1 Tantara 29:1-30

29  Hoy i Davida Mpanjaka tamin’ny fiangonana manontolo:+ “Mbola kely+ sy tanora fanahy i Solomona zanako, izay nofidin’Andriamanitra.+ Asa goavana anefa no atao, satria tsy ho an’olombelona ilay lapa+ fa ho an’i Jehovah Andriamanitra.  Koa nanao izay tratran’ny heriko+ aho hanomanana+ izay ilaina ho an’ny tranon’Andriamanitro, ka nanomana volamena+ ho an’izay zavatra volamena, volafotsy ho an’izay volafotsy, varahina ho an’izay varahina, vy+ ho an’izay vy, hazo+ ho an’izay ampiasana hazo, ary koa vato oniksa,+ vato voatefy araikitra amin’ny rihitra mafy, vato madinika samihafa loko, vatosoa isan-karazany, ary vatosanga be dia be.  Ary satria tiako+ ny tranon’Andriamanitro, dia misy koa volamena sy volafotsy izay fananako,+ omeko ho an’ny tranon’Andriamanitro, ho fanampin’izay efa nomaniko ho an’ilay trano masina:+  Talenta volamena telo arivo avy any Ofira,+ sy talenta volafotsy fito arivo izay efa voadio, handrakofana ny rindrin’ireo efitra,  volamena ho an’izay zavatra volamena, ary volafotsy ho an’izay volafotsy sy ho an’izay rehetra ataon’ny mpanao asa tanana. Koa iza no vonona hanao fanomezana an-tsitrapo ho an’i Jehovah anio?”+  Dia samy nanaiky hanome an-tsitrapo ny andrianan’ireo+ fianakaviambe,+ sy ny andrianan’ny+ fokon’ny Israely, sy ny lehiben’ny arivo,+ sy ny lehiben’ny zato,+ ary ireo mpiandraikitra ny raharahan’ny+ mpanjaka.  Koa ireto no nomen’izy ireo ho an’ny asa momba ny tranon’Andriamanitra: Volamena mitentina talenta dimy arivo, sy volamena mitentina darìka* iray alina, volafotsy mitentina talenta iray alina, varahina mitentina talenta valo arivo sy iray alina, ary vy mitentina talenta iray hetsy.+  Ary izay nanana vatosoa dia nanome izany ho isan’ny zava-tsarobidy tao an-tranon’i Jehovah, ka i Jehiela+ Gersonita+ no niandraikitra izany.  Koa faly ny vahoaka rehefa nanao fanatitra an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany fanatitra an-tsitrapo ho an’i Jehovah.+ Ary faly be koa i Davida Mpanjaka.+ 10  Dia nisaotra+ an’i Jehovah teo anatrehan’ny fiangonana+ manontolo i Davida, ka nilaza hoe: “Ry Jehovah Andriamanitr’i Israely+ razambenay ô, hisaorana anie ianao+ hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay! 11  Anao Jehovah ô, ny fahalehibeazana+ sy ny hery+ sy ny hatsarana+ ary ny haja+ amam-boninahitra,+ fa anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.+ Ary anao ny fanjakana,+ Jehovah ô, dia ianao izay misandratra ambony noho ny zava-drehetra.+ 12  Avy aminao ny harena+ sy ny voninahitra,+ ary ianao no manjaka+ amin’ny zava-drehetra. Eo am-pelatananao ny hery+ sy ny tanjaka,+ ary ny tananao no manandratra+ sy manatanjaka ny rehetra.+ 13  Koa misaotra anao izahay,+ ry Andriamanitray ô, ary derainay+ ny anaranao kanto dia kanto.+ 14  “Fa zinona moa aho+ ary zinona moa ny vahoakako, no hanana hery hanolorana fanatitra an-tsitrapo toy izao?+ Avy aminao ny zava-drehetra+ ary ny avy amin’ny tananao ihany no nanomezanay anao. 15  Fa mpivahiny sy mpiavy+ izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra. Toy ny aloka ihany ny andronay etỳ an-tany,+ ka tsy misy antenaina. 