Tantara Voalohany 20:1-8

  • Resy i Raba (1-3)

  • Maty ireo Filistinina goavam-be (4-8)

20  Fiandohan’ny taona tamin’izay,* sady fotoana fandehanan’ny mpanjaka hiady. Nitarika miaramila àry i Joaba+ dia noravany ny tanin’ny Amonita. Nanao fahirano an’i Raba+ izy tamin’izay, fa i Davida kosa nijanona tao Jerosalema.+ Notafihin’i Joaba i Raba avy eo, dia noravany.+ 2  Taorian’izay dia nesorin’i Davida ilay satroboninahitra volamena teny an-dohan’i Malkama, ary hitany fa iray talenta* no lanjan’izy io, ary nisy vatosoa ilay izy. Dia natao teo amin’ny lohan’i Davida ilay izy. Naka zavatra be dia be avy tao amin’ilay tanàna koa izy.+ 3  Nentiny koa ny olona tao, ka nampiasainy+ mba hanatsofa vato, sy hiasa amin’ny fitaovana vy maranitra sy famaky. Nataon’i Davida hoatr’izany daholo ny tanànan’ny Amonita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny miaramila rehetra. 4  Taorian’izay, dia raikitra ny ady tamin’ny Filistinina, tao Gazera. Tamin’izay i Sibekay+ Hosatita no nahafaty an’i Sipay, taranaky ny Refaima,+ ka resy ny Filistinina. 5  Ary raikitra indray ny ady tamin’ny Filistinina. Dia novonoin’i Elanana zanak’i Jaira i Lamy, rahalahin’i Goliata+ Gatita, ilay nanana tahon-defona hoatran’ny voditenon’ny mpanenona.+ 6  Raikitra indray ny ady tany Gata,+ ary nisy lehilahy iray goavam-be tao.+ Enina avy ny rantsantanany sy ny rantsantongony, ka 24 ny fitambarany. Taranaky ny Refaima koa izy.+ 7  Nila ady+ tamin’ny Israely foana izy, ka novonoin’i Jonatana zanak’i Simea+ rahalahin’i Davida. 8  Ireo no taranaky ny Refaima+ tany Gata,+ ary ny tanan’i Davida sy ny mpanompony no namono azy ireo.

Fanamarihana

Izany hoe tamin’ny lohataona tany Israely (manomboka Martsa na Aprily). Jereo F.F. B15.
34,2 kg teo ho eo. Jereo F.F. B14.