Tantara Voalohany 21:1-30

  • Fanisam-bahoaka tsy tokony ho nataon’i Davida (1-6)

  • Sazy avy amin’i Jehovah (7-17)

  • Nanorina alitara i Davida (18-30)

21  Dia tapa-kevitra ny hanisy ratsy ny Israely i Satana,* ka nampirisika an’i Davida hanisa an’ilay vahoaka.+ 2  Hoy àry i Davida tamin’i Joaba+ sy ny lehiben’ny vahoaka: “Mandehana isao ny Israely hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana.+ Dia teneno ahy avy eo mba hahafantarako ny isany.” 3  Hoy anefa i Joaba: “Hampitomboin’i Jehovah avo 100 heny anie ny isan’ny vahoakany! Angaha moa tsy efa mpanomponao daholo izy rehetra, ry mpanjaka tompoko ô? Fa maninona ianao, tompoko, no te hanao an’izany? Maninona no dia ataonao izay hahatonga ny Israely hanota?” 4  Tsy naharesy lahatra ny mpanjaka anefa i Joaba. Lasa nitety ny tanin’ny Israely manontolo àry izy, ary tafaverina tany Jerosalema avy eo.+ 5  Dia nomen’i Joaba an’i Davida ny isan’ny olona voasoratra anarana. Nisy 1 100 000 ny lehilahy mpitan-tsabatra teo amin’ny Israely rehetra, ary 470 000 kosa ny teo amin’ny Joda.+ 6  Tsy voasoratra anarana niaraka tamin’ireo anefa ny fokon’i Levy sy Benjamina.+ Tsy tian’i Joaba mihitsy mantsy ny tenin’ny mpanjaka.+ 7  Dia tena tsy faly tamin’izany ilay tena Andriamanitra, ka nosaziny ny Israely. 8  Niteny tamin’ilay tena Andriamanitra àry i Davida hoe: “Tena nanao fahotana+ lehibe aho tamin’iny zavatra nataoko iny. Mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao e!+ Fa nanao hadalana be mihitsy aho.”+ 9  Dia hoy i Jehovah tamin’i Gada,+ ilay mpahita fahitana ho an’i Davida: 10  “Mandehana lazao amin’i Davida hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Omeko safidy telo ianao, dia fidio izay iray tianao hataoko aminao.”’” 11  Nankao amin’i Davida àry i Gada, ka niteny taminy hoe: “Izao no tenin’i Jehovah: ‘Mifidiana ianao amin’ireto: 12  Mosary telo taona ve?+ Sa haripaky ny fahavalonao telo volana ka hasiany amin’ny sabatra?+ Sa hasian’i Jehovah amin’ny sabatra mandritra ny telo andro, izany hoe handefasany areti-mandringana eto amin’ny taninao,+ ka hisy anjelin’i Jehovah handringana+ manerana ny faritry ny Israely?’ Eritrereto tsara hoe inona no havaliko an’Ilay naniraka ahy.” 13  Dia hoy i Davida tamin’i Gada: “Sahiran-tsaina be aho. Aleoko anefa azon’ny tanan’i Jehovah, toy izay azon’ny tanan’olona.+ Tena be famindram-po mantsy izy.”+ 14  Nandefa areti-mandringana+ teo amin’ny Israely àry i Jehovah, ka Israelita 70 000 no maty.+ 15  Ankoatra izany, dia nisy anjely nirahin’Andriamanitra handringana ny tao Jerosalema. Vao saika handringana anefa ilay anjely, dia hitan’i Jehovah izany, ka nanenina* izy noho ilay loza.+ Hoy àry izy tamin’ilay anjely nandringana: “Ampy izay!