Tantara Voalohany 27:1-34

  • Mpifehy nanompo ny mpanjaka (1-34)

27  Nisy 24 000 ny Israelita tao amin’ny antoko-miaramila tsirairay. Anisan’izy ireo ny lohan’ireo fianakaviambe, ny lehiben’ny arivo, ny lehiben’ny zato,+ ary ny mpifehy izay nanompo ny mpanjaka+ ka nikarakara ny raharaha rehetra momba an’ireo antoko-miaramila. Nifandimby isam-bolana ireo antoko-miaramila ireo nandritra ny volana rehetra amin’ny taona. 2  I Jasobeama,+ zanak’i Zabdiela, no nifehy ny antoko-miaramila voalohany ho an’ny volana voalohany. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 3  Taranak’i Pereza+ izy, ary izy no lohan’ny lehiben’ny antoko-mpanompo rehetra voatendry hanompo tamin’ny volana voalohany. 4  I Doday+ Ahotita+ no nifehy ny antoko-miaramila ho an’ny volana faharoa, ary i Miklota no mpitarika. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 5  I Benaia,+ zanak’i Joiada+ lehiben’ny mpisorona, no lehiben’ny antoko-mpanompo fahatelo voatendry hanompo tamin’ny volana fahatelo. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 6  Miaramila matanjaka anisan’ireo 30 lahy io Benaia io sady niandraikitra an’ireo. Ary i Amizabada zanany no nifehy ny antoko-miaramilany. 7  I Asahela+ rahalahin’i Joaba,+ sy Zebadia zanany nandimby azy no lehibe fahefatra ho an’ny volana fahefatra. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 8  I Samihota Jizrahita no lehibe fahadimy ho an’ny volana fahadimy. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 9  I Ira+ zanak’i Ikesy Tekoita+ no fahenina ho an’ny volana fahenina. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 10  I Heleza+ Pelonita avy amin’ny Efraimita no fahafito ho an’ny volana fahafito. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 11  I Sibekay+ Hosatita avy amin’ny Zerita+ no fahavalo ho an’ny volana fahavalo. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 12  I Abi-ezera+ Anatotita+ avy amin’ny Benjaminita no fahasivy ho an’ny volana fahasivy. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 13  I Maharay+ Netofatita avy amin’ny Zerita+ no fahafolo ho an’ny volana fahafolo. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 14  I Benaia+ Piratonita avy amin’ny taranak’i Efraima no faha-11 ho an’ny volana faha-11. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 15  Ary i Helday Netofatita avy amin’ny taranak’i Otniela no faha-12 ho an’ny volana faha-12. Nisy 24 000 ny tao amin’ny antoko-miaramilany. 16  Ireto avy ny mpitarika ny fokon’ny Israely: I Eliezera zanak’i Zikry no mpitarika ny Robenita, Sefatia zanak’i Maka no an’ny Simeonita, 17  Hasabia zanak’i Kemoela no an’ny fokon’i Levy, Zadoka no an’ny taranak’i Arona, 18  Eliho,+ anisan’ny rahalahin’i Davida, no an’ny fokon’i Joda, Omry zanak’i Mikaela no an’ny fokon’i Isakara, 19  Jismaia zanak’i Obadia no an’ny fokon’i Zebolona, Jerimota zanak’i Azriela no an’ny fokon’i Naftaly, 20  Hosea zanak’i Azazia no an’ny Efraimita, Joela zanak’i Pedaia no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase, 21  Ido zanak’i Zakaria no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase any Gileada, Jasiela zanak’i Abnera+ no an’ny fokon’i Benjamina, 22  ary Azarela zanak’i Jerohama no an’ny fokon’i Dana. Ireo no andrianan’ny fokon’ny Israely. 23  Tsy nisain’i Davida ny 20 taona no ho midina, satria efa nampanantena i Jehovah fa hataony be dia be hoatran’ny kintana eny amin’ny lanitra ny Israely.+ 24  Efa nanomboka nanisa ihany i Joaba zanak’i Zeroia, saingy tsy nahavita hatramin’ny farany. Dia tezitra tamin’ny Israely Andriamanitra* noho izany fanisana izany,+ ka tsy nampidirina tao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka ilay isa. 25  I Azmaveta zanak’i Adiela no niandraikitra ny fitehirizana ny zava-tsarobidin’ny mpanjaka.+ I Jonatana zanak’i Ozia no niandraikitra ny trano fitehirizana ny entana* tany an-tsaha, sy tao amin’ireo tanàna sy tanàna kely, ary tany amin’ireo tilikambo. 26  I Ezry zanak’i Keloba no niandraikitra an’ireo niasa tany an-tsaha. 27  I Simey Ramatita no niandraikitra ny tanimboaloboka, ary Zabdy Sifmita no niandraikitra ny toerana nasiana ny tahirin-divay. 28  I Bala-hanana Gaderita no niandraikitra ny sahan’oliva sy ny aviavidia+ tany Sefela,+ ary Joasy no niandraikitra ny tahiri-menaka. 29  I Sitray Sarônita no niandraikitra ny omby niraoka ahitra tany Sarôna,+ ary Safata zanak’i Adlay no niandraikitra ny omby tany amin’ny tany lemaka.* 30  I Obila Ismaelita no niandraikitra ny rameva, ary Jedaia Meronotita no niandraikitra ny ampondra.* 31  Ary i Jaziza Hagarita no niandraikitra ny ondry aman’osy. Ireo rehetra ireo no mpiadidy ny fananan’i Davida Mpanjaka. 32  Mpanolo-tsaina sady mpitan-tsoratra i Jonatana+ zana-drahalahin’i Davida, ary lehilahy nahira-tsaina. I Jehiela zanak’i Hakmony no nikarakara ny zanaky ny mpanjaka.+ 33  Mpanolo-tsain’ny mpanjaka i Ahitofela,+ ary i Hosay+ Arkita no naman’ny* mpanjaka. 34  I Joiada zanak’i Benaia,+ sy Abiatara+ no nandimby an’i Ahitofela. Ary i Joaba+ no lehiben’ny tafiky ny mpanjaka.

Fanamarihana

Abt: “Dia teo amin’ny Israely ny fahatezerana.”
Na: “ny fitehirizana zava-tsarobidy.”
Na: “lemaka iva.”
Abt: “ampondravavy.”
Na: “namana tena natokisan’ny.”