Tantara Voalohany 5:1-26

  • Taranak’i Robena (1-10)

  • Taranak’i Gada (11-17)

  • Resy ny Hagarita (18-22)

  • Antsasaky ny fokon’i Manase (23-26)

5  Voasoratra anarana etsy ambany ny zanakalahin’i Robena+ lahimatoan’i Israely. Izy no lahimatoa, saingy nandoto* ny fandrianan’ny rainy+ izy, ka nomena ny zanak’i Josefa,+ zanak’i Israely, ny zony amin’ny maha lahimatoa. Tsy voasoratra ao amin’ny tetirazana* àry hoe manana ny zon’ny lahimatoa izy. 2  Ambony noho ny rahalahiny i Joda,+ ary izy no razamben’ilay mpitarika.+ I Josefa anefa no nanana ny zon’ny lahimatoa. 3  Ny zanakalahin’i Robena lahimatoan’i Israely dia i Hanoka, Palo, Hezrona, ary Karmy.+ 4  I Joela niteraka an’i Semaia, Semaia niteraka an’i Goga, Goga niteraka an’i Simey, 5  Simey niteraka an’i Mika, Mika niteraka an’i Reaia, Reaia niteraka an’i Bala, 6  ary Bala niteraka an’i Bera izay nataon’i Tilgato-pilnesera,+ mpanjakan’i Asyria, sesitany. Mpiadidy teo amin’ny Robenita i Bera. 7  Ireto avy ny rahalahiny, araka ny fianakaviany avy, izay voasoratra ao amin’ny tetirazana, araka ny taranaka misy azy: I Jeiela no lohany, dia avy eo i Zakaria 8  sy Bela zanak’i Azaza, zanak’i Sema, zanak’i Joela. Ary nipetraka tany Aroera+ ka hatrany Nebo sy Bala-meona+ ny taranak’i Bela. 9  Nipetraka tany atsinanana koa izy ireo, hatrany amin’ny sisin’ny tany efitra eo amoron’ny Reniranon’i Eofrata.+ Lasa be dia be mantsy ny biby fiompiny tany Gileada.+ 10  Ary niady tamin’ny Hagarita izy ireo tamin’ny andron’i Saoly, ka naharesy azy. Nipetraka nanerana ny faritra atsinanan’i Gileada àry izy ireo, ary tranolay no nipetrahany. 11  Ny taranak’i Gada kosa no teo akaikin’izy ireo, tany Basana ka hatrany Saleka.+ 12  I Joela no lohany tany Basana, ary Safama no faharoa. Tany koa i Janay sy Safata. 13  Ary ny rahalahiny anisan’ny fianakaviambeny, dia i Mikaela, Mesolama, Sheba, Joray, Jakana, Zia, ary Ebera. Fito izy rehetra. 14  Ireo no zanakalahin’i Abihaila zanak’i Hory, zanak’i Jaroa, zanak’i Gileada, zanak’i Mikaela, zanak’i Jesisay, zanak’i Jado, zanak’i Boza. 15  Ary lohan’ny fianakaviambeny i Ahia zanak’i Abdiela, zanak’i Gony. 16  Dia nipetraka tany Gileada+ sy Basana+ sy tany amin’ireo tanàna niankina taminy* izy ireo, ary tany amin’ny kijana rehetra tany Sarôna hatrany amin’ny sisiny indrindra. 17  Voasoratra tao amin’ny tetirazana daholo izy ireo tamin’ny andron’i Jotama+ mpanjakan’ny Joda, sy tamin’ny andron’i Jeroboama*+ mpanjakan’ny Israely. 18  Nanana miaramila matanjaka 44 760 ny tafiky ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Nanana ampinga sy sabatra izy ireo, ary nitondra tsipìka* sady efa zatra ady. 19  Niady tamin’ny Hagarita+ sy tamin’i Jetora sy Nafisy+ ary Nodaba izy ireo. 20  Nisy nanampy izy ireo rehefa niady tamin’ireny, ka natao resiny ny Hagarita sy izay rehetra niaraka taminy. Niantso vonjy tamin’Andriamanitra mantsy izy ireo tamin’ilay ady, ka nohenoiny ny fitalahoany satria natoky azy izy ireo.+ 21  Nalainy ho babo ny biby fiompin’izy ireny, izany hoe rameva 50 000, sy ondry 250 000, ary ampondra 2 000. Nisy olona 100 000 koa nalainy ho babo. 22  Be dia be ny olona maty, satria ilay tena Andriamanitra no niady ho azy ireo.+ Dia izy ireo indray no lasa nipetraka tany mandra-pahatongan’ny fotoanan’ny sesitany.+ 23  Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase+ dia nipetraka hatrany Basana ka hatrany Bala-hermona sy Senira ary ny Tendrombohitra Hermona.+ Be dia be izy ireo. 24  Ireto avy ny lohan’ny fianakaviambeny: Efera, Jisy, Eliela, Azriela, Jeremia, Hodavia, ary Jadiela. Miaramila matanjaka sy malaza izy ireo, sady lohan’ny fianakaviambeny. 25  Nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razambeny anefa izy ireo, ka nivavaka* tamin’ny andriamanitry ny mponina tao amin’ilay tany.+ Efa naringan’Andriamanitra tsy ho eo anatrehan’izy ireo anefa ireny mponina ireny. 26  Nampirisihin’ilay Andriamanitry ny Israely àry i Pola mpanjakan’i Asyria,+—dia i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria,—mba hanao sesitany ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Dia nentin’izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana+ izy ireo, ka mbola any hatramin’izao.

Fanamarihana

Na: “nanazimbazimba.”
Na: “tetiarana.”
Na: “nanodidina azy.”
Izany hoe Jeroboama II.
Abt: “nanitsaka ny tsipìka.”
Na: “nivaro-tena.”