1 Tantara 16:1-43

16  Ary nampidirina+ ny Vata masin’Andriamanitra, ka napetraka tao amin’ny tranolay natsangan’i Davida ho azy io.+ Ary nanolotra fanatitra dorana sy sorona iombonana teo anatrehan’Andriamanitra+ ny olona.  Rehefa voatolotr’i Davida ny fanatitra dorana+ sy ny sorona iombonana,+ dia nitso-drano+ ny vahoaka tamin’ny anaran’i Jehovah izy.+  Ary nizarany+ mofo boribory sy mofo antrendry ary mofo vita tamin’ny voaloboka maina ny Israelita rehetra, na lahy na vavy.  Ary nisy Levita+ notendreny hanompo+ teo anoloan’ny Vata masin’i Jehovah, mba hanome fampahatsiahivana+ sy hisaotra+ ary hidera+ an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely,  ka i Asafa+ no lohany, ary nanarakaraka azy i Zakaria, Jeiela, Semiramota, Jehiela, Matitia, Eliaba, Benaia, Obeda-edoma, ary Jeiela,+ izay mpitendry lokanga sy harpa,+ ary i Asafa+ no nampaneno mafy ny kipantsona,+  ary i Benaia sy Jahaziela mpisorona, no nitsoka mandrakariva ny trompetra+ teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena nataon’Andriamanitra.  Tamin’izay andro izay i Davida vao nanolotra+ hira tamin’ny alalan’i Asafa+ sy ny rahalahiny, mba hisaorana+ an’i Jehovah:   “Misaora an’i Jehovah,+ rey olona, ary miantsoa ny anarany.+Ampahafantaro an’ireo firenena ny asany.+   Mihirà+ ho azy, ary manaova hira fiderana ho azy!+Saintsaino ny asany mahatalanjona rehetra.+ 10  Ataovy ho reharehanareo ny anarany+ masina,+Ary aoka hifaly ny fon’izay mitady an’i Jehovah.+ 11  Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny.+Mitadiava azy* mandrakariva.+ 12  Tsarovy ny asa mahatalanjona nataony,+Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana naloaky ny vavany,+ 13  Ry taranak’i Israely mpanompony ô,+Ry taranak’i Jakoba, eny, ianareo olom-boafidiny.+ 14  Izy no Jehovah Andriamanitsika.+ Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+ 15  Tsarovy mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fifanekena nataony,+Eny, tsarovy ny teny nandidiany, na dia hatramin’ny taranaka arivo mandimby aza.+ 16  Fifanekena nataony tamin’i Abrahama izany.+Nanao fianianana tamin’i Isaka koa izy,+ 17  Dia fianianana nataony ho fitsipika ho an’i Jakoba,+Sy ho fifanekena mandritra ny fotoana tsy voafetra ho an’i Israely.+ 18  Fa hoy izy: ‘Ianao no homeko ny tany Kanana+Ho anjara lovanareo.’+ 19  Mbola vitsy izy ireo tamin’izany,+Eny, vitsy kely sady vahiny nonina tao amin’ilay tany.+ 20  Nifindrafindra tany amin’ny firenena samihafa izy ireo,+Ary avy tany amin’ny fanjakana iray, dia nankany amin’ny firenen-kafa.+ 21  Tsy nisy navelan’Andriamanitra hanambaka an’ireo.+Fa nananatra mpanjaka mihitsy aza izy noho ny amin’ireo,+ 22  Ka nanao hoe: ‘Aza mikasika ny voahosotro,Ary aza manisy ratsy ny mpaminaniko.’+ 23  Mihirà ho an’i Jehovah, ianareo rehetra eto an-tany!+Ambarao isan’andro ny famonjena avy aminy!+ 24  Lazao amin’ireo firenena ny voninahiny,Ary amin’ny olona rehetra ny asany mahatalanjona. 25  Fa lehibe i Jehovah, ka tena mendrika hoderaina tokoa,+Sady tokony hatahorana mihoatra noho ny andriamanitra rehetra.+ 26  Fa andriamanitra tsy misy dikany daholo ny andriamanitry ny firenena.+I Jehovah kosa, izy no nanao ny lanitra.+ 27  Haja amam-boninahitra no eo anatrehany,+Ary hery sy fifaliana no ao amin’ny fonenany.+ 28  Ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah, ry fokom-pirenena,Eny, ekeo fa be voninahitra sy mahery i Jehovah.+ 29  Ekeo fa be voninahitra ny anaran’i Jehovah,+Mitondrà fanomezana ary midira eo anatrehany.+Miankohofa eo anatrehan’i Jehovah amin’ny fitafiana masina.+ 30  Matahora* azy, ry mponin’ny tany manontolo!Mafy orina ny tany lonaka,Ka tsy ho voahozongozona mandrakizay.+ 31  Aoka hiravoravo ny lanitra, ary hifaly ny tany,+Aoka ireny hilaza amin’ireo firenena hoe: ‘Lasa mpanjaka i Jehovah!’+ 32  Aoka hanandra-peo ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy,+Ary hifaly ny saha sy izay rehetra eo aminy.+ 33  Aoka ny hazo any an’ala hihoby noho ny amin’i Jehovah,+Fa tonga hitsara ny tany izy.+ 34  Misaora an’i Jehovah fa tsara izy,+Fa mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.+ 35  Lazao hoe: ‘Vonjeo izahay, ry Andriamanitra mpamonjy anay ô,+Angony izahay ary afaho eo an-tanan’ireo firenena,+Mba hisaoranay ny anaranao masina,+ ary mba ho faly hidera anao izahay.+ 36  Hisaorana anie i Jehovah, ilay Andriamanitry ny Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay!’”+ Ary ny olona rehetra nanao hoe: “Amena!”,* sady nidera an’i Jehovah.+ 37  Dia navelan’i Davida teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, i Asafa+ mbamin’ny rahalahiny mba hanompo+ mandrakariva eo anoloan’ilay Vata, araka izay nilaina ho an’ny andro tsirairay.+ 38  Navelany teo koa i Obeda-edoma sy ny rahalahiny, valo amby enimpolo, ary i Obeda-edoma zanak’i Jedotona, sy i Hosa, ho mpiandry vavahady. 39  Ary i Zadoka+ mpisorona mbamin’ny rahalahiny mpisorona, no teo anoloan’ny tranolain’i Jehovah teo amin’ny toerana avo, tany Gibeona,+ 40  mba hanolotra tsy tapaka fanatitra dorana ho an’i Jehovah, ka hanao izany marain-tsy hariva eo amin’ny alitaran’ny fanatitra dorana, ary mba hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Jehovah izay nandidiany ny Israely.+ 41  Niaraka tamin’izy ireo koa i Hemana+ sy Jedotona ary ny sisa tamin’ny lehilahy voafidy sy voatonona+ anarana mba hisaotra an’i Jehovah,+ satria “mandrakizay ny hatsaram-panahiny feno fitiavana.”+ 42  Ary i Hemana+ sy Jedotona+ no nampaneno ny trompetra+ sy ny kipantsona ary ny zavamaneno nanaovana hira ho an’Andriamanitra, ary ny zanakalahin’i+ Jedotona no teo am-bavahady. 43  Dia samy nody tany an-tranony ny olona rehetra.+ Ary lasa nody koa i Davida mba hitso-drano ny ankohonany.

Fanamarihana

A.b.t.: “Mitadiava ny tavany.”
Na: “Aoka ianareo hanaintaina mafy.”
Midika hoe “Ho tanteraka anie izany!”