1 Tantara 17:1-27

17  Ary raha vao tafapetraka tao an-dapany i Davida,+ dia hoy izy tamin’i Natana+ mpaminany: “Jereo fa izaho mipetraka amin’ny trano sedera,+ nefa ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah mipetraka anaty tranolay!”+  Dia hoy i Natana taminy: “Ataovy izay rehetra ao am-ponao,+ fa momba anao Andriamanitra.”+  Ny alin’iny, dia tonga tamin’i Natana ny tenin’Andriamanitra+ nanao hoe:  “Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: ‘Izao no nolazain’i Jehovah: “Tsy ianao no hanorina trano hipetrahako.+  Fa tsy nipetraka tao anaty trano aho, hatramin’ny andro nitondrako ny Israely niakatra avy tany Ejipta ka mandraka androany.+ Nifindrafindra tranolay+ foana aho, ary nifindrafindra fonenana.+  Nandritra ny fotoana nandehandehanako+ teo amin’ny Israely, moa ve efa nisy iray tamin’ny mpitsaran’ny Israely, izay nodidiako hiandry ny oloko, mba efa nilazako hoe: ‘Nahoana ianareo no tsy nanorina trano sedera ho ahy?’”’+  “Koa izao no holazainao amin’i Davida mpanompoko: ‘Izao no nolazain’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Izaho no naka anao avy teny amin’ny kijana, teny am-piandrasana ondry,+ mba ho mpitarika+ ny Israely oloko.  Ary homba anao aho na aiza na aiza alehanao,+ ka haringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao+ rehetra. Dia hataoko malaza tokoa ny anaranao,+ toy ny anaran’ny olo-malaza eny ambonin’ny tany.+  Ary hifidy toerana ho an’ny Israely oloko aho ka hampitoetra* azy.+ Dia honina eo amin’izay misy azy izy, ka tsy ho voahelingelina intsony. Ary ny zanaky ny tsy fahamarinana+ tsy hanasatra azy toy ny tamin’ny voalohany intsony,+ 10  sy toy ny tamin’ny fotoana nanendreko mpitsara+ hifehy ny Israely oloko. Haetriko ny fahavalonao rehetra,+ ary hoy aho aminao: ‘Hanome taranaka anao i Jehovah.’+ 11  “‘“Rehefa tapitra ny andronao ka ho lasa any amin’ny razanao ianao,+ dia hotendreko ny taranaka handimby anao, dia ny iray amin’ny zanakao lahy,+ ary hataoko mafy orina tokoa ny fanjakany.+ 12  Izy no hanorina trano ho ahy.+ Ary hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianany.+ 13  Izaho ho rainy,+ ary izy ho zanako.+ Ary ny hatsaram-panahiko feno fitiavana dia tsy hesoriko aminy+ toy ny nanesorako izany tamin’ilay talohanao.+ 14  Ary hampitoeriko ao amin’ny ankohonako+ sy eo amin’ny fanjakako+ izy, mandritra ny fotoana tsy voafetra. Dia haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianany.”’”+ 15  Koa niresaka tamin’i Davida araka izany teny sy fahitana rehetra izany i Natana.+ 16  Dia niditra teo anatrehan’i Jehovah+ i Davida Mpanjaka ka nipetraka, ary nilaza hoe: “Zinona moa aho,+ Jehovah Andriamanitra ô? Zinona moa ny ankohonako+ no nataonao lasa toy izao aho?+ 17  Ary toy ny hoe tsy ampy izany efa nataonao izany,+ Andriamanitra ô,+ fa mbola nilazanao koa aho hoe haharitra hatrany aoriana lavitra any ny taranaky ny mpanomponao.+ Mihevitra ahy ho toy ny olona ambony ianao,+ Jehovah Andriamanitra ô! 18  Inona intsony moa no azon’i Davida lazaina aminao, momba ny voninahitra nomenao ny mpanomponao?+ Ianao efa mahalala tsara ny mpanomponao.+ 19  Fa noho ny amin’ny mpanomponao sy araka izay sitraky ny fonao,+ Jehovah ô, no nanaovanao izany zavatra lehibe rehetra izany ka nampihariharianao ny zava-bita miavaka rehetra.+ 20  Fa tsy misy tahaka anao, Jehovah ô!+ Ary tsy misy Andriamanitra ankoatra anao+ amin’izay rehetra efa renay. 21  Ary firenena iza eto an-tany no tahaka ny Israely+ olonao, izay navotan’Andriamanitra ho olony?+ Nataon’Andriamanitra izany mba hampahalaza ny anarany. Nanao zavatra miavaka+ sy mampahatahotra koa ianao, ka nandroaka an’ireo firenena+ tsy ho eo anatrehan’ny olonao izay navotanao avy tany Ejipta. 22  Ary nataonao ho olonao mandritra ny fotoana tsy voafetra ny Israely olonao.+ Ary ianao, Jehovah ô, no lasa Andriamaniny.+ 23  Koa ankehitriny, Jehovah ô, aoka ho azo itokisana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny teninao momba ny mpanomponao sy ny taranany. Ary ataovy izay efa nolazainao. 24  Aoka ho azo itokisana sy ho be voninahitra+ mandritra ny fotoana tsy voafetra ny anaranao,+ ary aoka ny olona hilaza hoe: ‘I Jehovah Tompon’ny tafika,+ Andriamanitry ny Israely,+ no Andriamanitra ho an’ny Israely.’+ Aoka koa haharitra eo anatrehanao ny taranak’i Davida mpanomponao.+ 25  Fa ianao Andriamanitro ô, no nampahafantatra ny mpanomponao ny fikasanao hanome taranaka ho azy.+ Izany no mahatonga ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao. 26  Koa ankehitriny, Jehovah ô, ianao no tena Andriamanitra,+ ary mampanantena izany zava-tsoa izany ho an’ny mpanomponao ianao.+ 27  Aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao, mba haharetany mandritra ny fotoana tsy voafetra eo anatrehanao.+ Fa ianao, Jehovah ô, no efa nitahy azy, ka dia voatahy mandritra ny fotoana tsy voafetra izy.”+

Fanamarihana

A.b.t.: “hamboly.”