1 Tantara 23:1-32

23  Ary efa antitra+ i Davida sady voky andro, ka nataony mpanjakan’ny Israely i Solomona+ zanany.  Dia novoriny daholo ny andrianan’ny+ Israely, mbamin’ny mpisorona+ sy ny Levita.+  Koa nisaina àry ny Levita, telopolo taona no ho miakatra,+ ka valo arivo sy telo alina ny vatan-dehilahy rehefa nisaina tsirairay.*  Ny efatra arivo sy roa alina amin’ireo dia ho mpanara-maso ny asa ao an-tranon’i Jehovah, ny enina arivo ho mpiadidy+ sy mpitsara,+  ny efatra arivo ho mpiandry vavahady,+ ary ny efatra arivo ho mpidera+ an’i Jehovah amin’ny zavamaneno+ izay nolazain’i Davida hoe: “Nataoko hiderana Azy ireto.”  Dia notsinjarain’i Davida ireo ka nozarainy+ araka ny zanak’i Levy,+ dia i Gersona sy Kehata ary Merary.  Ny Gersonita dia i Ladana sy Simey.  Ny zanak’i Ladana dia i Jehiela+ filoha sy Zetama ary Joela.+ Telo izy ireo.  Ny zanak’i Simey dia i Selomota sy Haziela ary Harana. Telo izy ireo. Ireo no lohan’ireo fianakaviambe, ho an’i Ladana. 10  Ary ny zanak’i Simey dia i Jahata sy Zina* sy Jeosy ary Beria. Izy efa-dahy ireo no zanak’i Simey. 11  I Jahata no filoha, ary i Ziza no faharoa. Tsy nanan-janakalahy maro na i Jeosy na i Beria, ka nisaina ho fianakaviambe*+ iray ary nomena andraikitra iray ihany. 12  Ny zanak’i Kehata+ dia i Amrama sy Jizara+ sy Hebrona+ ary Oziela.+ Efatra izy ireo. 13  Ny zanak’i Amrama dia i Arona+ sy Mosesy.+ Ary natokana+ mba hanamasina ny Masina Indrindra+ i Arona, eny, izy sy ny taranany mandritra ny fotoana tsy voafetra, mba hanolotra setroka ho sorona+ eo anatrehan’i Jehovah sy hanompo azy+ ary hitso-drano+ amin’ny anarany mandritra ny fotoana tsy voafetra. 14  Izao kosa ny amin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra:+ Nanan-janaka lahy koa izy ary mbola nisaina ho anisan’ny fokon’i Levy ihany ireo.+ 15  I Gersoma+ sy Eliezera+ no zanak’i Mosesy. 16  Ary ny filohan’ny taranak’i Gersoma dia i Seboela.+ 17  Ary ny filohan’ny taranak’i Eliezera dia i Rehabia.+ Tsy nanan-janaka lahy hafa intsony i Eliezera, fa be dia be kosa ny zanakalahin’i Rehabia. 18  Ary ny filohan’ny taranak’i Jizara+ dia i Selomita.+ 19  Ary tamin’ny taranak’i Hebrona dia i Jeria no filoha, ary Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo ary Jekameama+ no fahefatra. 20  Ary tamin’ny taranak’i Oziela+ dia i Mika no filoha ary Jisia no faharoa. 21  I Maly sy Mosy+ no zanak’i Merary.+ Ary ny zanak’i Maly dia i Eleazara+ sy Kisy. 22  Maty i Eleazara nefa tsy nitera-dahy fa vavy ihany. Koa nanambady an’ireo zazavavy ireo ny zanak’i Kisy dadatoan’izy ireo.+ 23  Ny zanak’i Mosy dia i Maly sy Edera ary Jeremota.+ Telo izy ireo. 24  Ireo no taranak’i Levy araka ny fianakaviambe avy amin’ireo rainy,+ izany hoe ny lohan’ireo fianakaviambe, sy ny olona voatendry eo amin’izy ireo. Roapolo taona no ho miakatra izy ireo,+ sady voasoratra anarana tsirairay, ary manao ny asa fanompoana+ ao an-tranon’i Jehovah. 25  Fa hoy i Davida: “Nataon’i Jehovah Andriamanitry ny Israely mandry feizay ny olony,+ ary honina ao Jerosalema mandritra ny fotoana tsy voafetra Izy.+ 26  Ary ny Levita tsy hitondra ny tranolay intsony na ny fitaovana rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana ao.”+ 27  Araka ny hafatra+ farany navelan’i Davida, dia ireo no nisaina teo amin’ny taranak’i Levy, ary roapolo taona no ho miakatra izy ireo. 28  Anjaran’izy ireo ny manampy ny taranak’i Arona+ amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Jehovah: Ny fikarakarana ny tokotany+ sy ny efitra fisakafoana,+ ny fanadiovana ny zava-masina+ rehetra, ny asa fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra, 29  ny fikarakarana ny mofo mifanaingina,+ sy ny lafarinina tsara toto+ hatao fanatitra varimbazaha, sy ny mofo fisaka+ tsy misy lalivay,+ sy ny mofo atao anaty lasitra,+ sy ny koba mifangaro+ menaka, ary ny karazana vatomizana sy famarana rehetra.+ 30  Anjaran’izy ireo koa ny mijoro+ isa-maraina+ mba hisaotra+ sy hidera+ an’i Jehovah, ary toy izany koa amin’ny takariva. 31  Hanampy amin’ny fanolorana ny sorona dorana ho an’i Jehovah koa izy ireo, ka hanao izany mandrakariva eo anatrehan’i Jehovah, rehefa sabata+ sy tsinam-bolana+ ary amin’ny fotoanan’ny fety,+ araka ny isan’ireny sy ny fitsipika momba izany. 32  Anisan’ny fanompoana nataon’izy ireo tao an-tranon’i Jehovah koa ny fiambenana+ ny tranolay fihaonana sy ny toerana masina,+ ary ny fiambenana ny taranak’i Arona rahalahin’izy ireo.+

Fanamarihana

A.b.t.: “isan-doha.”
“Ziza” eo amin’ny and. 11.
avy amin’ny ray.