+ Ampidino amin’izay ny tananao.” Nijoro teo akaikin’ny famoloan’i Ornana+ Jebosita+ ilay anjelin’i Jehovah tamin’izay. 16  Rehefa nitraka i Davida, dia nahita an’ilay anjelin’i Jehovah nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, sady nitana sabatra+ nanondro an’i Jerosalema, dia sabatra voatsoaka tao anaty tranony. Tonga dia niankohoka tamin’ny tany+ i Davida sy ny anti-panahy, izay samy niakanjo gony.+ 17  Dia hoy i Davida tamin’ilay tena Andriamanitra: “Fa angaha tsy izaho no naniraka hoe isao ny vahoaka? Izaho no nanota ary izaho no nanao ratsy.+ Fa inona moa no nataon’ireo ondry ireo? Izaho sy ny ankohonan-draiko re asiana, Jehovah Andriamanitro ô! Fa aza mandefa loza amin’ireto vahoakanao ireto.”+ 18  Dia nasain’ilay anjelin’i Jehovah nilaza tamin’i Davida i Gada+ mba hiakatra, ka hanangana alitara ho an’i Jehovah eo amin’ny famoloan’i Ornana Jebosita.+ 19  Dia nataon’i Davida izay nolazain’i Gada tamin’ny anaran’i Jehovah, ka niakatra izy. 20  I Ornana indray tamin’izay nanosihosy varimbazaha teny am-pamoloana. Dia niherika izy ka nahita an’ilay anjely, fa ny zanany efa-dahy niaraka taminy kosa niafina. 21  Rehefa nankeo amin’i Ornana i Davida, dia nitazana i Ornana ka nahita azy. Tonga dia niala teo am-pamoloana àry i Ornana ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany. 22  Hoy i Davida tamin’i Ornana: “Mba amidio amiko* ity tany misy ny famoloana ity, fa te hanorina alitara ho an’i Jehovah eto aho. Amidio amiko araka izay tena vidiny ilay izy. Amin’izay mba mitsahatra ilay loza mahazo ny vahoaka.”+ 23  Hoy anefa i Ornana tamin’i Davida: “Alaivo ho anao ny famoloana, dia ataovy izay hitan’ny mpanjaka tompoko fa mety.* Ireo fa omeko ny omby hatao fanatitra dorana. Dia ireo koa ny fitaovana fanosihosena varimbazaha+ hatao kitay, ary ny varimbazaha hatao fanatitra. Omeko daholo izy rehetra.” 24  Hoy anefa i Davida Mpanjaka tamin’i Ornana: “Tsy mety izany, fa tsy maintsy hovidiko amin’izay tena vidiny ireo. Tsy ny fanananao mantsy no homeko an’i Jehovah, ary tsy zavatra azoko maimaim-poana no hatolotro ho sorona dorana.”+ 25  Nomen’i Davida volamena 600 sekely* àry i Ornana ho vidin’ilay tany. 26  Ary nanorina alitara+ ho an’i Jehovah teo i Davida, ka nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana. Niantso an’i Jehovah koa izy. Dia novaliany izy, ka nisy afo+ avy any an-danitra nalatsany teo ambonin’ilay alitara fanaovana fanatitra dorana. 27  Dia nasain’i Jehovah namerina ny sabany tao anaty tranony ilay anjely.+ 28  Rehefa hitan’i Davida àry tamin’izay hoe teo amin’ilay famoloan’i Ornana Jebosita i Jehovah no namaly azy, dia teo foana izy no nanao sorona. 29  Teo amin’ny toerana avo tany Gibeona+ anefa tamin’izany andro izany ilay tranolain’i Jehovah nataon’i Mosesy tany an-tany efitra, sy ilay alitara fanaovana fanatitra dorana, 30  saingy tsy nankany i Davida mba hanontany an’Andriamanitra. Natahotra be mantsy izy nahita ny sabatr’ilay anjelin’i Jehovah.

Fanamarihana

Na mety hoe “ny mpanohitra.”
Na: “nalahelo be.”
Abt: “omeo ahy.”
Na: “izay tsara eo imason’ny mpanjaka tompoko.”
1 sekely = 11,4 g. Jereo F.F. B14.