1 Tantara 18:1-17

18  Taorian’izay, dia notafihin’i Davida ny Filistinina+ ka resiny. Ary nalainy teo an-tanan’izy ireo i Gata+ sy ny tanàna miankina aminy.  Notafihiny koa i Moaba,+ ka lasa mpanompony ny Moabita ary nandoa hetra taminy.+  Ary notafihin’i Davida tany Hamata+ i Hadadezera+ mpanjakan’i Zoba,+ tamin’izy io nitady hanitatra ny fahefany tany amin’ny reniranon’i Eofrata.+  Ary azon’i Davida ho babo ny kalesiny arivo sy mpitaingin-tsoavaliny fito arivo, ary lehilahy roa alina nandeha an-tongotra.+ Ary notapahin’i Davida ny hoza-tongotry+ ny soavaly+ rehetra mpitarika kalesy, fa soavaly zato sisa no tsy nataony na inona na inona.  Rehefa tonga hanampy an’i Hadadezera mpanjakan’i Zoba+ ny Syrianina avy any Damaskosy, dia nahafatesan’i Davida roa arivo sy roa alina izy ireo.  Ary nametraka toby miaramila tany Damaskosin’i+ Syria i Davida. Dia lasa mpanompony ny Syrianina, ka nandoa hetra taminy.+ Ary novonjen’i Jehovah foana i Davida, na taiza na taiza nalehany.+  Nalain’i Davida koa ny ampinga+ volamena boribory teny amin’ireo mpanompon’i Hadadezera, ka nentiny tany Jerosalema.+  Ary naka varahina be dia be avy tany Tibata+ sy Kona, tanànan’i Hadadezera, i Davida. Ireny no nanaovan’i Solomona ilay fitoeran-drano lehibe nantsoina hoe ranomasina varahina,+ sy ny andry,+ ary ny fanaka varahina.+  Ren’i Toy mpanjakan’i Hamata+ fa resin’i Davida ny tafika manontolon’i Hadadezera+ mpanjakan’i Zoba. 10  Koa avy hatrany dia nirahiny ho any amin’i Davida Mpanjaka i Hadorama+ zanany lahy, mba hanontany ny fahasalamany sy hiarahaba azy noho ny niadiany tamin’i Hadadezera ka nandreseny azy. I Hadadezera mantsy efa niady matetika tamin’i Toy. Ary nampitondrainy zavatra isan-karazany vita tamin’ny volamena sy volafotsy+ ary varahina izy. 11  Nohamasinin’i+ Davida Mpanjaka ho an’i Jehovah koa ireny, mbamin’ny volafotsy sy ny volamena nentiny avy tany amin’ny firenena rehetra,+ dia i Edoma sy Moaba,+ sy ny taranak’i Amona+ sy ny Filistinina,+ ary ny Amalekita.+ 12  Ary i Abisay+ zanak’i Zeroia+ nahafaty Edomita valo arivo sy iray alina teo amin’ny Lohasahan-tsira.+ 13  Koa nametrahany toby miaramila tany Edoma, ka lasa mpanompon’i Davida ny Edomita rehetra.+ Ary novonjen’i Jehovah foana i Davida, na taiza na taiza nalehany.+ 14  Dia nanjaka teo amin’ny Israely rehetra i Davida,+ ka namoaka didim-pitsarana sy nampihatra ny rariny foana teo amin’ny vahoakany manontolo.+ 15  I Joaba zanak’i Zeroia no lehiben’ny tafika;+ Josafata+ zanak’i Ahiloda no mpanoratra ny raharaham-panjakana; 16  Zadoka+ zanak’i Ahitoba sy Ahimeleka+ zanak’i Abiatara no mpisorona; Saosa+ no mpitan-tsoratra; 17  ary Benaia+ zanak’i Joiada+ no lehiben’ny Keretita+ sy ny Peletita.+ Ary ny zanakalahin’i Davida no manamboninahitra ambony indrindra teo akaikin’ny mpanjaka.+

Fanamarihana