1 Tantara 22:1-19

22  Dia hoy i Davida: “Eto no hisy ny tranon’i+ Jehovah Andriamanitra, ary eto no hisy alitara+ hanoloran’ny Israely fanatitra dorana.”  Koa nasain’i Davida novorina ny vahiny+ nonina teo amin’ny tanin’ny Israely, ka notendreny ho mpipai-bato+ mba hanao vato efajoro+ hanorenana ny tranon’Andriamanitra.  Ary nanomana vy be dia be i Davida mba hanaovana fantsika ho an’ny vavahady sy latsim-baravarana. Nanomana varahina be dia be tsy hita lanja koa izy,+  sy hazo sedera+ tsy hita isa, fa nitondra hazo sedera be dia be ho an’i Davida ny olona avy any Sidona+ sy Tyro.+  Dia hoy i Davida: “Mbola kely sy tanora fanahy+ i Solomona zanako, nefa trano faran’izay kanto+ no haorina ho an’i Jehovah, mba tsy hisy trano tsara noho izy io any amin’ny tany rehetra. Koa hanomana izay ilainy aho.” Dia nanomana zavatra be dia be i Davida talohan’ny nahafatesany.+  Ary niantso an’i Solomona zanany izy, ka nandidy azy hanorina trano ho an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.  Dia hoy izy tamin’i Solomona zanany: “Mba nirin’ny foko+ ny hanorina trano ho an’ny anaran’i+ Jehovah Andriamanitro.  Tonga tamiko anefa ny tenin’i Jehovah hoe: ‘Be dia be ny ra nalatsakao,+ ary efa nanao ady lehibe maro ianao,+ ka tsy mahazo manao trano ho an’ny anarako,+ satria be tokoa ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo anatrehako.  Hisy zazalahy+ haterakao, ary ho tia fihavanana izy. Hataoko mandry feizay izy eo anivon’ny fahavalo rehetra manodidina azy,+ satria Solomona*+ no ho anarany. Ary hataoko miadana+ sy milamina ny Israely amin’ny androny. 10  Izy no hanao trano ho an’ny anarako,+ ary ho zanako+ izy ary izaho ho rainy.+ Dia hataoko mafy orina mandritra ny fotoana tsy voafetra ny seza fiandrianan’ny fanjakany+ eo amin’ny Israely.’ 11  “Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Jehovah, ka hahomby izay hataonao! Aoreno àry ny tranon’i Jehovah Andriamanitrao, araka izay efa nolazainy momba anao.+ 12  Hahatonga anao ho malina sy mahira-tsaina anie i Jehovah!+ Ary homeny fahefana hitarika ny Israely anie ianao, mba hitandremanao ny lalàn’i Jehovah Andriamanitrao!+ 13  Koa hahomby+ ianao raha mitandrina mba hanaraka ny fitsipika+ sy ny didim-pitsarana+ nandidian’i+ Jehovah an’i Mosesy ho an’ny Israely. Mahereza sy matanjaha.+ Ary aza matahotra+ na mihorohoro.+ 14  Na teo aza ny fahoriako,+ dia efa nanomana talenta volamena+ iray hetsy aho, ary koa talenta volafotsy iray tapitrisa ho an’ny tranon’i Jehovah. Tsy hita lanja koa ny varahina+ sy ny vy,+ fa tena be dia be. Ary efa nanomana hazo sy vato koa aho, nefa mbola mila ampianao ireo. 15  Efa manana mpiasa maro be ianao, dia mpipai-bato sy mpanao vato+ sy mpandrafitra ary olona mahay ny karazan’asa rehetra.+ 16  Tsy hita isa koa ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina ary ny vy.+ Koa ataovy ilay asa,+ ary homba anao anie i Jehovah!”+ 17  Ary nasain’i Davida nanampy an’i Solomona zanany ny andriana rehetran’ny Israely, ka hoy izy: 18  “Tsy momba anareo ve i Jehovah Andriamanitrareo?+ Ary moa ve ianareo tsy efa nataony nandry feizay teo anivon’ny fahavalonareo rehetra nanodidina?+ Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina teto amin’ity tany ity, ary efa resy teo anoloan’i Jehovah+ sy ny vahoakany ity tany ity. 19  Koa ankehitriny, mitadiava an’i Jehovah Andriamanitrareo+ amin’ny fonareo manontolo sy ny herinareo manontolo.*+ Koa aoreno ny toerana masin’i+ Jehovah Andriamanitra.+ Amin’izay dia ho azo entina ao amin’ilay trano haorina ho an’ny anaran’i+ Jehovah ny Vata+ misy ny fifanekena nataon’i Jehovah, sy ny fitaovana masin’Andriamanitra.”

Fanamarihana

Avy amin’ny fototeny midika hoe “fiadanana.”
Na: “tenanareo manontolo.”