Tantara Voalohany 25:1-31

  • Mpitendry zavamaneno sy mpihira ao an-tranon’Andriamanitra (1-31)

25  Ary natokan’i Davida sy ny lehiben’ny antoko-mpanompo ny sasany tamin’ny taranak’i Asafa sy Hemana ary Jedotona,+ mba hanao fanompoana ka sady haminany izy ireo no hampiasa harpa sy zavamaneno fitendry+ ary kipantsona.+ Ireto avy ireo lehilahy voatendry hanao fanompoana ireo: 2  Ny avy amin’ny taranak’i Asafa dia i Zakora, Josefa, Netania, ary Asarela. Zanak’i Asafa ireo, ka i Asafa no niandraikitra azy. Naminany teo ambany fiandraiketan’ny mpanjaka i Asafa. 3  Ny avy amin’i Jedotona+ dia i Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, ary Matitia.+ Zanak’i Jedotona izy enina ireo. I Jedotona rainy no niandraikitra azy ireo. Sady naminany i Jedotona no nampiasa harpa rehefa nisaotra sy nidera an’i Jehovah.+ 4  Ny avy amin’i Hemana+ dia i Bokia, Matania, Oziela, Seboela, Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty, Romamti-ezera, Josbekasa, Maloty, Hotira, ary Mahaziota. Zanak’i Hemana izy ireo. 5  Ireo rehetra ireo no zanakalahin’i Hemana. I Hemana no nampita tamin’ny mpanjaka ny fahitana hitany, dia ny hafatr’ilay tena Andriamanitra mba hiderana Azy.* Dia nomen’Andriamanitra zanakalahy 14 sy zanakavavy 3 izy. 6  Izy rehetra ireo dia teo ambany fiandraiketan’ny rainy rehefa nihira tao an-tranon’i Jehovah, ary nampiarahina tamin’ny kipantsona sy ny zavamaneno fitendry ary ny harpa+ ny hirany. Izany no fanompoana nataony tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. Ny mpanjaka no niandraikitra an’i Asafa sy Jedotona ary Hemana. 7  Ary 288 ny isan’izy ireo sy ny rahalahiny, izay nampianarina hihira ho an’i Jehovah, ka efa tena mahay izy rehetra. 8  Dia nanao antsapaka izy ireo+ hizarana ny andraikiny, na ho an’ny kely sy ny lehibe, na ho an’ny efa tena mahay sy ny vao mianatra. 9  Rehefa natao ny antsapaka dia i Josefa avy amin’ny taranak’i Asafa no voalohany,+ ary Gedalia no faharoa.+—Nisy 12 izy sy ny rahalahiny ary ny zanany lahy.— 10  I Zakora+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny kosa no fahatelo: 12 izy ireo. 11  I Jizry sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahefatra: 12 izy ireo. 12  I Netania+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahadimy: 12 izy ireo. 13  I Bokia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahenina: 12 izy ireo. 14  I Jesarela sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahafito: 12 izy ireo. 15  I Jesaia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahavalo: 12 izy ireo. 16  I Matania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahasivy: 12 izy ireo. 17  I Simey sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no fahafolo: 12 izy ireo. 18  I Azarela sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-11: 12 izy ireo. 19  I Hasabia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-12: 12 izy ireo. 20  I Sobaela+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-13: 12 izy ireo. 21  I Matitia sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-14: 12 izy ireo. 22  I Jeremota sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-15: 12 izy ireo. 23  I Hanania sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-16: 12 izy ireo. 24  I Josbekasa sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-17: 12 izy ireo. 25  I Hanany sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-18: 12 izy ireo. 26  I Maloty sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-19: 12 izy ireo. 27  I Eliata sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-20: 12 izy ireo. 28  I Hotira sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-21: 12 izy ireo. 29  I Gidalty+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-22: 12 izy ireo. 30  I Mahaziota+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-23: 12 izy ireo. 31  I Romamti-ezera+ sy ny zanany lahy ary ny rahalahiny no faha-24: 12 izy ireo.

Fanamarihana

Abt: “mba hampiakarana ny tandrony.”