lehiben’izy telo lahy.+ Nampiasa ny lefony izy, indray mandeha, dia nahafaty 300 lahy.+ 12  Ary manarakaraka azy i Eleazara+ zanak’i Dodo Ahohita.+ Anisan’ireo miaramila matanjaka telo izy. 13  Niaraka tamin’i Davida tao Pasy-damima+ izy, ary tonga tao ny Filistinina mba hiady tamin’ny Israelita. Nisy saha feno vary orza naniry tao tamin’izay. Dia lasa nitsoaka ny olona satria natahotra an’ireo Filistinina ireo. 14  Fa izy kosa nijoro teo afovoan’ilay saha ka niaro an’ilay izy, ary namono an’ireo Filistinina. Nanome fandresena miezinezina* i Jehovah tamin’izay.+ 15  Nidina nankany amin’ny harambato ny 3 tamin’ireo 30 lahy lehiben’ny tafika, ka tonga tany amin’i Davida tao amin’ilay lava-bato tao Adolama.+ Efa nisy Filistinina nitoby teny amin’ny Lohasahan’ny* Refaima tamin’izay.+ 16  I Davida kosa tao amin’ilay toerana niafenany. Ary nisy toby miaramilan’ny Filistinina tao Betlehema. 17  Nangetaheta be i Davida ka hoy izy: “Raha izao aho izao no mba afaka misotro rano avy ao amin’ilay lavaka fanangonan-drano eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema a!”+ 18  Dia niditra an-keriny tao amin’ny tobin’ny Filistinina izy telo lahy. Nanovo rano tao amin’ilay lavaka fanangonan-drano teo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema izy ireo, ary nitondra an’ilay izy tany amin’i Davida. Tsy nety nisotro anefa izy, fa nararany ho an’i Jehovah ilay rano. 19  Ary hoy izy: “Sanatria ahy ny hanao an’izany! Izaho ange matahotra an’Andriamanitra e! Izaho ve dia hisotro ny ran’ireo lehilahy nanao vivery ny ainy ireo?+ Ry zareo aza nanao vivery ny ainy mba hitondrana an’ilay rano atỳ amiko.” Tsy nety nisotro an’ilay rano àry izy. Izany no nataon’ireo miaramila matanjaka telo ireo. 20  Lasa lehiben’ny miaramila telo hafa i Abisay+ rahalahin’i Joaba.+ Nampiasa ny lefony izy, ka nahafaty 300 lahy. Ary nalaza hoatran’ireo telo lahy ihany izy.+ 21  Tamin’izy telo lahy hafa, dia i Abisay no niavaka kokoa noho izy roa lahy. Izy koa no lehiben’izy ireo, saingy mbola tsy nitovy tamin’ireo telo lahy voalohany izy. 22  Lehilahy be herim-po* i Benaia+ zanak’i Joiada, ary nahavita zavatra niavaka maro tao Kabzela+ izy. Nahafaty an’ireo roa lahy zanak’i Ariela avy any Moaba izy, ary nidina tao anaty lavaka fanangonan-drano tamin’ny andro nisy lanezy, dia namono liona iray.+ 23  Namono lehilahy ejipsianina iray goavam-be koa izy. Nirefy dimy hakiho* ilay lehilahy.+ Nitana lefona hoatran’ny voditenon’ny* mpanenona+ ilay Ejipsianina. Niady taminy anefa i Benaia na dia kibay ihany aza no teny aminy. Nosintoniny teny an-tanan’ilay Ejipsianina ilay lefona, ka iny ihany no namonoany azy.+ 24  Izany no nataon’i Benaia zanak’i Joiada, ary nalaza hoatran’ireo miaramila matanjaka telo ihany izy. 25  Niavaka kokoa izy raha oharina amin’ireo 30 lahy, saingy tsy nahavita ny vitan’ireo telo lahy.+ Notendren’i Davida ho lehiben’ny mpiambina azy anefa izy. 26  Ireto avy ireo miaramila matanjaka tao amin’ny tafika: Asahela+ rahalahin’i Joaba, Elanana zanak’i Dodo avy any Betlehema,+ 27  Samota Harorita, Heleza Pelonita, 28  Ira+ zanak’i Ikesy Tekoita, Abi-ezera+ Anatotita, 29  Sibekay+ Hosatita, Ely Ahohita, 30  Maharay+ Netofatita, Heleda+ zanak’i Bana Netofatita, 31  Itahy zanak’i Ribay avy any Gibea tanànan’ny Benjaminita,+ Benaia Piratonita, 32  Horay avy any amin’ny lohasahan’i* Gasa,+ Abiela Arbatita, 33  Azmaveta Baharomita, Eliaba Salbonita, 34  ny zanak’i Hasema Gizonita, Jonatana zanak’i Sage Hararita, 35  Ahiama zanak’i Sakara Hararita, Elifala zanak’i Ora, 36  Hefera Mekeratita, Ahia Pelonita, 37  Hezro Karmelita, Naray zanak’i Ezbay, 38  Joela rahalahin’i Natana, Mibara zanak’i Hagry; 39  Zaleka Amonita, Naharay Berotita mpitondra ny fiadian’i Joaba zanak’i Zeroia, 40  Ira Jitrita, Gareba Jitrita, 41  Oria+ Hetita, Zabada zanak’i Ahelay, 42  Adina zanak’i Siza Robenita, lehiben’ny tafiky ny Robenita, ary 30 lahy no niaraka taminy; 43  Hanana zanak’i Maka, Josafata Mitnita, 44  Ozia Asteratita, Sama sy Jeiela zanak’i Hotama Aroerita, 45  Jediaela zanak’i Simry, Joha Tizita rahalahiny, 46  Eliela Mahavita, Jeribay sy Josavia zanak’i Elnama, Jitma Moabita, 47  Eliela, Obeda, ary Jasiela Mezobaita.

Fanamarihana

Abt: “Taolanao sy nofonao.”
Abt: “Ianao no nitondra ny Israely nivoaka sy niditra.”
Jereo F.T.
Abt: “lohan’ny.”
Na: “Milo.” Teny hebreo midika hoe “manototra.” Mety ho tany nototofana izy io.
Na: “famonjena lehibe.”
Na: “Lemaka Ivan’ny.”
Abt: “Zanaky ny lehilahy iray nahery fo.”
2,23 m eo ho eo ny haavony. Jereo F.F. B14.
Hazo ngezabe fampiasan’ny mpanao tenona.
Na: “lalan-driakan’i.”