Tantara Voalohany 15:1-29

  • Nentin’ny Levita nankany Jerosalema ny Vata (1-29)

    • Nanambany an’i Davida i Mikala (29)

15  Ary mbola nanao trano hafa ho an’ny tenany i Davida tao amin’ny Tanànan’i Davida. Nanomana toerana ho an’ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra koa izy, ka nanangana tranolay ho an’ilay izy.+ 2  Hoy i Davida tamin’izay: “Tsy misy mahazo milanja an’ilay Vata masin’Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany. Ry zareo mantsy no nofidin’i Jehovah hilanja ny Vata masin’i Jehovah sy hanompo Azy foana.”+ 3  Dia novorin’i Davida tany Jerosalema ny Israely rehetra, mba hampiakatra ny Vata masin’i Jehovah ho any amin’ilay toerana efa nomaniny hasiana azy.+ 4  Novorin’i Davida ny taranak’i Arona+ sy ny Levita:+ 5  Tamin’ny Kehatita, dia i Oriela mpiadidy sy ny rahalahiny 120; 6  tamin’ny Merarita, dia i Asaia+ mpiadidy sy ny rahalahiny 220; 7  tamin’ny Gersomita, dia i Joela+ mpiadidy sy ny rahalahiny 130; 8  tamin’ny taranak’i Elizafana,+ dia i Semaia mpiadidy sy ny rahalahiny 200; 9  tamin’ny taranak’i Hebrona, dia i Eliela mpiadidy sy ny rahalahiny 80; 10  ary tamin’ny taranak’i Oziela,+ dia i Aminadaba mpiadidy sy ny rahalahiny 112. 11  Nantsoin’i Davida koa i Zadoka+ sy Abiatara+ mpisorona, Oriela, Asaia, Joela, Semaia, Eliela, ary Aminadaba, izay samy Levita. 12  Dia hoy izy tamin’ireo: “Ianareo no lohan’ny fianakaviamben’ny Levita. Hamasino ny tenanareo sy ny rahalahinareo, dia ampiakaro any amin’ilay toerana efa nomaniko ho azy ny Vata masin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 13  Tsy nentinareo ilay izy tamin’ny voalohany+ ka tezitra be tamintsika i Jehovah Andriamanitsika.+ Tsy mba nofantarintsika mantsy hoe ahoana no tokony hatao.”+ 14  Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny Vata masin’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. 15  Avy eo dia nentin’ny Levita tamin’ny bao filanjana ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra, ka nataony teo an-tsorony.+ Izany mantsy no baikon’i Mosesy, araka ny tenin’i Jehovah. 16  Notenenin’i Davida ny mpiadidy teo amin’ny Levita mba hanendry ny rahalahiny mpihira. Nasaina nihira tamin’ny fo izy ireo, sady hampiaraka ny hirany amin’ny zavamaneno, dia zavamaneno fitendry sy harpa+ ary kipantsona.+ 17  Dia notendren’ny Levita i Hemana+ zanak’i Joela. Ny avy amin’ny fokony dia i Asafa+ zanak’i Berekia. Ny avy amin’ny Merarita rahalahin’izy ireo indray dia i Etana+ zanak’i Kosaia no voatendry. 18  Ary niaraka tamin’izy ireo ny rahalahiny tao amin’ny fizarana faharoa,+ dia i Zakaria, Bena, Jaziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Benaia, Mahaseia, Matitia, Elifeleho, Mikneia, ary Obeda-edoma sy Jeiela izay samy mpiandry vavahady. 19  I Hemana+ sy Asafa+ ary Etana mpihira no nasaina nampaneno ny kipantsona+ varahina. 20  I Zakaria, Aziela, Semiramota, Jehiela, Ony, Eliaba, Mahaseia, ary Benaia kosa no nitendry zavamaneno natao Alamota.*+ 21  I Matitia,+ Elifeleho, Mikneia, Obeda-edoma, Jeiela, ary Azazia indray no nitendry harpa natao Seminita,*+ ary izy ireo no mpitarika. 22  I Kenania,+ mpiadidy teo amin’ny Levita, no niandraikitra ny filanjana ny Vata, satria hainy tsara izany. 23  I Berekia sy Elkana no mpiandry vavahadin’ny toerana nisy ny Vata. 24  I Sebania, Josafata, Netanela, Amasay, Zakaria, Benaia, ary Eliezera, izay samy mpisorona no nitsoka mafy ny trompetra teo anoloan’ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra.+ Mpiandry vavahadin’ny toerana nisy ny Vata koa i Obeda-edoma sy Jehia. 25  Dia nankany an-tranon’i Obeda-edoma+ i Davida sy ny anti-panahin’ny Israely ary ny lehiben’ny arivo sady falifaly be, fa haka an’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah ka hampiakatra an’ilay izy avy any.+ 26  Nampian’ilay tena Andriamanitra ny Levita nilanja ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, ka nanao sorona vantotr’ombilahy fito sy ondrilahy fito.+ 27  Nanao akanjo tsy misy tanany vita tamin’ny lamba tena tsara i Davida sy ny Levita rehetra nilanja ny Vata, sy ny mpihira, ary Kenania lehiben’ny mpihira mpilanja an’ilay Vata. Nanao efoda vita tamin’ny kofehy rongony koa i Davida.+ 28  Dia nampiakatra ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah ny Israelita rehetra, ka faly sy nihorakoraka be+ sady nitsoka anjombona sy trompetra+ ary nampaneno kipantsona. Notendren’izy ireo mafy be koa ny zavamaneno fitendry sy ny harpa.+ 29  Rehefa tonga tao amin’ny Tanànan’i Davida anefa ilay Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ dia nitazana avy teo am-baravarankely i Mikala zanakavavin’i Saoly.+ Dia nahita an’i Davida Mpanjaka nandihindihy sy nifalifaly be izy, ka nanambany azy tao am-pony.+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Jereo F.T.