16  Ry Jehovah Andriamanitray ô, avy eo an-tananao sady anao avokoa izao zavatra be dia be nomaninay izao,+ mba hanorenana trano ho an’ny anaranao masina. 17  Ary fantatro tsara, ry Andriamanitro ô, fa mpandinika ny fo ianao+ sady mankasitraka ny fahitsiana.+ Raha ny amiko, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo an’ireo rehetra ireo, ary faly aho mahita ireto olonao ireto manolotra fanatitra an-tsitrapo ho anao. 18  Ry Jehovah Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely razanay ô!+ Arovy izany fisainana sy fanirian’ny fon’ny olonao izany mba haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra,+ ary tariho ho aminao ny fony.+ 19  Ary aoka mba ho amin’ny fo manontolo+ no hitandreman’i Solomona zanako ny didinao+ sy ny fampahatsiahivanao+ ary ny fitsipikao,+ sy hanaovany ny zava-drehetra ary hanorenany an’ilay lapa.+ Efa nomaniko izay ilaina ho amin’izany.”+ 20  Ary hoy i Davida tamin’ny fiangonana manontolo:+ “Misaora+ an’i Jehovah Andriamanitrareo.” Dia nisaotra an’i Jehovah Andriamanitry ny razany ny fiangonana manontolo, ka niondrika+ sy niankohoka+ teo anatrehan’i Jehovah sy ny mpanjaka. 21  Ary nanao sorona+ ho an’i Jehovah izy ireo, sady nanolotra fanatitra dorana+ ho an’i Jehovah ny ampitson’iny: Vantotr’ombilahy arivo, ondrilahy arivo, ondrilahy kely arivo miaraka amin’ny fanatitra zava-pisotro,+ ary fanatitra hafa maro be ho an’ny Israely rehetra.+ 22  Dia nihinana sy nisotro teo anatrehan’i Jehovah izy ireo tamin’iny andro iny, ka nisy fifaliam-be tokoa.+ Ary nataon’izy ireo mpanjaka indray i Solomona, zanak’i Davida+ Mpanjaka, ka nohosoran’izy ireo indray teo anatrehan’i Jehovah mba ho mpitarika,+ ary i Zadoka+ mba ho mpisorona. 23  Dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah+ i Solomona ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy, ary nahomby izay nataony.+ Dia nankatò azy ny Israelita rehetra. 24  Samy nanaiky an’i Solomona Mpanjaka avokoa ny andriana+ sy ny lehilahy mahery+ ary ny zanak’i Davida Mpanjaka rehetra.+ 25  Ary nataon’i Jehovah nisandratra avo dia avo+ teo anatrehan’ny Israely rehetra i Solomona, ka nataony mpanjaka be voninahitra kokoa noho ny mpanjakan’ny Israely rehetra teo alohany.+ 26  Ary i Davida, zanak’i Jese, dia nanjaka teo amin’ny Israely rehetra.+ 27  Efapolo taona no nanjakany teo amin’ny Israely,+ ka fito taona tao Hebrona+ ary telo amby telopolo taona tao Jerosalema.+ 28  Maty izy rehefa tratrantitra+ sy voky andro sady nanan-karem-be+ ary heniky ny voninahitra.+ Dia i Solomona zanany no nanjaka nandimby azy.+ 29  Ary ny tantaran’i Davida Mpanjaka, na ny voalohany na ny farany, dia voarakitra ao amin’izay nosoratan’i Samoela mpahita+ sy Natana+ mpaminany ary Gada+ mpahita fahitana. 30  Voasoratra ao koa ny zava-drehetra momba ny fanjakany sy ny heriny, ary izay nitranga tamin’ny androny+ sy tamin’ny Israely ary tamin’ny fanjakana rehetra manodidina.+

Fanamarihana

Vola madinika volamena persianina.